Hijery ny anatiny

Ilay Dia Tany Amin’ny Reniranon’i Maroni

Ilay Dia Tany Amin’ny Reniranon’i Maroni

 Any Amerika Atsimo no misy ny alan’i Amazonia, lavitry ny tabataba sy ny korontana any an-tanàn-dehibe. Misy firenena sy foko mampiasa fiteny isan-karazany any. Nanao dia nanaraka ny Reniranon’i Maroni sy ireo sakelidrano any atsinanan’io renirano io, any Guyane, àry ny Vavolombelon’i Jehovah 13, tamin’ny Jolay 2017. Ny hitory momba ny fampanantenan’ny Baiboly amin’ny olona mipetraka eny amoron’ilay renirano no tanjon’izy ireo.

Fanomanana an’ilay dia

 Haharitra 12 andro ilay dia. Nisy fivoriana natao, iray volana mialoha, mba hanomanana an’ireo mpitory handeha. Hoy i Winsley: “Nampahafantarina anay ny mombamomba an’ilay faritra sy ny tantarany, dia nodinihinay hoe inona no azonay atao mba hiomanana amin’ilay dia.” Nomena fitaovana tsy tantera-drano ny tsirairay amin’izy ireo mba hasiana lay sy fandriana azo ahantona. Mba hahatongavana any amin’ilay toerana, dia mila mandeha fiaramanidina indroa sy mandeha lakana mandritra ny ora maromaro.

Claude sy Lisette

 Inona no tsapan’ny mpitory handeha any? Tsy nisalasala mihitsy i Claude sy Lisette, izay efa misotro ronono. Hoy i Claude: “Faly be aho nefa natahotra kely koa. Henoko mantsy hoe mampidi-doza ny renirano mahery any.” Zavatra hafa mihitsy no nampahatahotra an’i Lisette. Hoy izy: “Tsy haiko hoe ahoana no hahaizako ny fitenin’ny Indianina Amerikanina.”

 Hoatr’izany koa no tsapan’i Mickaël. Hoy izy: “Tsy dia nahafantatra firy momba ny foko Wayana izahay. Nikaroka tao amin’ny Internet àry aho, dia nianatra teny vitsivitsy sy fomba fiarahabana olona.”

 Nanao lisitry ny fiteny fampiasan’ny olona eny amoron’ilay renirano i Shirley, izay nandeha niaraka tamin’i Johann vadiny. Hoy i Shirley: “Naka video amin’ny ankamaroan’ireny fiteny ireny tao amin’ny jw.org izahay, ary nitady boky hianarana teny vitsivitsy amin’ny teny wayana.”

Tonga tany an-tanànan’ny Indianina Amerikanina

 Nandray fiaramanidina tao Saint-Laurent du Maroni ny mpitory, tamin’ny talata 4 Jolay, ary nankany Maripasoula, tanàna kely ao Guyane.

 Nitory tamin’ny mponina manamorona an’ireo sakelidrano amin’ny Reniranon’i Maroni ny mpitory, nandritra ny efatra andro taorian’izay. Nandeha lakana misy maotera izy ireo. Hoy i Roland, anisan’ireo mpitory nankany: “Tena liana amin’ny Baiboly ny Indianina Amerikanina. Be dia be ny fanontaniana tian-dry zareo hapetraka, dia te hampianarinay Baiboly ny sasany aminy.”

 Nahita mpivady tanora tao amin’ny tanàna kely iray i Johann sy Shirley. Nisy havan’izy ireo namono tena vao haingana. Nilaza i Johann hoe nasehon’izy ireo azy mivady ilay video ao amin’ny Tele JW hoe Nahita ny Mpamorona Azy Ilay Indianina Amerikanina. Hoy koa izy: “Tena nanohina ny fon’izy mivady ilay video. Nomen’izy ireo anay ny adiresy e-mail-ny satria mbola te hifandray aminay ry zareo.”

 Tany Antécume Pata no lavitra indrindra nalehan’ny mpitory. Reraka izy ireo rehefa tonga tany, ary navelan’ilay lehiben’ny tanàna hanatona ny fandrianany teo amin’ny toerana azon’ny besinimaro ampiasaina. Nandro teo amin’ilay renirano koa izy ireo satria eo no fandroan’ny mponina ao.

 Nankany Twenké izy ireo rehefa niala tao. Nisaona ny mponina tao tamin’izay satria nisy fahoriana. Hoy i Éric, anisan’ny mpikarakara an’ilay dia: “Navelan’ilay lehiben’ny foko hivezivezy tao an-tanàna izahay mba hampahery an’ireo nidonam-pahoriana. Tena tian’ilay lehiben’ny foko sy ny vady aman-janany mantsy ny andinin-teny novakinay avy tao amin’ny Baiboly iray amin’ny teny wayana. Nampiseho video momba ny fampanantenan’ny Baiboly mahakasika ny fitsanganan’ny maty koa izahay.”

Tonga tao an-tanànan’i Grand-Santi sy Apatou

 Nandeha fiaramanidina nandritra ny antsasak’adiny avy any Maripasoula nankany amin’ny tanàna kely antsoina hoe Grand-Santi izy ireo avy eo. Nitory momba ny Baiboly tamin’ny mponina tao ny mpitory, ny talata sy alarobia. Niainga indray izy ireo, ny alakamisy, ka nanao dia naharitra adiny dimy sy sasany nankany Apatou.

Ny Reniranon’i Maroni sy ny alan’i Amazonia, eo anelanelan’i Maripasoula sy Grand-Santi

 Nitory tany amin’ny tanànan’ny Marrons ny mpitory, iray andro tsy hifaranan’ilay dia. Mipetraka any anaty ala ny Marrons ary taranaky ny andevo afrikanina nentina tany Amerika Atsimo nandritra ny fanjanahana an’i Suriname, firenena eo akaiky eo. Nasaina hanatrika fivoriana daholo ny mponina tao. Nisy tranolay lehibe natsangana tao anaty ala mba hanaovana an’ilay fivoriana. Hoy i Claude: “Tena faly be izahay satria be dia be no tonga, na dia vao tamin’ny maraina aza izahay no nanasa an-dry zareo.” Sambany i Karsten vao nanao dia hoatran’io ary izy no nanao an’ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Izao Ihany ve no Fiainana?”, tamin’ny teny aukan. Olona 91 avy any amin’ny tanàna maromaro no nanatrika an’ilay fivoriana.

“Izahay vonona foana raha mbola misy amin’ny manaraka!”

 Niverina tany Saint-Laurent du Maroni izy ireo tamin’ny farany. Faly sy afa-po be daholo izy ireo satria nandray tsara ny fitorian’izy ireo ny olona, nandray boky sy gazety be dia be, ary nijery video be dia be navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

 Hoy i Lisette: “Faly be aho hoe nandray anjara tamin’iny dia iny. Tsy hitako izay hilazana ny hafaliako!” Hoy i Cindy: “Raha mbola misy amin’ny manaraka, dia hiangavy amin’ny tompon’andraikitra aho mba havela handeha. Tsy ho tsapanao mihitsy ny hatsarany raha tsy mandeha ianao!”

 Te hiverina any ny sasany amin’ireo mpitory ireo taorian’ilay dia. Hoy i Mickaël: “Izahay vonona foana raha mbola misy amin’ny manaraka!” Nifindra tany Saint-Laurent du Maroni i Winsley. Nifindra tany Apatou i Claude sy Lisette, izay samy efa 60 taona mahery.