Hijery ny anatiny

Afaka Miala Tsy ho Vavolombelon’i Jehovah Intsony ve ny Olona Iray?

Afaka Miala Tsy ho Vavolombelon’i Jehovah Intsony ve ny Olona Iray?

 Eny. Misy fomba roa azony anaovana an’izany:

  •   Manao fangatahana. Azony ampahafantarina na soratana hoe nanapa-kevitra izy fa hiala tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony.

  •   Asehony amin’ny zavatra ataony. Azony aseho amin’ny zavatra ataony hoe tsy te ho anisan’ilay fianakavianay eran-tany intsony izy. (1 Petera 5:9) Mety hivavaka any amin’ny fivavahana hafa, ohatra, izy, sady hilaza hoe tsy te hiala any mihitsy.​—1 Jaona 2:19.

Ahoana raha misy olona tsy mitory intsony na tsy mivory miaraka aminareo intsony? Aminareo ve izy niala tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony?

 Tsia. Tsy mitovy ny hoe miala tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony sy ny hoe lasa tsy ampy finoana. Tsy voatery hoe niala tamin’ny finoany akory izay lasa tsy dia mazoto manompo an’Andriamanitra na nijanona tsy nanao an’izany intsony. Matetika no kivy izy ireny, dia tsy mazoto intsony. Tsy mihatakataka amin’ny olona hoatr’izany izahay, fa miezaka mampionona sy manampy azy. (1 Tesalonianina 5:14; Joda 22) Raha mitady fanampiana izy, dia ny anti-panahin’ny fiangonana no hanampy azy hanatanjaka ny finoany.​—Galatianina 6:1; 1 Petera 5:1-3.

 Tsy azon’ny anti-panahy atao anefa ny manery an’ilay olona hijanona ho Vavolombelon’i Jehovah. Anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra hoe inona no fivavahana harahiny. (Josoa 24:15) Mino izahay fa tokony ho amin’ny fo no anompoana an’Andriamanitra, fa tsy an-tery.​—Salamo 110:3; Matio 22:37.