Hijery ny anatiny

Ahoana no Hampisy Fiadanana etỳ An-tany?

Ahoana no Hampisy Fiadanana etỳ An-tany?

Valiny ara-baiboly

 Tsy ny olombelona no hampisy fiadanana eto an-tany fa ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe ilay fanjakana any an-danitra entin’i Kristy Jesosy. Mariho izay ampianarin’ny Baiboly antsika momba an’izany.

  1.   ‘Hampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany’ Andriamanitra, ka ho tanteraka ilay fampanantenany hoe hisy “fiadanana etỳ ambonin’ny tany eo amin’ny olona ankasitrahany.”—Salamo 46:9; Lioka 2:14.

  2.   Hanjaka amin’ny tany manontolo ny Fanjakan’Andriamanitra, avy any an-danitra. (Daniela 7:14) Ny tany manontolo no hanjakany ka tsy hisy intsony ny fanindrahindram-pirenena, izay tena mahatonga ady maro.

  3.   Antsoina hoe “Andrianan’ny Fiadanana” i Jesosy, ilay Mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ataony azo antoka fa ‘tsy hisy farany ny fiadanana.’—Isaia 9:6, 7.

  4.   Tsy havela ho anisan’ny vahoakan’io Fanjakana io izay olona tapa-kevitra ny hiady, satria “tena [halan’Andriamanitra] ny olona tia herisetra.”—Salamo 11:5; Ohabolana 2:22.

  5.   Ampianarin’Andriamanitra hihavana ny olom-peheziny. Izao no lazain’ny Baiboly, momba ny ho vokatr’izany: “Hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Tsy hanainga sabatra hifamely ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony.”—Isaia 2:3, 4.

 Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany eran-tany no efa ampianarin’Andriamanitra hihavana. (Matio 5:9) Na avy amin’ny firenena samihafa aza izahay sady mipetraka any amin’ny tany 230 mahery, dia tsy manaiky handray fitaovam-piadiana.

Izao dia efa mianatra mihavana ny Vavolombelon’i Jehovah