Hijery ny anatiny

Albert Wright/iStock via Getty Images

NISY NAMORONA VE?

Ny Akanin’ny Vorona Léipoa

Ny Akanin’ny Vorona Léipoa

 Misy vorona antsoina hoe léipoa ocellé any amin’ny faritra atsimon’i Aostralia. Ataon’io vorona io izay hahatonga ny mari-pana ao amin’ny akaniny ho 34 degre eo ho eo foana mandavantaona, na andro na alina. Ahoana no anaovany an’izany?

 Mandavaka any ambanin’ny tany io vorona io isaky ny ririnina mba hanaovana ny akaniny. Iray metatra eo ho eo ny halalin’ilay lavaka, dia telo metatra eo ho eo ny habeny. Fenoin’ny vorona lahy bozaka sy ravin-kazo ary zavamaniry hafa io lavaka io. Misy orana faramparany rehefa ririnina, dia rehefa mandon’iny orana iny ilay zavamaniry ao amin’ilay lavaka, dia manao lavaka vaovao ao ihany ilay vorona lahy mba hanatodizan’ilay vorona vavy. Saronany tany feno fasika ilay akany manontolo avy eo. Lo ireo zavamaniry ireo aoriana kelin’izay, dia mihamafana, dia lasa mafana ilay akany.

Mba ho foy ny atodiny (A), dia mampiasa ny hafanana sy ny hatsiaka avoakan’ny zavamaniry lo (B) ny vorona léipoa. Anesorany na ampiany koa ny tany manarona ny akaniny (D), dia amin’izay voatazona ho 34 degre eo ho eo foana ny mari-pana hikotrehana ny atodiny, mandritra ny volana maro. Ny hohony no ampiasainy mba handavahana sy hitaterana tany be dia be (E)

 Isaky ny handeha hanatody ilay vorona vavy, dia esorin’ilay lahy ny tany manarona an’ilay akany. Rehefa avy manatody ao amin’ilay lavaka fanatodizana ilay vorona vavy, dia tonga dia totofan’ilay lahy tany indray ilay akany. Mety hahatratra 35 ny atodin’ilay vorona vavy, manomboka ny volana Septambra ka hatramin’ny Febroary. a

 Alentik’ireo vorona ireo matetika any anaty fasika ny vavany mba hamantarana ny mari-pana. Misy zavatra amboariny ao amin’ilay akany avy eo, arakaraka ny vanin-taona. Ireto misy ohatra:

  •   Miteraka hafanana be ao amin’ilay akany ilay zavamaniry lo, rehefa lohataona. Kikisan’ilay vorona lahy hiala àry ny tany eo ambonin’ilay lavaka fanatodizana mba hamoahana ny hafanana ao anatiny ao. Totofany tany mangatsiatsiaka ilay akany avy eo.

  •   Ampian’ilay vorona lahy ny tany eo an-tampon’ilay akany rehefa fahavaratra, mba hiarovana ny atody amin’ny masoandro. Kikisany hiala anefa iny tany iny isaky ny vao maraina, dia soloany indray rehefa mangatsiatsiaka ilay akany sy ny fasika.

  •   Lo tanteraka ilay zavamaniry rehefa fararano, dia tsy mamoaka hafanana intsony. Esorin’ilay vorona lahy àry ny ankamaroan’ilay tany manarona an’ilay akany, amin’izay danihin’ny masoandro ny atody sy ilay tany naparitany, dia mafana. Averiny eo ambonin’ilay akany iny tany mafana iny avy eo, dia lasa mafana ny atody amin’ny alina.

 Adiny dimy mahery eo ho eo isan’andro no lanin’ny vorona lahy hitaterana tany, dia tany iray kilao latsaka kely eo ho eo no tateriny amin’izany. Anesorany ilay tany eo ambonin’ilay akany dia avy eo averiny indray, dia hoatr’izay foana. Lasa malemy foana ilay tany noho izany, dia mora amin’ny vorona kely ny mivoaka avy ao amin’ilay akany rehefa foy ry zareo.

 Jereo ny ikikisan’ireto vorona léipoa ireto tany avy eo amin’ny akaniny

 Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny fahaizan’ny vorona léipoa mifehy ny mari-pana ao amin’ny akaniny, sa nisy namorona?

a Afaka fito na valo volana eo ho eo vao foy ny atody, dia tsy maintsy tohiziny hatramin’ny volana Aprily ny asany ao amin’ilay akany