Hijery ny anatiny

Ankavia: Ny Rahalahy Nathan Knorr sy Frederick Franz nitsidika ny rahalahy sy anabavy tany Bogotá, tamin’ny 1946. Ankavanana: Misionera tany Kolombia (ambony, ankavia miankavanana) Olaf Olson, James Webster, Quin Dale Lauderdale; (ambany, ankavia miankavanana) Anne Lauderdale, Helen Langford, ary Jewel Harper

12 APRILY 2022
KOLOMBIA

Zato Taona Izay no Nisian’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kolombia

Zato Taona Izay no Nisian’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kolombia

Tamin’ity taona 2022 ity no feno 100 taona no nisian’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kolombia. a

Heliodoro Hernández

Tena tia mamaky Baiboly i Heliodoro Hernández. Nindrana Tilikambo Fiambenana vitsivitsy tamin’ny namany tsy Vavolombelon’i Jehovah izy, tamin’ny 1922. Vetivety dia takatr’i Heliodoro hoe io no fivavahana marina, dia nanomboka nitory tamin’ny hafa izy. Nihaona tamin’i Juan Estupiñán izy rehefa avy nitory nandritra ny roa taona, dia lasa niara-nitory ny vaovao tsara izy mirahalahy. Natao batisa ry zareo tamin’ny 1932.

Juan Estupiñán

Nandefasan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana fitaovana nahafahana nandefa lahateny noraisim-peo ny Rahalahy Heliodoro sy Estupiñán, tatỳ aoriana. Nandefa lahateny ara-baiboly tamin’ny olona nipetraka nanerana an’ireo Tendrombohitra Andes ry zareo, anisan’izany ilay lahateny hoe “Ny Marina Momba ny Trinite” sy ilay hoe “Ny Faran’izao Tontolo Izao.” Matetika ry zareo no nisy nanohitra satria tò teny be ny fiangonana Katolika tany amin’ireo toerana ireo.

Nisy misionera niofana tamin’ny sekolin’ny Gileada tonga tamin’ny 1945. Anisan’izy ireny ny Rahalahy Olaf Olson. Izao no nosoratany tao amin’ny tantaram-piainany, tatỳ aoriana: “Be dia be ny ondrin’i Jehovah atỳ dia faly be izahay hoe nalefan’i Jehovah atỳ mba hitady sy hanome sakafo ara-panahy azy ireo.”

Nasiana biraon’ny sampana tany Kolombia mba handaminana bebe kokoa ny asa fitoriana tany, ary tamin’ny 1 Mey 1946 izy io no nanomboka niasa. Izao no nosoratan’ny Rahalahy Arthur Green, mpikarakara ny sampana voalohany tany: “Noho ny fiasan’ny fanahy maherin’i Jehovah, dia miorina eto Kolombia izao ny fivavahana marina.”

Misy Vavolombelon’i Jehovah 190 000 eo ho eo izao any Kolombia, ary mazoto mitory ny vaovao tsara ry zareo.

Misy vatosoa tsara tarehy any Kolombia sady lonaka tsara ny tany any, dia izany no tena amantaran’ny olona azy. Ny vahoaka taomin’i Jehovah hanatona azy, izany hoe ireo “zava-tsarobidy”, anefa no tena mampiavaka azy. Faly isika mahita hoe mbola mitahy ny asa fitoriana any Kolombia i Jehovah, ka ‘mameno voninahitra ny tranony.’​—Hagay 2:7.

a Lasa nantsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah ny Mpianatra ny Baiboly nanomboka tamin’ny 1931.