Hijery ny anatiny

4 NOVAMBRA 2016
CAMEROUN

Lamasinina Nivadika Tany Cameroun

Lamasinina Nivadika Tany Cameroun

Tafala amin’ny lalamby ny lamasinina iray nankany Douala, Cameroun, ny marainan’ny 21 Oktobra 2016. Teo akaikin’ny tanànan’i Eseka ilay loza no nitranga, izany hoe 120 kilaometatra eo ho eo miala an’i Yaoundé renivohitra. Olona 600 mahery no naratra ary 70 mahery no maty.

Vavolombelon’i Jehovah ny 16 tamin’ireo naratra. Namoy ny ainy tamin’iny loza iny koa ny Vavolombelon’i Jehovah iray 65 taona. Anti-panahy ao amin’ny fiangonana iray any Douala izy. Malahelo noho ny nahafatesan’io namanay io izahay ary miara-ory amin’ireo nidonam-pahoriana tamin’iny loza iny.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, 1-718-560-5000

Cameroun: Gilles Mba, 237-6996-30727