Hijery ny anatiny

12 AOGOSITRA 2019
HOLANDY

Utrecht, Holandy: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!

Utrecht, Holandy: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
  • Daty: 2-4 Aogositra 2019

  • Toerana: Jaarbeurs Hallencomplex, any Utrecht, Holandy

  • Fiteny: Anglisy, arabo, espaniola, holandey, papiamento, poloney, portogey, tenin’ny tanana holandey, twi

  • Tampon’isan’ny mpanatrika: 42335

  • Tontalin’ny natao batisa: 212

  • Solontena avy any ivelany: 6000

  • Sampana nasaina: Afrika Atsimo, Aostralazia, Belzika, Brezila, Etazonia, Indonezia, Kanada, Kolombia, Korea, Portogaly, Romania, Suriname

  • Fitantarana: Nanakarama orinasa iray ny Jaarbeurs Hallencomplex mba hanadio an’ilay toerana. Misy rahalahy iray miasa ao amin’io orinasa io. Niantso an-telefaonina azy ny lehibeny sady niteny hoe: “Misy olona be dia be tonga ara-potoana tsara ato, manao an’ilay zavatra efa nifanarahana: Mandamina an’ilay trano ry zareo sady manao ny fandaharany manokana mba hadio tsara daholo ny zava-drehetra. Efa hitako eto sahady hoe hadio sy hilamina kokoa noho ny nanaovantsika azy ity toerana ity. Tsy mampino! Mbola tsy nahita hoatr’izao mihitsy aho! Diovin-dry zareo hatramin’ilay toeram-pisakafoana mbola tsy miasa. Misy olona roa vonon-kanampy foana eo amin’ny toeram-pivoahana. Raha vao misy olana kely koa dia mahagaga fa misy olona tonga handamina an’ilay izy foana. Sambany aho vao nahita hoatr’izao!”

 

Rahalahy sy anabavy miarahaba tonga soa an’ireo solontena avy any ivelany, ao amin’ny seranam-piaramanidina

Betelita mandray an’ireo solontena avy any ivelany mitsidika ny sampan’i Holandy

Mpitory sy vahiny miaraka mizara fanasana

Rahalahy sy anabavy mihaino tsara ny fandaharana ao amin’ny efitrano lehibe ao amin’ny Jaarbeurs Hallencomplex. Misy koa manaraka mivantana an’ilay fandaharana any amin’ny efitrano dimy hafa ao amin’io toerana io

Ny sasany amin’ireo rahalahy sy anabavy 212 natao batisa

Rahalahy sy anabavy mifantoka tsara sy mandray an-tsoratra

Vahiny avy any amin’ny firenena samihafa mifampizara fanomezana

Ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny famaranana ny alahady

Misionera sy mpanompo manontolo manokana hafa manofahofa tanana amin’ny mpanatrika, amin’ny faran’ilay fivoriambe