Hijery ny anatiny

Inona Ilay Bibidia Manana Loha Fito ao Amin’ny Apokalypsy Toko Faha-13?

Inona Ilay Bibidia Manana Loha Fito ao Amin’ny Apokalypsy Toko Faha-13?

Valiny ara-baiboly

 Ilay bibidia resahin’ny Apokalypsy 13:1 dia ireo fitondrana ara-politika rehetra eran-tany.

  •   Fitondrana ara-politika izy io, satria manana hery sy fahefana ary seza fiandrianana.—Apokalypsy 13:2.

  •   Tsy fitondram-panjakana ao amin’ny firenena iray monja izy io, satria manjaka amin’ny “foko sy vahoaka sy olona samy hafa fiteny ary firenena rehetra.”—Apokalypsy 13:7.

  •   Misy itovizana amin’ireo bibidia efatra resahin’ny faminaniana ao amin’ny Daniela 7:2-8 izy io. Toy ny an’ny leopara ny paoziny, toy ny an’ny orsa ny tongony, toy ny an’ny liona ny vavany, ary manana tandroka folo izy. Mpanjaka na fitondrana mifandimby mitondra fanjakana maromaro ireo bibidia resahin’ny faminanian’i Daniela. (Daniela 7:17, 23) Fitondrana ara-politika maromaro mitambatra àry ilay bibidia resahin’ny Apokalypsy toko faha-13.

  •   Miakatra ‘avy ao amin’ny ranomasina’, izany hoe avy amin’ireo vahoaka tia mikorontana, ilay bibidia. Avy amin’ireny vahoaka ireny mantsy ny fitondram-panjakana.—Apokalypsy 13:1; Isaia 17:12, 13.

  •   Milaza ny Baiboly fa “isa nataon’olombelona” ny 666, izay isa manondro an’ilay bibidia. (Apokalypsy 13:17, 18) Midika izany fa misy ifandraisany amin’ny olombelona ilay bibidia resahin’ny Apokalypsy toko faha-13, fa tsy anjely na demonia.

 Mety ho maro ny zavatra tsy hampifanara-kevitra an’ireo firenena. Misy zavatra iraisan’izy ireo anefa: Tapa-kevitra hihazona ny fahefany izy ireo fa tsy manaiky ny fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Salamo 2:2) Hiray hina hiady amin’ny tafik’Andriamanitra tarihin’i Jesosy Kristy ireo firenena ao Hara-magedona, nefa ho ringana.—Apokalypsy 16:14, 16; 19:19, 20.

“Tandroka folo sy loha fito”

 Misy heviny an’ohatra ny isa sasany ao amin’ny Baiboly. Manondro zavatra feno tsara, ohatra, ny folo sy fito. Manondro inona àry ilay “tandroka folo sy loha fito” amin’ilay bibidia resahin’ny Apokalypsy toko faha-13? Manampy antsika hahalala an’izany izay voaresaka momba ny “sarin’ny bibidia”, izay tsy inona fa bibidia iray mena midorehitra manana loha fito sy tandroka folo. (Apokalypsy 13:1, 14, 15; 17:3) Milaza ny Baiboly fa “mpanjaka fito”, na fitondram-panjakana fito, ny loha fiton’io bibidia mena midorehitra io.—Apokalypsy 17:9, 10.

 Manondro fitondram-panjakana fito àry ny loha fiton’ilay bibidia resahin’ny Apokalypsy 13:1. Izy ireo no firenena matanjaka indrindra eo amin’ny tantara, sady tena mampijaly ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy iza izany fa i Ejipta, Asyria, Babylona, Media-Persa, Gresy, Roma, ary ny Firenena Anglisy-Amerikanina. Ireo tandroka folo koa dia manondro ny fitondram-panjakana rehetra eran-tany, na kely izany na lehibe. Ny fisian’ireo diadema eo ambonin’ireo tandroka folo àry, dia midika fa misy firenena hafa mitondra foana amin’ny fotoana itondran’ny tsirairay amin’ireo firenena matanjaka indrindra.