Hijery ny anatiny

Fifanekena

Fifanekena

Tonga soa!

Natao hanampiana anao hahalala bebe kokoa an’Andriamanitra sy ny Baiboly ary ny Vavolombelon’i Jehovah ity tranonkala ity. Vakio, jereo, ary alaivo izay mahaliana anao ato. Tianay handray soa amin’ity tranonkalanay ity koa ny olon-kafa, nefa aza averina alefa any amin’ny tranonkala hafa na any amin’ny programa hafa ny zavatra ato. Raha tianao haseho olon-kafa ny zavatra hitanao tato, dia asaivo mijery an’ity tranonkala ity izy ireo, mifanaraka amin’izay voalazan’ny Fifanekena eto ambany.

 Zon’ny Mpamorona

© 2024 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. All rights reserved.

Ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. (“Watchtower”) no mamokatra sy mikarakara an’ity tranonkala ity. Raha tsy misy filazana manokana, dia fizaka-manana ara-tsaina (propriété intellectuelle) an’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania (“Watch Tower”) daholo ny soratra sy fanazavana rehetra ato.

 Marika Famantarana

An’ny Adobe Systems Incorporated ny Adobe sy ny sary famantarana azy, ary ny Acrobat sy ny sary famantarana azy. An’ny Apple Inc. ny Apple, iTunes, ary ny iPod. An’ny Microsoft Inc. kosa ny Microsoft, sary famantarana ny Microsoft, ary ny anaran’ny programa sy zavatra hafa avoakany, ohatra hoe ny Microsoft Office sy Microsoft Office 365. An’ny Google LLC ny Android. Manova kely na mamerina mamoaka ny Android robot ny programa noforonin’ny Google sy zarainy, ary ampiasainy mifanaraka amin’ny fifanekena ao amin’ny Creative Commons 3.0 Attribution License (https://creativecommons.org/licenses/by/3.0/us/). Samy manana ny tompony koa ireo sary famantarana hafa.

 Fifanekena sy Fanomezan-dalana Hampiasa An’ity Tranonkala Ity

Ity fifanekena ity no mifehy an’izay mampiasa an’ity tranonkala ity. Matoa ianao mampiasa an’ity tranonkala ity dia manaiky an’izay rehetra voalaza ato sy izay Fifanekena Hafa (antsoina hoe “Fifanekena” ny fitambarany) ato amin’ity tranonkala ity. Tsy tokony hampiasa an’ity tranonkala ity ianao, raha tsy ekenao daholo izay voalaza ato na misy tsy ekenao.

Inona avy no azonao atao? Azonao atao ny:

  • Mijery, maka, na manao pirinty an’ireo sary, boky amin’ny endrika elektronika, mozika, soratra, na video an’ny Watch Tower ato amin’ity tranonkala ity, mba hampiasainao fa tsy hamidinao.

  • Mandefa rohy (’’liens’’) any amin’olon-kafa mba hahitany boky na video na raki-peo azo alaina ato amin’ity tranonkala ity, na mandefa an’ireo any amin’ilay olona.

Tsy azonao atao kosa ny:

  • Mametraka sary, boky amin’ny endrika elektronika, sary famantarana, mozika, video, na lahatsoratra avy ato amin’ity tranonkala ity ho ao amin’ny Internet (tranonkala hafa, toerana ao amin’ny Internet azo ifampizarana soratra na sary na video, na tranonkala fifaneraserana).

  • Manaparitaka sary, boky amin’ny endrika elektronika, sary famantarana, mozika, video, na soratra avy ato amin’ity tranonkala ity amin’ny alalan’ny programa hafa na miaraka amin’ny programa hafa (voafaoka amin’izany ny hoe mampiditra an’ireo voalaza ireo ao amin’ny serveur mba hampiasaina amin’ny programa iray).

  • Mandika, mamerina mamoaka, manaparitaka, na mampiasa ny sary, boky amin’ny endrika elektronika, sary famantarana, mozika, video, na soratra ato amin’ity tranonkala ity mba hamidy na hahazoam-bola (na dia tsy hakana tombony aza).

