Hijery ny anatiny

Fitsidihana Betela

Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay. Betela no anarany. Misy fampirantiana any amin’ny sampana sasany, dia tsy mila mpitarika ianao rehefa mitsidika azy ireny fa azonao jerena samirery ilay izy.

Azo Tsidihina Indray ny Betela: Azo tsidihina indray ny biraon’ny sampana any amin’ny tany maro nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023. Anontanio amin’ny biraon’ny sampana any aminareo ny tsipiriany raha te hitsidika ianao. Iangaviana ianao mba tsy handeha hitsidika Betela raha voan’ny COVID-19, voan’ny gripa na sery na tazo na ny toy izany, na vao haingana no nifanerasera tamin’olona voan’ny COVID-19.

Alemaina

Fitsidihana

Hanao Famandrihana

Hijery na Hanova Famandrihana

Haka Bokikely Momba ny Betela

Fampirantiana

Tantaran’i Eoropa Afovoany. Hahalala ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina, Aotrisy, Liechtenstein, Luxembourg, ary Soisa ny mpitsidika, ao amin’ilay fampirantiana hoe “Tantaran’ny Fianakaviana”, sady hahatsapa hoe tahin’i Jehovah ny asa fitoriana any. Tantaraina ao ny niandohan’ny fitoriana tany amin’ireo tany ireo, taorian’ny 1890, tamin’ny mbola vitsy ny mpitory sady niasa irery. Tantaraina ao koa ny fandrarana sy ny fanenjehana, ary ny fitomboana be amin’izao andro maoderina izao.

Adiresy sy Telefaonina

Hijery ny Lalana