Hijery ny anatiny

Nisy Telozoro Volomparasy ny Akanjon’izy Ireo

Nisy Telozoro Volomparasy ny Akanjon’izy Ireo

 Mipetraka any Frantsa i Maud ary manampy ankizy kilemaina any am-pianarana no asany. Nianatra momba ny toby fitanan’ny Nazia sy ny Famonoana Tambabe ny ankizy tao amin’ny kilasy iray, vao haingana. Nisy lamba kely nozairina teo amin’ny akanjon’ny gadra tany amin’ireny toby ireny ka ny lokony sy ny paoziny no nahafantarana ny antony nanagadrana azy.

 Hoy ilay ramose momba ny telozoro volomparasy tamin’ny akanjon’ny gadra sasany: “Lehilahy tia lehilahy sy vehivavy tia vehivavy no nanao an’ireny.” Rehefa nirava, dia nohazavain’i Maud tamin’ilay ramose hoe ny Vavolombelon’i Jehovah no nampanaovin’ny Nazia an’ilay telozoro volomparasy. a Nilaza izy hoe azony itondrana boky sy zavatra hafa manazava an’izany ilay ramose raha tiany. Nanaiky ilay ramose ary nasainy nanazava an’ilay izy tamin’ny mpianatra koa i Maud.

 Nampianatra an’io lesona io koa ny madama iray tany amin’ny kilasy hafa. Nampiasa tabilao izy mba hampisehoana ny karazana famantarana tamin’ny akanjon’ny gadra. Naseho tao amin’ilay tabilao hoe nisy telozoro volomparasy ny akanjo nanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitondran’i Maud boky sy zavatra hafa manazava an’izany ilay madama, taorian’izay. Nalain’ilay madama izay nentiny ary nanao fandaharana izy mba hahafahan’i Maud manazava an’izany amin’ny mpianatra.

Mitazona ny fitaovana nampiasainy i Maud

 Nanomana fanazavana 15 minitra ho an’ilay kilasy voalohany i Maud nefa nomena adiny iray izy rehefa tena tonga ilay fotoana. Nampiseho video momba ny fanenjehan’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah aloha izy. Nasehon’ilay video hoe ankizy 800 zanaka Vavolombelon’i Jehovah no nosarahina tamin’ny ray aman-dreniny. Najanon’i Maud vetivety ilay video ary novakiny ny tantaran’ny ankizy 3 tamin’ireo 800 ireo. Rehefa tapitra ilay video, dia novakiny ny taratasy nosoratan’i Gerhard Steinacher tamin’ny 1940. Mbola vao 19 taona io tovolahy aotrisianina io tamin’izay ary nametraka ny veloma farany ho an’ny ray aman-dreniny izy tao amin’ilay taratasy, ora vitsivitsy talohan’ny namonoan’ny Nazia azy. b

 Nanao fanazavana mitovy amin’izany koa i Maud tao amin’ilay kilasy faharoa. Miresaka momba ny Vavolombelon’i Jehovah foana izao ireo mpampianatra roa ireo rehefa mampianatra mahakasika ny olona nampijalina tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia. Ny herim-pon’i Maud no nahatonga an’izany.

a Nantsoina hoe Bibelforscher (Mpianatra ny Baiboly) ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina. Nogadraina izy ireo satria tsy nety nanohana ny Nazia, nandritra ny Ady Lehibe II.

b Nomelohina ho faty i Gerhard Steinacher satria tsy nety niditra tao amin’ny tafika alemà. Hoy izy tao amin’ilay taratasy: “Mbola kely aho ary tsy hahajoro aho raha tsy omen’ny Tompo hery, izany no angatahiko aminy.” Novonoina izy ny ampitso marainan’iny. Izao no soratra eo amin’ny fasany: “Maty ho an’Andriamanitra izy.”