Hijery ny anatiny

Fitsidihana Betela

Asainay ianao hitsidika ny biraon’ny sampanay. Betela no anarany. Misy fampirantiana any amin’ny sampana sasany, dia tsy mila mpitarika ianao rehefa mitsidika azy ireny fa azonao jerena samirery ilay izy.

Azo Tsidihina Indray ny Betela: Azo tsidihina indray ny biraon’ny sampana any amin’ny tany maro nanomboka tamin’ny 1 Jona 2023. Anontanio amin’ny biraon’ny sampana any aminareo ny tsipiriany raha te hitsidika ianao. Iangaviana ianao mba tsy handeha hitsidika Betela raha voan’ny COVID-19, voan’ny gripa na sery na tazo na ny toy izany, na vao haingana no nifanerasera tamin’olona voan’ny COVID-19.

Brezila

Fitsidihana

Hanao Famandrihana

Hijery na Hanova Famandrihana

Haka Bokikely Momba ny Betela

Fampirantiana

Ny Baiboly sy Ilay Nampanoratra Azy. Manome haja an’i Jehovah Andriamanitra, ilay nampanoratra ny Baiboly, ity fampirantiana ity satria mendrika an’izany izy. Asongadina ao koa ny foto-kevitry ny Baiboly, izany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho hitan’ny mpitsidika hoe ahoana no nahatonga ny Baiboly ho tonga hatratỳ amin’ny androntsika, ary ahoana no nataon’i Jehovah mba hitovy amin’izay voasoratra tany am-boalohany foana ny hevitra ao na dia nisy niezaka nanova aza.

Tantaran’ny Fitoriana. Asehon’io fampirantiana io hoe notahin’i Jehovah ny fitoriana any Brezila nandritra ny 120 taona mahery. Ho hitan’ny mpitsidika ny tantaran’ny niandohan’ny fitoriana tany Brezila. Nisy fanazavana vaovao hita mantsy, vao haingana, hoe ahoana no niandohan’ny fitoriana tany Brezila, ary ahoana no nitomboan’ny asa tany, na teo aza ny fanoherana sy fanenjehana.

Adiresy sy Telefaonina

Hijery ny Lalana