Hijery ny anatiny

28 JOLAY 2014
UKRAINE

Vao Mainka Mitombo ny Herisetra any Ukraine Satria Tsy Manao ny Asany ny Manam-pahefana

Vao Mainka Mitombo ny Herisetra any Ukraine Satria Tsy Manao ny Asany ny Manam-pahefana

Lasa tsy mampaninona ny olona ny manao ratsy rehefa hitany hoe tsy voasazy izay manao an’izany. Izany no mitranga any Ukraine. Mihabetsaka ny Vavolombelon’i Jehovah iharan’ny herisetra satria ankahalain’ny olona. Marina fa efa neken’ny fanjakana any ho fivavahana ara-dalàna ny fivavahan’izy ireo, ary faly izy ireo noho izany. Matahotra anefa izy ireo satria mihabetsaka ny herisetra ataon’ny olona mankahala azy ireo. Ny manam-pahefana koa tsy mandray andraikitra.

Mihamahery vaika ny herisetra

In-64 no nisy Vavolombelon’i Jehovah niharan’ny herisetra tany Ukraine, nanomboka tamin’ny 2008. Tamin’izy ireo nanao zavatra mifandray amin’ny fivavahany na taorian’izay no nitranga izany. Mpitondra fivavahana ortodoksa no nanao ny 16 tamin’ireo herisetra ireo.

In-190 no nisy nanimba ireo Efitrano Fanjakana (toeram-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah) tamin’ny 2008 ka hatramin’ny 2013, ary in-13 no nisy saika handoro. Nitombo avo roa heny ny fanimbana Efitrano Fanjakana tamin’ny 2012 sy 2013, raha oharina tamin’ireo efa-taona talohan’izay.

Miharatsy koa ny zavatra ataon’ny olona amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. May tanteraka ny Efitrano Fanjakana roa tany amin’ny faritr’i Donetsk, tamin’ny 2012. Indroa koa no nisy Vavolombelona niharan’ny herisetra, tamin’ny 2013. Naratra be izy ireo ka voatery naiditra hopitaly nandritra ny fotoana naharitra.

Nitady fiarovana tany amin’ny manam-pahefana ny Vavolombelona, saingy tsy nisy vokany izany. Tsy nanao fanadihadiana avy hatrany mantsy ny manam-pahefana sady tsy nanasazy an’ireo olona nahery setra.

Tsy mandray andraikitra ny manam-pahefana

Nodorana sy nosimbana ny Efitrano Fanjakana any Horlivka, any amin’ny faritr’i Donetsk, tamin’ny 5 Jona 2014

Fanimbana zavatra: Tsy miraharaha mihitsy ny polisy na ela vao mandray andraikitra rehefa maheno filazana momba ny zavatra nisy nanimba. Rehefa misy mametraka fitoriana, dia matetika ny manam-pahefana no tsy mety mampakatra fitsarana na mangataka andro vao manao an’izany. Na atao ihany aza anefa ny fitsarana, dia tsy melohin’ny mpampanoa lalàna ilay olona nanao ratsy na zara raha sazina. Nisy fanimbana zavatra in-111 tamin’ny 2008 ka hatramin’ny 2012, nefa tsy nosazin’ny manam-pahefana mihitsy ireo tompon’antoka tamin’izany.

Herisetra: Matetika no tsy anaovan’ny polisy fanadihadiana tsara ireo herisetra, na tsy tadiaviny ireo mpanao ratsy. Rehefa atao ny fitsarana, dia mahalana vao voaheloka na voasazy ireo olon-dratsy. Raha manasazy koa ny fitsarana, dia tsy mifanaraka amin’ny heloka vitan’ilay olona ny saziny, satria tsy heloka bevava, hono, ilay izy.

Vao mainka mitombo ny herisetra satria tsy voasazy ireo olona manao an’izany

Niharan’ny herisetra i Oleksandr Tretiak

Oleksandr Tretiak

Vavolombelon’i Jehovah i Oleksandr Tretiak, ary 41 taona izy. Nisy nanafika izy tamin’ny 26 Novambra 2013, rehefa nody avy nanao zavatra mifandray amin’ny fivavahany. Nisy telo lahy nidaroka azy nandritra ny 20 minitra mahery. Nilaza izy fa i Ruslan Ivanov sy Anatoliy Dovhan, lietnà kolonely efa misotro ronono, ary Evheniy Ihlinskiy, vinantolahin’i Dovhan sady polisy mpandamina ny fifamoivoizana, no nanafika azy. Tafatsoaka Atoa Tretiak ary nentina haingana tany amin’ny hopitaly. Naradratra be izy sady feno mangamangana. Nisy naratra be koa hatrany anaty lohany, ary vaky ny orony.

Na izany aza ny zavatra nanjo azy, dia nilaza ny mpanao famotorana fa ratra “kely” no nahazo azy ary olona telo “tsy fantatra” no nanao izany. Navoakan’ny hopitaly Atoa Tretiak rehefa afaka tapa-bolana na dia mbola tsy tokony hivoaka aza. Raha nijanona elaela tany mantsy izy dia voatery nilaza ny manam-pahefana hoe tsy heloka “kely” ilay fanafihana azy. Ny ampitson’iny ihany anefa izy dia tsy maintsy nampidirina hopitaly indray noho ireo ratra nahazo azy. Raha atambatra, dia 23 andro izy no tany amin’ny hopitaly.

Nisy zavatra niampangana an’i Ruslan Ivanov, iray tamin’ireo nanafika an’Atoa Tretiak, vao haingana, nefa izy efa lasa nandositra. Matahotra Atoa Tretiak hoe mety mbola hamono azy indray ireo olona nanafika azy. Hoy izy: “Azoko antoka mihitsy hoe tena mankahala Vavolombelon’i Jehovah ry zareo sady saika hovonoiny ho faty aho.”

Handray ny andraikiny ihany ve ny manam-pahefana?

Misy Vavolombelon’i Jehovah 150000 mahery any Ukraine, ary afaka nanaraka tsara ny fivavahany izy ireo nandritra ny taona maro sady nanampy azy ireo ny manam-pahefana rehefa nisy olana. Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah any fa hanao fanadihadiana tsara ny manam-pahefana, ary hampakatra fitsarana an’izay olona mahery setra amin’izy ireo mba tsy ho afa-maina fotsiny ry zareo.