Hijery ny anatiny

Lahatsoratra Manampy ny Mpiasan’ny Hopitaly Tsy Hiady Saina

Lahatsoratra Manampy ny Mpiasan’ny Hopitaly Tsy Hiady Saina

 Mipetraka any Caroline Avaratra, any Etazonia i Bryn, ary anisan’ny Komity Mifandray amin’ny Hopitaly eo an-toerana. Miara-miasa akaiky amin’ny mpiasan’ny hopitaly io komity io mba hikarakarana ny Vavolombelon’i Jehovah miditra hopitaly.

 Be dia be ny hopitaly tsy mamela ny olona hitsidika marary, hatramin’ny nisian’ilay valanaretina COVID-19. Misy sampan’asa ara-pivavahana anefa isaky ny hopitaly. Miezaka mitsidika sy mampahery ny marary sy ny fianakaviany ny mpiasa ao. Niantso ny mpiandraikitra ny sampan’asa ara-pivavahana tao amin’ny hopitaly iray àry i Bryn. Te hanontany izy hoe inona no azony atao mba hanampiana ny Vavolombelona narary tao.

 Afaka niresaka an-telefaonina tamin’ny mpanampy an’ilay tompon’andraikitra i Bryn. Nangataka izy raha azo omena an’izay Vavolombelona niditra hopitaly tao ny nomerao telefaoniny, mba hifandraisany amin-dry zareo. Tsy azo natao mantsy ny nitsidika marary. Neken-dry zareo àry ilay fangatahany.

 Nieritreritra an’ireo mpiasan’ny hopitaly i Bryn avy eo. Noresahiny tamin’ilay mpanampy hoe tena mankasitraka ny asan-dry zareo izy, dia nirary soa sy fahasalamana ho azy ireo. Betsaka mantsy, hoy izy, ny olona lasa miady saina be noho ilay valanaretina, indrindra fa ny olona miasa amin’ny hopitaly.

 Namaly ilay mpanampy hoe tena izany mihitsy no mitranga ao amin’ny hopitaly.

 Hoy àry i Bryn: “Misy fanazavana afaka manampy ny olona tsy hiady saina ao amin’ny tranonkalanay. Mandehana anie ao amin’ny jw.org e! Dia soraty eo amin’ilay hoe Hikaroka ny hoe ‘miady saina.’ Hahita lahatsoratra mampahery ny mpiara-miasa aminao ianao ao.”

 Tonga dia nankao amin’ilay tranonkala ilay mpanampy, dia nosoratany ilay hoe “miady saina”, dia nahita lahatsoratra isan-karazany izy. Hoy izy: “Oay! Handeha hasehoko ny tompon’andraikitra ireto. Tena mety be ho an’ny mpiasa ato sy ny hafa ireto. Handeha hataoko printy ireto dia hozarazaraiko.”

 Tafaresaka tamin’ilay tompon’andraikitra i Bryn herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Noresahin’ilay tompon’andraikitra hoe tena nankao amin’ilay tranonkala ry zareo, dia nanao printy lahatsoratra vitsivitsy momba ny ady saina sy lahatsoratra hafa mifandray amin’izany. Nozaraina tamin’ny mpitsabo mpanampy sy ny mpiasan’ny hopitaly hafa ilay izy avy eo.

 Nilaza i Bryn hoe: “Nankasitraka ny asantsika ilay tompon’andraikitra. Mety tsara hono ny nanoratana an’ilay lahatsoratra. Tena nanampy be ilay izy.”