Hijery ny anatiny

Iza no Vadin’i Kaina?

Iza no Vadin’i Kaina?

Valiny ara-baiboly

 Nanambady ny iray tamin’ny anabaviny na vehivavy hafa havany akaiky i Kaina, ilay lahimatoan’ny mpivady olombelona voalohany. Mety ho izany no izy rehefa jerena ny zavatra resahin’ny Baiboly momba an’i Kaina sy ny fianakaviany.

Mombamomba an’i Kaina sy ny fianakaviany

  •   Taranak’i Adama sy Eva ny olombelona rehetra. “Avy tamin’ny olona anankiray [Adama] no nanaovany [Andriamanitra] ny olona any amin’ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany manontolo.” (Asan’ny Apostoly 17:26) Lasa “renin’ny olombelona rehetra” i Eva vadin’i Adama. (Genesisy 3:20) Taranak’i Adama sy Eva àry no vadin’i Kaina.

  •   I Kaina sy Abela rahalahiny no voalohany tamin’ireo zanak’i Eva. (Genesisy 4:1, 2) Rehefa noroahina i Kaina satria namono ny rahalahiny, dia nitaraina izy hoe: “ Tena hamono ahy ho faty tokoa izay mahita ahy.” (Genesisy 4:14) Iza no natahoran’i Kaina? Milaza ny Baiboly fa “niteraka zazalahy sy zazavavy” i Adama. (Genesisy 5:4) Natahoran’i Kaina hamono azy àry ireo taranak’i Adama sy Eva ireo.

  •   Fanaon’ny olona fahiny ny hoe manambady havana. Nanambady ny anabaviny hafa reny taminy, ohatra, ilay lehilahy nanam-pinoana atao hoe Abrahama. (Genesisy 20:12) Ny Lalàn’i Mosesy no nandrara voalohany an’izany fanao izany, taonjato maro taorian’ny andron’i Kaina. (Levitikosy 18:9, 12, 13) Mety ho tsy dia mora sampona hoatran’ny amin’izao ny zanaky ny mpivady mpihavana akaiky tamin’izany fotoana izany.

  •   Resahin’ny Baiboly fa tena nisy i Adama sy Eva ary ny fianakaviany. Hita ao amin’ny bokin’ny Genesisy, izay nosoratan’i Mosesy, ny tetirazana manomboka amin’i Adama. Hita ao amin’ny boky nosoratan’i Ezra sy Lioka mpahay tantara koa izy io. (Genesisy 5:3-5; 1 Tantara 1:1-4; Lioka 3:38) Resahin’ny mpanoratra ny Baiboly fa tena nisy i Kaina.—Hebreo 11:4; 1 Jaona 3:12; Joda 11.