Hijery ny anatiny

Fanazavana Andinin-teny

Fantaro ny tena dikan’ny teny sy andinin-teny malaza ao amin’ny Baiboly. Jereo ny teny manodidina azy ireny mba hamantarana an’izany. Mandiniha lalina kokoa, ka jereo ny fanazavana any amin’ny fanamarihana ambany pejy sy ny fanondroana andininy hafa.

Fanazavana ny Genesisy 1:1: “Tany Am-piandohana, dia Namorona ny Lanitra sy ny Tany Andriamanitra”

Inona ny hevi-dehibe roa resahin’io andinin-teny voalohany ao amin’ny Baiboly io?

Fanazavana ny Eksodosy 20:12: “Hajao ny Rainao sy ny Reninao”

Vao mainka tokony hankatò an’io didy io ny Israelita, satria nampanantena Andriamanitra hoe misy soa ho azon’izy ireo avy amin’izany.

Fanazavana ny Josoa 1:9: “Mahereza sy Matanjaha”

Inona no hanampy anao ho be herim-po sy hatanjaka rehefa misy olana na vato misakana?

Salamo 23:4: “Na dia Mandeha Mamakivaky ny Lohasaha Aloky ny Fahafatesana aza Aho”

Ahoana no ikarakaran’Andriamanitra ny mpanompony, na dia amin’ny fotoana mangidy indrindra eo amin’ny fiainan’izy ireo aza?

Fanazavana ny Salamo 37:4: “Aoka NY TOMPO no Iravoravoanao”

Nahoana io salamo io no manampy antsika hahazo fahendrena sy ho anisan’ny olona ankasitrahan’Andriamanitra?

Fanazavana ny Salamo 46:10: “Mitsahara, ka Aoka ho Fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra”

Te hilaza fotsiny ve io andinin-teny io hoe mila mangina rehefa any am-piangonana?

Ohabolana 3:5, 6: “Aza Miankina Amin’ny Fahalalanao”

Ahoana no ampisehoanao hoe Andriamanitra no itokisanao kokoa noho ny tenanao?

Fanazavana ny Ohabolana 16:3: “Ankino Amin’ny TOMPO ny Asanao”

Misy antony roa mahatonga ny olombelona tokony hitady ny tari-dalan’Andriamanitra rehefa hanapa-kevitra. Inona avy izany?

Fanazavana ny Ohabolana 17:17: “Ny Namana dia Izay Tia Amin’ny Fotoana Rehetra”

Asehon’io Ohabolana kanto io hoe hoatran’ny ahoana izany tena namana izany.

Ohabolana 22:6: “Zaro Amin’izay Lalana Tokony Halehany ny Zaza”

Inona ilay “lalana” tokony halehan’ny zaza? Samy hafa ve io lalana io ho an’ny olona tsirairay?

Fanazavana ny Mpitoriteny 3:11: “Nataon’Andriamanitra Tsara Be Daholo ny Zava-drehetra, Sady Tamin’ny Fotoanany Avy”

Tsy ny zavatra rehetra noforoniny fotsiny no tafiditra amin’ny asa tsaran’Andriamanitra. Nahoana izany no mahakasika anao?

Fanazavana ny Isaia 26:3: “Ny Saina Tsy Miovaova dia Harovanao ao Amin’ny Fiadanana Tanteraka”

Azo atao ve izany hoe hiadana tanteraka izany? Inona no dikan’ilay hoe manana saina tsy miovaova?

Fanazavana ny Isaia 40:31: “Izay Manantena An’i Jehovah ... Hahazo Hery Indray”

Nahoana no ampitovian’ny Soratra Masina amin’ny voromahery manidina ambony ny olona mahazo hery avy amin’Andriamanitra?

Fanazavana ny Isaia 41:10: “Aza Matahotra Hianao, fa Momba Anao Aho”

Nampiasa matoanteny telo i Jehovah mba hanomezana toky ny mpanompony hoe tena hanampy azy ireo izy.

Fanazavana ny Isaia 42:8: “Izaho no TOMPO”

Iza no anarana nofidin’Andriamanitra mba hiantsoana azy?

Fanazavana ny Jeremia 11:11: “Izaho hahatonga loza aminy”

Nahatonga “loza” tamin’ny vahoakany ve Andriamanitra, sa navelany hitranga fotsiny izany?

Fanazavana ny Jeremia 29:11: “Izaho dia Mahalala ny Hevitro ny Aminareo”

Marina fa nosoratana ho an’ny olona taloha ireo teny ireo, nefa mbola izany ihany no eritreretin’Andriamanitra hatao amin’izao.

