Hijery ny anatiny

Tranobe iray misy birao sy trano fonenana efatra no ao amin’ilay sampana vaovao any Cameroun

13 FEBROARY 2020
CAMEROUN

Tafafindra Tanteraka ny Sampan’i Cameroun

Tafafindra Tanteraka ny Sampan’i Cameroun

Nifindra ao amin’ny biraon’ny sampana vaovao any Logbessou, any avaratratsinanan’i Douala, ny fianakavian’ny Betelan’i Cameroun, tamin’ny 20 Janoary 2020. Mipetraka sy miasa ao tontolo andro ny rahalahy sy anabavy 59. Misy 71 kosa no mody any an-tranony isan’andro rehefa avy miasa ao.

Rahalahy sy anabavy mampidina entana ao amin’ilay toerana

Tany Bonaberi, any amin’ny faritra andrefan’i Douala, ny sampan’i Cameroun, taloha. Trano maromaro nohavaozin’ny rahalahy sy anabavy tamin’ny 1993 no nampiasaina. Tamin’io taona io mantsy no nifarana ilay fandrarana naharitra 23 taona. Nisy mpitory 19 268 tao amin’ny faritra iandraiketan’ny sampan’i Cameroun tamin’ny 1993, ary lasa 52 000 mahery izany izao. Nitombo koa ny fiteny handikan’ny sampana ny boky ara-baiboly ka lasa 29. Nitombo be àry ny asa ka nilaina ny nitady toerana vaovao sy lehibe kokoa. a

Miasa ao amin’ny birao vaovao ny Betelita ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Kaonty

Hisy toerana ho an’ny mpitsidika ilay tranon’ny sampana vaovao ary amin’ny faran’ny 2020 izy io no hisokatra. Haseho ao ny fanazavana momba ny asa ataon’ny sampana sy ny tantaran’ny fitoriana any Cameroun sy Gabon ary Guinée équatoriale.

Fiarahabana tonga soa an’ireo Betelita, amin’ny teny anglisy sy frantsay

Hoy ny Rahalahy Stephen Attoh, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Cameroun: “Hoatran’ny hoe manonofy izahay rehefa nifindra tato amin’ity sampana vaovao tsara tarehy ity. Tapa-kevitra ny hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah izahay ato amin’ity toerana mahafinaritra ity. Feno fisaorana an’i Jehovah ny fonay satria nomeny zavatra tsara be dia be izahay.”—Salamo 145:7.

a Manara-maso ny fitoriana any Cameroun sy Gabon ary Guinée équatoriale ny sampan’i Cameroun, izany hoe ny asa ataon’ny fiangonana 667.