Hijery ny anatiny

Mety ve ny Manao Firaisana mba Hahazoana Fahafinaretana?

Mety ve ny Manao Firaisana mba Hahazoana Fahafinaretana?

Valiny ara-baiboly

 Tsy raran’ny Baiboly ny manao firaisana mba hahazoana fahafinaretana. Lazainy kosa fa fanomezana avy amin’Andriamanitra izany ary nataony ho an’ny mpivady. “Lahy sy vavy” no namoronan’Andriamanitra ny olombelona ary hitany fa “tena tsara” izany. (Genesisy 1:27, 31) Nakambany ho mpivady ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany ary nilazany fa tokony “ho nofo iray ihany izy ireo.” (Genesisy 2:24) Midika izany fa hanao firaisana izy ireo mba hahazoana fahafinaretana, nefa koa hifandray am-po.

 Hoy ny Baiboly momba ny fahafinaretana azon’ny lehilahy manambady: “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao ... Aoka ny nonony hahatonga anao ho mamon’ny fahafinaretana foana. Aoka ho safononoky ny fahafinaretana mandrakariva ianao noho ny fitiavany.” (Ohabolana 5:18, 19) Nataon’Andriamanitra hankafy firaisana koa ny vehivavy. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny lehilahy hanao ny adidiny amin’ny vadiny, ary ny vehivavy koa mba hanao toy izany.”—1 Korintianina 7:3.

Misy fetrany anefa ilay izy

 Ny mpivady ihany no tian’Andriamanitra hanao firaisana, satria hoy ny Hebreo 13:4: “Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady, fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.” Tsy tokony hivadika amin’ny vadiny ny mpivady, ary tokony hanaja ny voadim-panambadiany. Tena ho sambatra izy ireo raha tsy tia tena fa mampihatra an’ilay toro lalan’ny Baiboly hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.