Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY

Fanontaniana Fametraky ny Olona: JW Library (iOS)

Fanontaniana Fametraky ny Olona: JW Library (iOS)

 

Mandeha amin’izay fitaovana misy ny iray amin’ireto rafitra fikirakirana (systèmes d’exploitation) ireto ny JW Library:

  • Android 7.0 na ny taorian’izay

  • iOS 15.0 na ny taorian’izay

  • macOS M1 na macOS misy puce nivoaka farany

  • Windows 10 version 1903 na ny taorian’izay

Tsy maintsy ampiakarina indraindray ny fepetra takina amin’ny fampiasana an’ilay programa, raha tiana handeha tsara ilay izy mba ho voaro sy ho azo antoka foana ny JW Library. Mampirisika anao àry izahay mba hanao fanavaozana (mise à jour) ny fitaovana ampiasainao, mba hahatonga azy hanana ny rafitra fikirakirana farany indrindra. Raha tsy azo havaozina intsony ny fitaovanao, dia mbola mety handeha ny JW Library fa tsy hahazo an’ireo fanavaozana farany indrindra.

 

Mitombo foana ny fiteny ampiasana ny JW Library. Tsindrio ilay sary kely hoe Fiteny mba hahitana ny lisitry ny fiteny ahafahanao maka boky iray.

Ireo loko ireo dia mifandray amin’ireo fizarana valo, izay hazavaina ao amin’ny Fanontaniana 19 amin’ny Teny Fampidirana ny Tenin’Andriamanitra.

 

Mitovy ihany ny fomba fiasan’ny JW Library amin’izay fitaovana ampiasainao, amin’ny ankapobeny. Mety tsy hitovy anefa ny fotoana hivoahan’ny fanavaozana ny zavatra ao, arakaraka ny OS ampiasainao.

 

Tsia. Ao amin’izay fitaovana nasianao azy ihany no ahitanao ny mari-pitadidiana sy izay nosoritanao.

 

Olana: Rehefa manavao ny JW Library ampiasainao ianao, dia mety hahita hafatra hoe very ny naoty nosoratanao sy izay nosoritanao. Tsy hitanao ao amin’ilay izy intsony ny naoty, ny marika, ny tahiry, ary ny mari-pitadidiana.

Vahaolana: Mety mila manavao ny JW Library ampiasainao indray ianao. Alaivo ny JW Library nivoaka farany, ary araho ireo toromarika mipoitra eo amin’ilay izy mba hamerenana ny naoty nosoratanao sy izay nosoritanao.

 

Mety ho afaka hanampy anao ny olona iray mahay tsara ny JW Library. Raha tsy izany dia antsoy ny biraon’ny sampana akaiky anao.