Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fikarakarana Ray Aman-dreny Be Taona?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fikarakarana Ray Aman-dreny Be Taona?

Valiny ara-baiboly

 Tokony hataon’ny zanaka azo antoka hoe voakarakara tsara foana ny ray aman-dreniny be taona. Milaza ny Baiboly fa tokony “hianatra hanaja ny fianakaviany” ny zanaka efa lehibe, “ka hamaly babena ny ray aman-dreniny, fa izany no sitrak’Andriamanitra.” (1 Timoty 5:4, Fandikan-teny Katolika) Mandidy koa ny Baiboly hoe tokony hanaja ray aman-dreny ny zanaka, na dia efa lehibe aza. Mankatò an’io didy io izy ireo rehefa ataony azo antoka hoe voakarakara tsara ny ray aman-dreniny be taona.—Efesianina 6:2, 3.

 Tsy misy toromarika mazava ao amin’ny Baiboly hoe ahoana no tokony hikarakarana ny ray aman-dreny be taona. Tantaraina ao anefa hoe nisy mpanompon’Andriamanitra efa nanao an’izany taloha. Misy torohevitra afaka manampy an’izay mikarakara be taona koa ao.

 Ahoana no nikarakaran’ny olona sasany ao amin’ny Baiboly ny ray aman-dreniny be taona?

 Samy nanana ny fomba nanaovany an’izany izy ireo, arakaraka ny toe-javatra nisy azy.

  •   Josefa: Nipetraka lavitra an’i Jakoba rainy efa be taona izy. Nasainy nifindra trano akaiky kokoa azy i Jakoba, rehefa afaka nanao an’izany izy. Niantoka ny tranony sy ny sakafony i Josefa avy eo, ary niaro azy.—Genesisy 45:9-11; 47:11, 12.

  •   Rota: Nifindra tany amin’ny tanindrazan’ny rafozambaviny izy, dia niasa mafy mba hikarakarana azy.—Rota 1:16; 2:2, 17, 18, 23.

  •   Jesosy: Nanendry olona iray hikarakara an’i Maria reniny izy, taloha kelin’ny nahafatesany. Azo inoana fa efa maty vady i Maria tamin’izay.—Jaona 19:26, 27. a

 Inona avy ny torohevitra ao amin’ny Baiboly afaka manampy an’izay mikarakara be taona?

 Mandreraka sy mahakivy ny mikarakara be taona, indraindray, fa misy toro lalana afaka manampy mba hiatrehana an’izany ao amin’ny Baiboly.

  •   Hajao ny ray aman-dreninao.

     Izay lazain’ny Baiboly: “Hajao ny rainao sy ny reninao.”—Eksodosy 20:12.

     Ahoana no azo ampiharana an’io toro lalana io? Hajao ny ray aman-dreninao ka avelao hahaleo tena araka izay tiany. Avelao izy ireo hanapa-kevitra momba ny fikarakarana azy, raha mbola azo tanterahina izany. Asehoy koa anefa hoe manaja azy ireo ianao ka manao an’izay vitanao mba hanampiana azy ireo.

  •   Miezaha hahatakatra ny fihetseham-pony sy hamela heloka.

     Izay lazain’ny Baiboly: “Mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina, ary voninahitra ho azy ny mamela fahadisoana.”—Ohabolana 19:11.

     Ahoana no azo ampiharana an’io toro lalana io? Raha miteny zavatra mampalahelo anao izy, na hoatran’ny hoe tsy mba mankasitraka an’izay ataonao, dia diniho hoe: ‘Raha izaho izao no teo amin’ny toerany, izany hoe betsaka ny zavatra tsy vitako intsony sy ny zavatra mampiady saina ahy, dia mba ahoana no ho tsapako?’ Miezaha hahatakatra ny fihetseham-pony sy hamela heloka. Tsy hitatra ilay olana amin’izay.

  •   Mangataha torohevitra.

     Izay lazain’ny Baiboly: “Tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana, fa tanteraka kosa izany raha maro ny mpanolo-tsaina.”—Ohabolana 15:22.

     Ahoana no azo ampiharana an’io toro lalana io? Manaova fikarohana momba ny aretin’ny ray aman-dreninao, dia jereo hoe ahoana no fomba azo ikarakarana azy. Jereo koa sao dia misy fikambanana afaka manampy anao hikarakara tsara azy ireo. Miresaha amin’ny olona efa nikarakara ray aman-dreny be taona. Mivoria miaraka amin’ny iray tam-po aminao. Iaraho midinika hoe inona avy no ilain’ny ray aman-dreninareo, ahoana no ikarakarana an’izany, ary ahoana no ifampizarana ny andraikitra.

    Iaraho midinika amin’ny fianakaviana hoe ahoana no ikarakarana ny ray aman-dreny be taona

  •   Miezaha hanetry tena.

     Izay lazain’ny Baiboly: “Izay manetry tena ... no hendry.”—Ohabolana 11:2.

     Ahoana no azo ampiharana an’io toro lalana io? Ekeo hoe voafetra ny zavatra azonao atao. Voafetra, ohatra, ny fotoananao sy ny herinao, dia mety tsy ho araka ny nieritreretanao azy ny zavatra vitanao mba hanampiana ny ray aman-dreninao. Raha hitanao hoe reraka loatra ianao, dia mangataha fanampiana amin’ny mpianakavinao hafa, na amin’olona efa zatra mikarakara be taona.

  •   Aza hadino ny mikarakara an’izay ilainao.

     Izay lazain’ny Baiboly: “Tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa sy maneho fitiavana azy.”—Efesianina 5:29.

     Ahoana no azo ampiharana an’io toro lalana io? Na dia hoe tsy maintsy mikarakara ny ray aman-dreninao be taona aza ianao, dia tsy maintsy mikarakara an’izay ilainao koa. Raha manambady ianao, dia tsy maintsy manome izay ilain’ny ankohonanao koa. Mila misakafo tsara sy maka aina tsara, ohatra, ianao, sady tokony ho ampy torimaso. (Mpitoriteny 4:6) Raha mety, dia mialà sasatra kely mihitsy aloha indraindray. Hahavita hikarakara tsara kokoa ny ray aman-dreninao ianao amin’izay.

 Milaza ve ny Baiboly hoe tsy maintsy any an-trano no karakaraina ny ray aman-dreny be taona?

 Tsy misy toromarika voafaritra ao amin’ny Baiboly hoe tsy maintsy karakarain’ny zanaka any an-tranony ny ray aman-dreniny. Aleon’ny fianakaviana sasany mikarakara ny ray aman-dreniny ao an-trano, raha mbola azo atao. Rehefa mandeha anefa ny fotoana dia mety hahatsapa izy ireo hoe ho voakarakara tsara kokoa ny ray aman-dreniny raha any amin’ny trano fitaizana be antitra. Tsara raha mivory ny fianakaviana, dia miara-manapa-kevitra hoe inona no tena mety amin’ny rehetra.—Galatianina 6:4, 5.

a Izao no nolazain’ny boky iray momba an’io tantara io: “Mety ho efa maty efa ela i Josefa [vadin’i Maria] dia i Jesosy zanany no nikarakara an’i Maria. Efa ho faty anefa i Jesosy izao, dia iza indray no hikarakara an’i Maria? ... Nampianatra i Kristy eto hoe tokony hikarakara tsara ny ray aman-dreniny be taona ny zanaka efa lehibe.”—The NIV Matthew Henry Commentary in One Volume, pejy 428-429.