Hijery ny anatiny

Nahaliana olona be dia be ilay foara iraisam-pirenena tany Zimbabwe

13 JONA 2023
ZIMBABWE

Olona Isan-karazany no Nitoriana Tamin’ilay Foara Iraisam-pirenena Tany Zimbabwe

Olona Isan-karazany no Nitoriana Tamin’ilay Foara Iraisam-pirenena Tany Zimbabwe

Nisy foara iraisam-pirenena natao tany Bulawayo, any Zimbabwe, tamin’ny 25 Aprily hatramin’ny 29 Aprily 2023. Anisan’ny foara lehibe indrindra natao tany Zimbabwe izy io. Olona 500 avy any amin’ny tany 22 no nandray anjara, sady nahasarika mpitsidika 60 000 mahery ilay izy. Nandray anjara tamin’ilay foara koa ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ny tranoheva momba ny fampianarana sy fampiofanana.

Be dia be mihitsy ny mpitsidika avy any an-tany hafa, dia nasiana boky sy gazety ara-baiboly tamin’ny fiteny folo teo amin’ilay tranohevantsika. Nasiana video amin’ny tenin’ny tanana any Zimbabwe koa teo. Nampirisihina hiara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa izay olona liana amin’izany. Boky sy gazety 12 000 mahery no voazara nandritra an’ilay foara, ary olona 450 mahery no nangataka hotsidihina. Anisan’ny nandray olona teo amin’ilay tranoheva ny Ranabavy Eucebiah Mukura. Izao no nolazainy: “Be dia be mihitsy no nanaiky rehefa nasainay hianatra Baiboly maimaim-poana. Faly be aho satria niteny ry zareo hoe efa tsy andriny, hono, ny hahatongavan’ny Vavolombelon’i Jehovah any aminy.”

Nasiana an’ilay Baiboly Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao koa teo amin’ilay tranoheva, dia gaga be ny vehivavy iray sendra nandalo teo rehefa naheno olona namaky andinin-teny avy tao amin’ilay izy. Tamin’ny teny ndebele ilay Baiboly novakin’ilay olona. Nilaza ilay vehivavy hoe mazava be ilay dikan-teny, dia nangataka anankiray tamin’ilay Baiboly izy. Ny vehivavy iray hafa indray falifaly erỳ nampiseho tamin’ny rahavaviny hoe vao avy nampiditra an’ilay programa JW Library tao amin’ny telefaoniny izy. Nohazavainy hoe nampiditra an’io programa io izy, amin’izay mba afaka manana an’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ao amin’ny telefaoniny.

Anisan’ny nanampy an’izay mpitsidika tonga ny Ranabavy Gillian Ellerman. Hoy izy: “Nahafinaritra be ilay fampirantiana. Nisy olona tonga foana teo amin’ilay tranohevanay. Be dia be mihitsy sady tsy nety tapitra. Tena nahazo voninahitra i Jehovah tamin’iny!”

Mampahery be ny mahita hoe mitady ny fomba rehetra hitoriana amin’ny olona ny rahalahy sy anabavintsika any Zimbabwe mba ‘hahalalan’izy ireny tsara ny fahamarinana.’​—1 Timoty 2:4.