Fanazavana ny Jeremia 33:3: “Antsoy Aho dia Hamaly Anao”

Nampanantena Andriamanitra fa hampahafantariny “zavatra lehibe sy tsy takatry ny saina” izay miantso azy. Inona ireo zavatra ireo? Izany koa ve no ataony amin’izao?

Fanazavana ny Mika 6:8: “Hanaraka An’Andriamanitrao Amim-panetrentena”

Fintinin’io andinin-teny io ho zavatra telo mazava tsara ny zavatra tian’Andriamanitra hataontsika.

Matio 6:33: “Katsaho ... Aloha ny Fanjakan’Andriamanitra”

Te hilaza ve i Jesosy hoe tsy mila mitady asa fivelomana ny Kristianina?

Fanazavana ny Matio 6:34: “Aza Manahy ny Amin’ny Ampitso”

Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe tsy tokony hanomana ny hoavintsika isika.

Fanazavana ny Matio 11:28-30: “Mankanesa atỳ Amiko, ... fa Izaho no Hanome Anareo Fitsaharana”

Nampanantena ny hamarana avy hatrany ny olana rehetra sy ny tsy rariny ve i Jesosy?

Fanazavana ny Marka 1:15: “Efa Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra”

Te hilaza ve i Jesosy tamin’izay hoe efa nanomboka nitondra ny Fanjakan’Andriamanitra?

Fanazavana ny Marka 11:24: “Izay Rehetra Angatahinareo Amim-bavaka, dia Minoa hoe Efa Azonareo Izany”

Nahoana no manampy antsika hiatrika zava-tsarotra ny torohevitr’i Jesosy momba ny finoana sy ny vavaka?

Fanazavana ny Lioka 1:37: “Fa Tsy Misy Zavatra Tsy ho Vitan’Andriamanitra!”

Tsy misy na inona na inona afaka manakana an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra tsy hanatanteraka an’izay ampanantenainy mihitsy. Inona no vokatr’izany eo aminao?

Fanazavana ny Jaona 1:1: “Tany Am-piandohana ny Teny”

Miresaka momba ny fiainan’i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy io andinin-teny io.

Fanazavana ny Jaona 3:16: “Fa Fatratra Tokoa ny Fitiavan’Andriamanitra Izao Tontolo Izao”

Ahoana no nampisehoan’Andriamanitra fa tiany isika tsirairay sady tiany hiaina mandrakizay?

Jaona 14:6: “Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana”

Nahoana no mila manaiky ny anjara asa miavaka tanan’i Jesosy ny olona te hanompo an’i Jehovah?

Fanazavana ny Jaona 14:27: “Fiadanana no Avelako Aminareo”

Inona ilay fiadanana nomen’i Jesosy sy navelany ho an’ny mpianany? Ahoana ny fomba hahazoantsika azy io?

Fanazavana ny Jaona 15:13: “Tsy Misy Manana Fitiavana Lehibe Noho Izao”

Inona no azon’ny mpanara-dia an’i Jesosy atao mba hanahafana ny fitiavana nasehony?

Fanazavana ny Jaona 16:33: “Efa Nandresy An’izao Tontolo Izao Aho”

Nahoana ireo tenin’i Jesosy ireo no manome toky ny mpanara-dia azy hoe hahavita hampifaly an’Andriamanitra izy ireo?

Fanazavana ny Asan’ny Apostoly 1:8: “Hahazo Hery Ianareo”

Inona ilay hery nampanantenain’i Jesosy ny mpanara-dia azy, ary inona no ho vitan-dry zareo rehefa mahazo an’io hery io?

Fanazavana ny Romanina 5:8: “Fony Mbola Mpanota Isika, dia Maty Hamonjy Antsika Kristy”

Mpanota ny olombelona, dia matetika no mieritreritra na manao zavatra mifanohitra amin’ny fitsipik’Andriamanitra. Ahoana anefa no ahafahantsika mifandray tsara amin’Andriamanitra sy manantena fiainana mandrakizay?

Fanazavana ny Romanina 6:23: “Fahafatesana no Tambin’ny Ota; ary Fiainana Mandrakizay no Fanomezam-pahasoavana avy Amin’Andriamanitra”

Tsy afaka mahazo famonjena ny olombelona mpanota. Azony ekena anefa ny fanomezan’Andriamanitra fiainana mandrakizay. Amin’ny fomba ahoana?