  • Mamorona programa, fitaovana, na teknika ahafahana maka sy mandika fanazavana, HTML, sary, na soratra ato amin’ity tranonkala ity, mba haparitaka. (Tsy voarara kosa ny manaparitaka programa natao hakana rakitra elektronika any amin’ny pejy ho an’ny besinimaro ato amin’ity tranonkala ity, raha maimaim-poana ilay programa fa tsy hamidy. Mety ho programa azo akana rakitra EPUB, PDF, MP3, ary MP4 izany.)

  • Mampiasa tsy araka ny tokony ho izy an’ity tranonkala ity na izay rehetra ato, anisan’izany ny hoe mampiasa fomba hafa, ankoatra an’izay efa atoro ato, mba hidirana ato na hanakantsakanana ny fidirana ato.

  • Mampiasa fomba manimba na mety hanimba an’ity tranonkala ity, na hanakantsakana ny fijeren’ny hafa na ny fidirany ato; na mampiasa an’ity tranonkala ity amin’ny fomba tsy ara-dalàna, amin-kafetsena, na amin’ny fomba mitera-pahavoazana ho an’ny hafa, na mampiasa azy ity mba hanaovan-javatra tsy ara-dalàna, hametsifetsena, na hitondrana fahavoazana ho an’ny hafa.

  • Mampiasa an’ity tranonkala ity na ny sary, boky amin’ny endrika elektronika, sary famantarana, mozika, video, na soratra ato mba hanaovana dokam-barotra na hivarotana entana.

  • Mampiasa Google Maps ity tranonkala ity. Mpiara-miasa aminay izy io nefa tsy miankina aminay ny fomba fiasany. Hihatra aminao ny Google Maps/Google Earth Additional Terms of Service, izany hoe ny fifanekena fanampiny momba ny fampiasana ny Google Maps sy Google Earth, raha mampiasa Google Maps ianao ato amin’ity tranonkala ity. Tsy mahazo fanavaozana mahakasika ny fifanekena momba ny fampiasana ny Google Maps izahay ka ampirisihinay ianao mba hamaky an’izany, alohan’ny hampiasanao azy. Aza mampiasa Google Maps raha tsy ekenao ireo fifanekena ireo. Raha misy fanazavana noraisin’ny Google Maps avy aminao, dia tsy alefany atỳ amin’ity tranonkala ity izany.

 Fizarana Momba ny Fitsaboana

Natao hampitana fanazavana fotsiny ilay fizarana momba ny fitsaboana. Tsy natao hanomezana torohevitra momba ny fitsaboana ilay izy ary tsy mahasolo torohevitra avy amin’ny mpitsabo, na fitiliana, na fitsaboana. Tsy ampirisihin’io fizarana io hanao fitsirihana manokana ny olona, na hanatona dokotera manokana, na hampiasa fanafody manokana, na hanaraka fomba fiasa manokana, na hanaiky hevitra manokana sy fanazavana hafa resahina ao.

Raha manana fanontaniana momba ny aretina iray na fomba fitsaboana iray ianao, dia anontanio foana aloha ny hevitry ny dokotera na ny olon-kafa manam-pahaizana momba ny fitsaboana.

Miezaka manome fanazavana marina sy nivoaka farany ity tranonkala ity, ao amin’ilay fizarana momba ny fitsaboana. “TSY NANAMPIANA, TSY NANALANA” anefa ny fanazavana hitanao ao, ka tsy manome antoka anao mihitsy izahay. Miala andraikitra amin’ny fanomezana antoka mivantana na an-kolaka mifandray amin’io fizarana io ity tranonkala ity, anisan’izany, ohatra, ny hoe misy filazana an-kolaka fa mahafeno fepetra hitadiavam-bola na mifanentana tsara amin’ny zavatra iray ny fanafody na fitsaboana manokana iray. Tsy manome antoka ity tranonkala ity hoe azo ianteherana ny fanazavana ao amin’io fizarana momba ny fitsaboana io, marina tsara, tsy lany andro, tsy mampidi-doza, ary feno tsara. Tsy miantoka ity tranonkala ity ary tsy tompon’andraikitra raha diso na tsy ampy ny zavatra ao amin’io fizarana io. Ianao ihany no tompon’andraikitra amin’izay mihatra aminao raha miantehitra amin’ny fanazavana ao amin’io fizarana io ianao. Tsy tompon’andraikitra mihitsy ity tranonkala ity raha misy fitarainana na fahavoazana (tafiditra amin’izany ny fahavoazana tampoka na fanahy iniana, ratra/fahafatesana tsy nahy, fatiantoka, na fahavoazana vokatry ny fanazavana very na asa tsy mandeha) vokatry ny fampiasana na tsy fahafahana nampiasa an’io fizarana io. Tsy tompon’andraikitra ity tranonkala ity na manana antoka ilay nandefa fitarainana sy tratran’ny fahavoazana, na nanao fifanekena, na nanao zavatra tsy ara-dalàna, na nanao zavatra hafa lazaina fa ara-dalàna. Tsy tompon’andraikitra koa ity tranonkala ity na nilazana izy na tsia hoe mety hisy izany fitarainana na fahavoazana izany.

