Hijery ny anatiny

Rahalahy Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, namoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny Tenin’ny Tanana Rosianina. Nanaraka an’ilay fandaharana ny mpitory tany amin’ny firenena hafa: (manaraka ny fihodinan’ny famantaranandro, miainga avy eo ambony ankavia) Ukraine, Letonia, Astana any Kazakhstan, ary Almaty any Kazakhstan

31 MEY 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Nivoaka Manontolo Tamin’ny Tenin’ny Tanana Rosianina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Manontolo Tamin’ny Tenin’ny Tanana Rosianina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nilaza ny Rahalahy Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 27 Mey 2023, fa nivoaka tamin’ny tenin’ny tanana rosianina (RSL) Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Sambany io Baiboly io no navoaka manontolo tamin’ny RSL. Nisy 148 ny nanatrika mivantana an’ilay fandaharana. Nisy mpanatrika 5 000, avy tany amin’ny firenena 15 koa anefa nanaraka mivantana tao amin’ny Internet na nijery an’ilay fandaharana rehefa avy nalaina video ilay izy. Efa azo alaina ao amin’ny jw.org izao io Baiboly vaovao io, na alaina amin’ny programa JW Library Sign Language.

Hoy ny rahalahy iray marenina: “Rehefa mijery an’ilay Baiboly amin’ny tenin’ny tanana aho, dia hoatran’ny hoe hitako mihitsy ny zavatra tsapan’i rehefa mahita olona mijaly izy. Tena manohina ny foko ilay izy!”

Be dia be ny Vavolombelona marenina tsy nanana afa-tsy Baiboly vita pirinty amin’ny teny rosianina, talohan’ny namoahana an’io Baiboly RSL io. Maromaro anefa ny teny tsy nazava tamin’ny mpitory sasany, satria mila atao amin’ny an-tsipiriany tsara ilay izy amin’ny RSL.

Hita ao amin’ilay tantara ao amin’ny 1 Mpanjaka 17, ohatra, hoe niteny tamin’i Elia mpaminany ny vehivavy iray mpitondratena fa ho faty izy sy ny zanany rehefa avy misakafo. Nieritreritra àry ny mpitory marenina sasany fa midika izany hoe nisy simba ilay sakafon’ilay vehivavy na nisy poizina. Mazava kokoa anefa izao ilay izy amin’ilay dikan-teny RSL hoe io no sakafon’izy mianaka farany.

Ampiasain’ny olona samihafa firenena sy kolontsaina ny RSL. Tsy maintsy nitadidy àry ny mpandika teny hoe tsy mitovy ny dikan’ny fihetsika iray amin’ny tenin’ny tanana, fa arakaraka ny faritra misy olona marenina. Hoy ny mpandika teny iray: “Misy fihetsika iray amin’ny tenin’ny tanana, ohatra, midika hoe ‘fahotana’ any amin’ny faritra iray. Midika hoe ‘Andriamanitra’ anefa ilay izy any amin’ny faritra hafa. Any amin’ny faritra iray koa misy fihetsika midika hoe ‘mpianatra’, nefa koa mety hidika hoe ‘farany’ na ‘mahantra’ any an-toeran-kafa. Niezaka nampiasa an’izay fihetsika hain’ny rehetra àry ny ekipanay rehefa nandika an’ilay Baiboly tamin’ny tenin’ny tanana.”

Miara-mifaly amin’ireo rahalahy sy anabavintsika mampiasa RSL isika, ary misaotra an’i Jehovah noho izy nanome an’io fanomezana tsara be io.​—Ohabolana 10:22.