Fanazavana ny Romanina 10:13: ‘Izay Miantso ny Anaran’ny Tompo no Hovonjena’

Tian’Andriamanitra ho voavonjy sy hahazo fiainana mandrakizay daholo ny olona, na inona na inona fireneny, volon-kodiny, na fari-piainany.

Fanazavana ny Romanina 12:12: “Mifalia Amin’ny Fanantenana; Miareta Amin’ny Fahoriana; Mahareta Amin’ny Fivavahana”

Inona no hanampy ny Kristianina mba tsy hivadika mihitsy na dia eo aza ny fanenjehana sy ny olana hafa?

Fanazavana ny Romanina 15:13: “Andriamanitry ny Fanantenana Anie Hameno Anareo Amin’ny Fifaliana sy ny Fiadanana”

Inona no ifandraisan’ny fifaliana sy ny fiadanana amin’ny fanantenana sy ny fanahy masina?

Fanazavana ny 1 Korintianina 10:13: “Mahatoky Andriamanitra”

Tsy mivadika Andriamanitra. Ahoana no anampian’io toetrany io antsika rehefa miatrika fakam-panahy isika?

Fanazavana ny 2 Korintianina 12:9: “Ampy ho Anao ny Fahasoavako”

Ahoana no nandraisan’i Paoly soa be avy tamin’ny hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra? Ahoana koa no handraisantsika soa avy amin’izany?

Fanazavana ny Galatianina 6:9: “Aza mba Ketraka Amin’ny Fanaovan-tsoa Isika”

Inona no ho vokany raha manohy manao ny tsara foana ny Kristianina?

Fanazavana ny Efesianina 3:20: “Mahay Manao Mihoatra Noho ny Zavatra Rehetra, eny, Mihoatra Lavitra Noho Izay Rehetra Angatahintsika na Heverintsika aza [Andriamanitra]”

Ahoana ny fomba amalian’Andriamanitra ny vavaka ataon’ny mpanompony sy ny fomba anatanterahany ny zavatra antenain’izy ireo?

Fanazavana ny Filipianina 4:6, 7: “Aza Manahy na Inona na Inona”

Karazana vavaka hoatran’ny ahoana no manampy ny mpanompon’Andriamanitra hilamin-tsaina rehefa misy zavatra mampanahy azy ireo?

Filipianina 4:8: “Na Inona na Inona Marina, ... dia Hevero Izany”

Zavatra hoatran’ny ahoana no tokony hosaintsainin’ny Kristianina foana?

Fanazavana ny Filipianina 4:13: “Afaka Miatrika Izany Rehetra Izany Aho, Noho i Kristy”

Nahoana i Paoly no niteny hoe manana hery hiatrehana “an’izay rehetra mitranga” izy?

Fanazavana ny Kolosianina 3:23: “Na Inona na Inona no Ataonareo, dia Ataovy Amin’ny Fo”

Misy vokany eo amin’ny fifandraisan’ny Kristianina iray amin’Andriamanitra ve ny fomba anaovany ny asany?

Fanazavana ny 2 Timoty 1:7: “Tsy mba Fanahy Mahatonga ho Kanosa no Efa Nomen’Andriamanitra Antsika”

Ahoana no hanampian’Andriamanitra antsika tsy hatahotra hanao ny tsara?

Fanazavana ny Hebreo 4:12: “Velona sy Mahery ny Tenin’Andriamanitra”

Avelanao hisy vokany eo amin’ny fiainanao ve ny tenin’Andriamanitra? Inona no ahariharin’izy io momba anao?

Fanazavana ny Hebreo 11:1: “Ny Finoana no Fahatokiana ny Amin’ny Zavatra Antenaina”

Inona no atao hoe tena finoana ary nahoana izy io no tena ilaina?

Fanazavana ny 1 Petera 5:6, 7: “Manetre Tena eo Ambanin’ny Tana-maherin’Andriamanitra, ... ary Apetraho Aminy Daholo Izay Rehetra Mampanahy Anareo”

Ahoana izany hoe mametraka an’izay mampanahy antsika amin’Andriamanitra? Ary nahoana izany no mampitony antsika?

Fanazavana ny Apokalypsy 21:1: “Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao”

Inona no zavatra resahin’ny Baiboly ka manampy antsika hahazo ny dikan’io andininy io?

Fanazavana ny Apokalypsy 21:4: “Hofafany ny Ranomaso Rehetra”

Miresaka fampanantenana tena tsara momba ny hoavy io andininy io.