Hijery ny anatiny

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Lasa Nijaly Be Aho Satria Tia Vola Loatra Sady Nanao ny Tsy Marina”

“Lasa Nijaly Be Aho Satria Tia Vola Loatra Sady Nanao ny Tsy Marina”
  • Teraka: 1974

  • Firenena: Albania

  • Fiainany taloha: Mpangalatra sy mpivarotra rongony sady efa nigadra

NY FIAINAKO TALOHA:

 Teraka tany Tirana renivohitr’i Albania aho, ary nahantra ny fianakaviako. Olona tia nanao ny marina i Dada. Niasa nandritra ny ora maromaro izy mba hamelomana anay. Tena hoe zara raha nanam-bola anefa izahay, tamin’izany. Mbola kely aho tamin’izany, fa efa fantatro hoe nahantra izahay, dia tena nalahelo aho. Tsy mba nanana kiraro izany mihitsy aho tamin’ny fahazazako, dia matetika koa izahay no tsy ampy sakafo.

 Mbola kely aho dia efa nanomboka nangalatra. Nieritreritra aho hoe mba manampy ny fianakaviako fotsiny aho raha manao an’izany. Tratran’ny polisy anefa aho, tamin’ny farany. Nalefan’ny dadanay tany amin’ny fitaizana zaza maditra aho, tamin’ny 1988, tamin’izaho 14 taona. Roa taona aho no tany, dia sady nianatra nanao sodiora. Rehefa niala tany aho, dia nieritreritra hoe tsy hangalatra intsony fa hitady asa. Tsy nety nahita asa mihitsy anefa aho. Nisy korontana ara-politika mantsy tany Albania tamin’izany, dia be dia be no tsy an’asa. Kivy aho dia lasa niaraka tamin’ny namako taloha indray, dia nanomboka nangalatra indray. Tratra anefa izahay sy ireo namako ireo tamin’ny farany, dia nigadra telo taona.

 Rehefa tafavoaka ny fonja anefa aho, dia mbola nanohy ny asa ratsiko ihany. Nitotongana ny toe-karena tany Albania, ary nikorontana tanteraka ilay firenena. Nanao zavatra tsy ara-dalàna aho, nandritra an’izany, dia nahazo vola be mihitsy. Voasambotra ny roa tamin’ny namanay rehefa avy nandroba niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana izahay. Niala tao Albania aho dia nandeha nandositra tany an-toeran-kafa, satria tsy te higadra ela be. Nanambady an’i Julinda aho, tamin’izany, dia nanan-janaka lahy kely izahay.

 Tonga tany Angletera izahay, tamin’ny farany. Nieritreritra aho hoe hanomboka fiainana vaovao miaraka amin’ny vady aman-janako. Tena sarotra tamiko anefa ny niova. Tsy ela taorian’izay aho, dia nanomboka nanao ny asa ratsiko indray. Nivarotra rongony indray no nataoko tamin’izay, dia nampiasa vola be mihitsy aho.

 Ahoana anefa ny hevitr’i Julinda rehefa nahita ahy nivarotra rongony? Aleo izy mihitsy no hanazava an’ilay izy. Hoy izy: “Lehibe tany Albania aho, dia efa ela aho no mba nanonofinofy hoe tsy hahantra intsony. Vonona hanao izay rehetra azo atao aho mba hanana fiainana tsara. Nieritreritra aho hoe raha nanam-bola be izahay dia ho sambatra. Nanohana tanteraka an’i Artan àry aho, rehefa nandainga izy, na nangalatra, na nivarotra rongony. Rehefa mety hoe fomba nahazoana vola e!”

