Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Jaona 1:1: “Tany Am-piandohana ny Teny”

Jaona 1:1: “Tany Am-piandohana ny Teny”

 “Tany am-piandohana ny Teny, ary ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra.”—Jaona 1:1, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.”—Jaona 1:1, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Jaona 1:1 holazaina?

 Ny fiainan’i Jesosy Kristy talohan’ny naha olombelona azy no resahin’io andininy io. (Jaona 1:14-17) Eo amin’ny andininy 14, dia anaram-boninahitra ilay hoe “ny Teny” (na “Logos,” Grika: hô Lôgôs). Ilay anaram-boninahitra hoe “ny Teny”, dia manondro ny anjara asan’i Jesosy amin’ny maha mpitondra ny tenin’Andriamanitra azy, satria amin’ny alalany no ampitan’Andriamanitra ny didiny sy ny toromariny amin’ny olona. Mbola nampahafantatra ny Tenin’Andriamanitra foana i Jesosy, nandritra ny fanompoany teto an-tany sy tamin’izy efa tafaverina tany an-danitra.—Jaona 7:16; Apokalypsy 1:1.

 Ny hoe “tany am-piandohana” dia manondro ny fotoana nanombohan’Andriamanitra namorona an’izao rehetra izao sy namorona ny Teny. Niara-niasa tamin’ilay atao hoe ny Teny Andriamanitra avy eo mba hamoronana ny zavatra hafa rehetra. (Jaona 1:2, 3) Milaza ny Baiboly hoe “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” i Jesosy ary “izy no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra.”—Kolosianina 1:15, 16.

 Ilay hoe “ny Teny dia andriamanitra”, dia midika fa nahery sady nanana toetra hafa nitovy tamin’ny an’Andriamanitra i Jesosy, talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany. Mety tsara mba hamaritana an’i Jesosy izany satria Mpitondra Tenin’Andriamanitra izy, sady Zanak’Andriamanitra lahimatoa, ary tamin’ny alalany no namoronan’Andriamanitra ny zavatra hafa rehetra.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Jaona 1:1?

 Mitantara ny fiainan’i Jesosy teto an-tany sy ny fanompoany ny bokin’i Jaona. Resahina ao amin’ny andininy voalohandohany ao amin’ny toko voalohany hoe efa nisy tany an-danitra i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy, sady nanana fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra. Hazavaina ao koa hoe manana anjara asa lehibe eo amin’ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny olona izy. (Jaona 1:1-18) Manampy antsika hahazo tsara ny zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony nandritra ny fanompoany teto an-tany ireo tsipiriany ireo.—Jaona 3:16; 6:38; 12:49, 50; 14:28; 17:5.

Hevi-diso momba ny Jaona 1:1

 Hevi-diso: Tokony ho hoatr’izao ny fomba andikana an’ilay fehezanteny farany ao amin’ny Jaona 1:1: “Ny Teny dia Andriamanitra.”

 Ny marina: Na dia be dia be aza ny mpandika Baiboly nandika an’io andininy io hoatr’izany, dia misy mpandika Baiboly hafa mahita hoe tsy tokony ho hoatr’izao ilay izy. Miverina indroa ao amin’ny Jaona 1:1 ilay hoe “Andriamanitra” (Grika: Teôs), ary rehefa jerena ny soratra tany am-boalohany, dia tsy mitovy ny fitsipi-pitenenana eo amin’izy roa. Misy mpanoritra eo alohan’ilay “Andriamanitra” miseho voalohany, fa tsy misy kosa eo amin’ilay faharoa. Betsaka ny manam-pahaizana milaza hoe misy dikany be matoa tsy misy mpanoritra eo anoloan’ilay teôs faharoa. Izao, ohatra, no fanazavan’ny The Translator’s New Testament momba an’izany: “Mpamari-toetra na milaza toetra fotsiny ilay Teôs (Andriamanitra) faharoa, ka azo adika hoe ‘Ny Teny dia andriamanitra.’” a Mitovy hevitra amin’izany koa ny manam-pahaizana sasany b sy ny mpandika Baiboly sasany.

