Hijery ny anatiny

Oviana Andriamanitra no Nanomboka Namorona An’izao Rehetra Izao?

Oviana Andriamanitra no Nanomboka Namorona An’izao Rehetra Izao?

Valiny ara-baiboly

 Tsy lazain’ny Baiboly hoe oviana Andriamanitra no nanomboka namorona an’izao rehetra izao, na hoe nandritra ny hafiriana izy no namorona. Izao fotsiny no lazainy: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Genesisy 1:1) Tsy lazain’ny Baiboly hoe oviana io ‘fiandohana’ io. Rehefa jerena anefa ny filaharan’ireo zava-nitranga resahin’ny Genesisy, dia hita fa talohan’ireo fe-potoana na “andro” famoronana enina io fiandohana io.

 Andro maharitra 24 ora ara-bakiteny ve ireo andro famoronana enina?

 Tsia. Ny teny hoe “andro” ao amin’ny Baiboly dia mety hanondro fe-potoana samihafa, arakaraka ny teny manodidina. Lazainy ao, ohatra, hoe andro iray ny fe-potoana rehetra namoronana an’izao rehetra izao.—Genesisy 2:4.

 Inona no nitranga nandritra ireo andro enina?

 Novan’Andriamanitra ilay tany ‘tsy nisy endriny sady tsy nisy na inona na inona’, dia nataony planeta azo onenana. (Genesisy 1:2) Nasiany zavamananaina avy eo teo amboniny. Tantarain’ny Baiboly, aorian’izay, ny zavatra enina nitranga nandritra an’ireo andro na fe-potoana famoronana:

  •  Andro 1: Nataon’Andriamanitra nahatratra ny tany ny hazavana, ka lasa nisy ny andro sy ny alina.—Genesisy 1:3-5.

  •  Andro 2: Namorona ny habakabaka Andriamanitra, ary io no nampisaraka ny rano ambonin’ny tany sy ny rano ambonin’ilay habakabaka.—Genesisy 1:6-8.

  •  Andro 3: Nataon’Andriamanitra niseho ny tany maina. Namorona ny zavamaniry koa izy.—Genesisy 1:9-13.

  •  Andro 4: Nataon’Andriamanitra hita tsara avy etỳ ambonin’ny tany ny masoandro sy ny volana ary ny kintana.—Genesisy 1:14-19.

  •  Andro 5: Namorona ny zavamananaina any anaty rano sy ny biby manidina Andriamanitra.—Genesisy 1:20-23.

  •  Andro 6: Namorona ny biby an-tanety sy ny olona Andriamanitra.—Genesisy 1:24-31.

 Rehefa tapitra ny andro fahenina, dia niala sasatra tamin’ny asany Andriamanitra, izany hoe tsy namorona intsony.—Genesisy 2:1, 2.

 Marina ve ny fitantaran’ny Genesisy raha ampitahaina amin’izay lazain’ny siansa?

 Tsy natao handalinana ny siansa akory ny fitantaran’ny Baiboly momba ny famoronana an’izao rehetra izao. Mora azo kosa ny zavatra lazainy momba ny zava-nitranga nandritra ny famoronana, ka na ny olona tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly aza tonga dia nahazo hoe inona avy no nitranga. Tsy mifanohitra amin’ny siansa ny tantara momba ny famoronana. Izao no nosoratan’ilay mpahay siansa atao hoe Robert Jastrow: “Tsy mitovy ny tsipiriany hitan’ny astronomia sy ny fitantaran’ny Genesisy, fa mitovy kosa ny hevitra lehibe asongadiny, dia ny hoe talohan’ny nisian’ny olombelona dia nisy zavatra maromaro nifampitohy nitranga tampoka tamin’ny fotoana voafaritra tsara.”

 Oviana no noforonina ny masoandro sy ny volana ary ny kintana?

 Anisan’ilay hoe “lanitra” noforonina “tany am-piandohana” ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. (Genesisy 1:1) Tsy tonga tetỳ an-tany anefa ny hazavan’izy ireo, satria mbola natevina be ny habakabaka. (Genesisy 1:2) Marina fa nisy hazavana kely ihany hita tamin’ny andro voalohany, nefa mbola tsy fantatra tsara hoe avy aiza ilay hazavana. Toa tamin’ny andro fahefatra no nisava ilay habakabaka. Lazain’ny Baiboly fa tamin’izay ny masoandro sy ny volana ary ny kintana no nanomboka ‘nanazava ny tany’, izany hoe nanomboka tazana avy tetỳ an-tany ny hazavan’izy ireo.—Genesisy 1:17.

 Firy taona ny tany, raha ny Baiboly no jerena?

 Tsy miresaka momba ny taonan’ny tany ny Baiboly. Milaza fotsiny ny Genesisy 1:1 fa nanam-piandohana izao rehetra izao, anisan’izany ny tany. Tsy mifanohitra amin’ny siansa mihitsy izany, ary tsy mifanohitra amin’izay mety ho taonan’ny tany tombanan’ny mpahay siansa.