Hijery ny anatiny

NISY NAMORONA VE?

Ny Nifin’ny Patelle

Ny Nifin’ny Patelle

 Karazana sifotra any anaty rano ny patelle ary somary matsoko ny akorany. Hafakely ny nifiny satria mafy be. Fibra manify be dia be mifanety kely, vita amin’ny mineraly mafy be ny nifiny. Proteinina malefaka kokoa no fonony.

 Diniho izao: Mitovy amin’ny lela ny taova fisakafoan’ny patelle, ary feno nify madinika mifaingoka sy milahatra ilay izy. Latsaka ny 1 milimetatra ny nify tsirairay, ary toy ny asan’ny fitaovana fikikisana karaoty no asan’ireo nify ireo. Tsy maintsy faran’izay mafy sy matanjaka ny nifiny mba hahavita hikaoka ahidrano eny amin’ny vato, rehefa hisakafo izy.

 Mampiasa mikraoskaopy avo lenta ny manam-pahaizana mba hahitana hoe hery hoatran’ny ahoana no farany zakan’ilay nifin’ny patelle. Hitan’izy ireo hoe io no mafy toto indrindra amin’ny zavatra nodinihin’izy ireo, ary mbola mafy noho ny landin-kala aza. Hoy ilay lehilahy nitarika an’ilay fikarohana: “Tokony hiezaka haka tahaka ny firafitry ny nifin’ny patelle isika rehefa mamorona zavatra.”

 Mihevitra ny manam-pahaizana hoe raha manamboatra fitaovana maka tahaka ny nifin’ny patelle izy ireo dia mety ho azony ampiasaina hanamboarana fiara na sambo na fiaramanidina na solonify mihitsy aza izany.

 Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny nifin’ny patelle, sa nisy namorona?