 Hevi-diso: Mampianatra antsika io andininy io hoe Andriamanitra Mahery Indrindra ny Teny

 Ny marina: Hita amin’ilay hoe “ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra” fa olona roa samy hafa no resahina eo amin’ilay andininy. Tsy mitombina raha hoe sady Andriamanitra Mahery Indrindra ny Teny, no “niaraka amin’Andriamanitra.” Rehefa jerena koa ny teny manodidina, dia voamarina fa tsy Andriamanitra Mahery Indrindra ny Teny. Milaza mantsy ny Jaona 1:18 hoe: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” Nisy nahita anefa ny Teny, na i Jesosy, satria milaza ny Jaona 1:14 hoe: “Tonga nofo àry ny Teny, ary nonina teo amintsika, ary hitanay ny voninahiny.”

 Hevi-diso: Efa nisy hatramin’izay ny Teny.

 Ny marina: Tsy midika hoe ny ‘fiandohan’Andriamanitra’ akory ilay hoe “tany am-piandohana” resahina eo amin’ilay andininy, satria tsy nanam-piandohana Andriamanitra. Efa Andriamanitra “hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay” mantsy i Jehovah. c (Salamo 90:1, 2) Tsy hoatr’izany kosa anefa ny Teny, na i Jesosy, satria nanam-piandohana. Izy no “fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.”—Apokalypsy 3:14.

 Hevi-diso: Raha antsoina hoe “andriamanitra” ny Teny, dia lasa mampianatra ny olona hivavaka amin’ny andriamanitra maro izany.

 Ny marina: Matetika no mitovy ny dikan’ny teny grika hoe “Andriamanitra” na “andriamanitra” (teôs) sy ny teny hebreo hoe el sy elôhim ao amin’ny Testamenta Taloha. Azo adika hoe “Ilay Mahery na Ilay Matanjaka” ireo teny hebreo ireo, ary ampiasaina indraindray mba hilazana an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, andriamanitra hafa, na olombelona mihitsy aza. (Salamo 82:6; Jaona 10:34) Ny Teny no nampiasain’Andriamanitra tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra, dia tena mety raha lazaina hoe mahery izy. (Jaona 1:3) Mety koa ny iantsoana ny Teny hoe “andriamanitra” satria mifanaraka tsara amin’ny faminaniana ao amin’ny Isaia 9:6 izany. Resahina ao mantsy fa hatao hoe “Andriamanitra Mahery” (Hebreo: ʼEl Gibbôhr) ilay nofidin’Andriamanitra, izany hoe ny Mesia na Kristy, fa tsy hoe “Andriamanitra Mahery Indrindra” (ʼEl Shaddai, araka ny hita ao amin’ny Genesisy 17:1; 35:11; Eksodosy 6:3; Ezekiela 10:5).

 Tsy mampianatra ny olona hivavaka amin’ny andriamanitra maro ny Baiboly. Nilaza i Jesosy Kristy hoe: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” (Matio 4:10) Hoy koa ny Baiboly hoe: “Fa na misy aza ireo antsoina hoe ‘andriamanitra’, na any an-danitra na eto an-tany, toy ny isian’ny ‘andriamanitra’ maro sy ‘tompo’ maro, dia tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ihany amintsika, dia ny Ray, izay niavian’ny zava-drehetra, ary ho azy isika. Ary tokana ihany ny Tompo, dia i Jesosy Kristy. Tamin’ny alalany no nanaovana ny zava-drehetra sady nanaovana antsika koa.”—1 Korintianina 8:5, 6.

a The Translator’s New Testament, pejy 451.

b Nilaza ilay manam-pahaizana atao hoe Jason BeDuhn hoe satria tsy misy mpanoritra voafaritra eo alohan’ilay hoe “Andriamanitra” miseho faharoa, dia “samy hafa” ny dikan’izy roa ireo, “hoatran’ny maha samy hafa ny hoe ‘andriamanitra iray’ sy ny hoe ‘Andriamanitra.’” Hoy ihany i BeDuhn: “Tsy ilay Andriamanitra tokana ilay antsoina hoe ny Teny ao amin’ny Jaona 1:1, fa andriamanitra kosa izy, na hoe manana toetra mitovy amin’ny an’Andriamanitra.”—Truth in Translation: Accuracy and Bias in English Translations of the New Testament, pejy 115, 122, ary 123.

c Jehovah no anaran’Andriamanitra.—Salamo 83:18.