Hijery ny anatiny

Namorona ny Devoly ve Andriamanitra?

Namorona ny Devoly ve Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

 Asehon’ny Baiboly fa tsy namorona ny Devoly Andriamanitra. Ilay anjely lasa Devoly kosa no noforoniny. Hoy ny Baiboly momba an’Andriamanitra: “Tonga lafatra izay [ataony], fa ara-drariny daholo ny lalany. Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny. Marina sy mahitsy izy.” (Deoteronomia 32:3-5) Hitantsika avy amin’izany fa tonga lafatra sy marina i Satana Devoly taloha, izany hoe anisan’ny zanak’Andriamanitra.

 Nilaza i Jesosy ao amin’ny Jaona 8:44 fa “tsy nifikitra tamin’ny marina” ny Devoly. Midika izany fa nanao ny marina sy tsy nisy tsiny i Satana, tamin’ny voalohany.

 Toy ny zavaboary manan-tsaina rehetra noforonin’i Jehovah ihany anefa ilay anjely lasa Satana, ka afaka nifidy ny hanao ny tsara na hanao ny ratsy. Nifidy ny hanohitra an’Andriamanitra sy hitaona ny mpivady voalohany hanaraka azy izy. Izy ihany àry no nanao ny tenany ho Satana, izay midika hoe “Mpanohitra.”—Genesisy 3:1-5; Apokalypsy 12:9.