 Fialana Andraikitra sy Fetran’ny Antoka

Omen’ny Watchtower anao “tsy nanampiana, tsy nanalana” ny fanazavana rehetra ato amin’ity tranonkala ity, sy ny zavatra ato anatiny, ary ny asa hafa atao ho anao amin’ny alalan’ilay tranonkala. Tsy manao dokam-barotra na manome antoka mihitsy ny Watchtower, na mivantana izany na an-kolaka.

Tsy manome antoka ny Watchtower hoe tsy misy virosy na zavatra hafa manimba ato amin’ity tranonkala ity. Tsy tompon’andraikitra ny Watchtower raha misy fahavoazana, na inona izany na inona, vokatry ny nampiasana zavatra natao ho anao tamin’ny alalan’ity tranonkala ity, na fanazavana na zavatra hafa avy ato, anisan’izany ny fahavoazana mivantana na tsy mivantana, fanahy iniana na tsia, mitaky onitra, ary ny fahavoazana lehibe (tafiditra amin’izany ny fatiantoka).

 Tsy Fanajana Fifanekena

Raha misy tsy hajainao ny andininy ato amin’ity Fifanekena ity, dia mbola ananan’ny Watchtower ihany ny zo hafa voalaza ato ary mampitandrina izy fa handray an’ireto fepetra ireto momba anao: Hampiato ny fahazoanao miditra ato amin’ity tranonkala ity, hisakana anao na ny ordinatera mampiasa ny adiresinao IP tsy hiditra ato mihitsy, na hangataka amin’ilay orinasa mpamatsy Internet anao mba tsy hamela anao hiditra ato amin’ity tranonkala ity. Manan-jo hitory anao koa ny Watchtower.

 Fanavaozana

Mety hohavaozin’ny Watchtower indraindray ity Fifanekena ity. Hanan-kery avy hatrany ilay fanavaozana raha vao mivoaka, ka tokony hohajainao rehefa mampiasa an’ity tranonkala ity ianao. Iangavianay àry ianao hijery matetika an’ity pejy ity mba hahalalanao ny fifanekena farany manan-kery.

 Lalàna sy Fitsarana Mahefa

Izay mampiasa an’ity tranonkala ity dia manaiky fa ny lalàn’ny Fanjakan’i New York, any Etazonia, ihany no hampiharina, mba hialana amin’izay mety ho fifanoheran’ny lalàna. Hoentina eo anatrehan’ny fitsarana ambaratonga voalohany na fitsarana federaly any amin’ny Fanjakan’i New York, Etazonia, ny fitoriana an’izay mandika ny andininy ato amin’ity Fifanekena ity, ary izy io irery ihany no mahefa handinika sy hitsara an’izany.

 Andininy Foanan’ny Fitsarana

Raha lazain’ny fitsarana mahefa fa foana, tsy manan-kery, tsy azo ampiharina, na tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny andininy iray ato amin’ity Fifanekena ity, dia mbola hanan-kery foana ny andininy hafa. Raha misy tsy notanterahin’ny Watchtower ny andininy voalaza ato, dia tsy hoe nofoanany akory izany, na hoe tsy manan-jo hampihatra an’izany intsony izy.

 Fifanekena Manontolo

Ireo voalaza rehetra ireo no fifanekena eo aminao sy ny Watchtower momba ny fampiasanao an’ity tranonkala ity, ary manafoana an’izay fifanekena rehetra natao teo aloha momba ny fampiasanao an’ity tranonkala ity.