“Lasa nanohana tanteraka an’i Artan àry aho, rehefa nandainga izy, na nangalatra, na nivarotra rongony. Rehefa mety hoe fomba nahazoana vola e!”—Julinda

 Niova tampoka anefa ny fiainanay tamin’ny 2002, dia rava tanteraka ny tanjonay sy ny nofinofinay. Tratra nitondra rongony be dia be mantsy aho, dia nigadra indray.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO

 Nanomboka nisy vokany tamin’ny fiainako ny Baiboly na dia tsy tsapako akory aza. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Julinda, tamin’ny voalohandohan’ny taona 2000, ary nanomboka nianatra Baiboly tamin-dry zareo. Tsy nahaliana ahy ilay hoe miady hevitra momba ny Baiboly satria nieritreritra aho hoe nankaleo be izany. I Julinda anefa tena tia an’ilay izy. Hoy izy: “Mpivavaka be ny fianakaviako sady tena manaja ny Baiboly. Efa nahaliana an’ahy foana hoe inona marina no tena ampianarin’ny Baiboly, dia faly be aho rehefa nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Be dia be ny fampianaran’ny Baiboly tonga dia hitako hoe mitombina be. Nanampy an’ahy hanova ny fomba fiainako ny zavatra nianarako. Mbola nieritreritra foana anefa aho hoe ny vola ihany no mahasambatra. Raha tsy efa nigadra i Artan, izay aho vao resy lahatra hoe tena marina ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny vola. Nataonay daholo izay rehetra mety hampanankarena anay, nefa tsy sambatra akory izahay. Lasa tsapako tamin’izay hoe nila nanaraka tanteraka ny toro lalan’ny Baiboly aho.”

 Nafahana tany am-ponja aho, tamin’ny 2004. Tsy ela taorian’izay aho dia efa niezaka niverina nivarotra rongony indray. Efa niova anefa i Julinda fa tsy hoatran’ny taloha intsony, sady nahatonga saina ahy ny zavatra noteneniny. Hoy izy: “Tsy mila ny volanao intsony aho, fa ianao no ilaiko. Dia tiako ianao raha eo foana satria mila anao ireo ankizy ireo.” Tezitra aloha aho, nefa fantatro hoe marina ny teniny. Tany am-ponja foana aho mantsy nandritra ny taona maro, dia tsy mba afaka niaraka tamin’ny vady aman-janako. Nieritreritra ny fijaliana rehetra nahazo ahy koa aho, tamin’ireny izaho nitady vola be ireny nefa tsy nanao ny marina. Tapa-kevitra àry aho hoe hiova, dia tsy hiaraka amin’ireny namako taloha ireny intsony.

 Tamin’izaho nandeha nivory niaraka tamin’ny vadiko sy ny zanako roa lahy tany amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah no tena nampiova ahy. Gaga be aho fa tsara fanahy sy mahafinaritra be daholo ny olona hitako tany. Dia lasa nianatra Baiboly ihany aho, tamin’ny farany.

Nieritreritra foana aho taloha hoe raha manam-bola izahay, dia ho sambatra

 Nianarako tao amin’ny Baiboly hoe: “Fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka ... nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.” (1 Timoty 6:9, 10) Tena tsapako tsara mihitsy hoe marina io andinin-teny io. Nanenina tanteraka aho tamin’ny zavatra tsy nety nataoko taloha, satria nijaly be ny fianakaviako vokatr’ilay izy. (Galatianina 6:7) Rehefa fantatro hoe tena tia antsika i Jehovah sy Jesosy, dia niezaka nanova ny toetrako aho. Tsy tia tena hoatran’ny taloha intsony aho, fa izay hahasoa ny hafa indray no noeritreretiko voalohany, anisan’izany ny hoe manokana fotoana betsaka kokoa hiarahako amin’ny vady aman-janako.

NY SOA NORAISIKO

 Nahasoa ahy ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo.” (Hebreo 13:5) Milamin-tsaina tsara aho izao sady madio ny feon’ny fieritreretako. Mahatsiaro ho sambatra aho fa tsy hoatran’ny taloha. Sambatra koa ny tokantranoko, sady mifankatia tsara izahay mianakavy kely.

 Nieritreritra foana aho taloha hoe raha manam-bola izahay, dia ho sambatra. Hitako tsara anefa hoe lasa nijaly be aho satria tia vola loatra sady nanao ny tsy marina. Tsy manan-karena izahay, nefa nahazo zavatra tena lehibe lavitra noho ny harena, dia tsy inona izany fa ny hoe lasa minamana amin’i Jehovah Andriamanitra. Mifandray izahay mianakavy satria manompo azy ary lasa vao maika izahay sambatra.

Miaraka amin’ny fianakaviako, any amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah