Hijery ny anatiny

21 OKTOBRA 2022
ROYAUME-UNI

Nivoaka Tamin’ny Teny Pendjabi (Shahmukhi) ny Bokin’i Matio

Nivoaka Tamin’ny Teny Pendjabi (Shahmukhi) ny Bokin’i Matio

Nivoaka tamin’ny 9 Oktobra 2022 Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio amin’ny teny pendjabi (Shahmukhi), ka ny Rahalahy Paul Norton, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Grande-Bretagne no namoaka azy. Nojerena mivantana mihitsy ilay fandaharana, ka nisy 1 300 mahery no nanatrika, anisan’izany ireo mpitory nijery tany amin’ny Efitrano Fanjakana eran’ny faritanin’i Grande-Bretagne. Tonga dia misy raki-peo sy amin’ny endrika elektronika ary vita pirinty ilay Baiboly.

Olona an-tapitrisany any Inde sy Pakistan no miteny pendjabi, ary mbola miampy ny mponina be dia be any amin’ny tany maro hafa. Tamin’ny Oktobra 2020 no nivoaka Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny pendjabi amin’ny soratra gurmukhi. Ho an’izay mamaky ny fiteny pendjabi amin’ny soratra shahmukhi anefa ity Baiboly vaovao ity, satria tsy mahay mamaky soratra gurmukhi ry zareo, na tsy dia mahazo an’ilay voambolana. Tsy maintsy nampiasa Baiboly amin’ny teny hafa ny mpamaky pendjabi (Shahmukhi) hatramin’izay, ohatra hoe amin’ny fiteny ourdou.

Efa ela no nisy boky avy ao amin’ny Baiboly nivoaka tamin’ny teny pendjabi (Shahmukhi). Mora vakina sy mora azo anefa ity fandikan-tenin’ny bokin’i Matio ity, ary ny tena zava-dehibe dia ilay izy misy ny anaran’i Jehovah.

Hozy ny mpandika teny iray niasa tamin’ilay tetikasa: “Amin’ny hiram-pivavahana angamba ny olona no maheno ny anaran’i Jehovah. Matetika anefa no sarotra be amin’ny olona ny hanatona an’Andriamanitra, satria nesorin’ny mpandika teny ilay anarana tao amin’ny ankamaroan’ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly. Hahita ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny toerana rehetra tokony hisy azy àry izao ry zareo ato amin’ity boky ao amin’ny Baiboly ity.”

Matoky isika fa hanampy ny rahalahy sy anabavintsika hanatona an’i Jehovah sy hidera ny anarany ity Baiboly vaovao ity.​—Matio 6:9.