Hijery ny anatiny

Watchtower—Ilay Soratra Fahitan’ny Olona any Brooklyn

Watchtower—Ilay Soratra Fahitan’ny Olona any Brooklyn

Efa zatra mahita an’ilay soratra menamena eo an-tampon’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mponin’i New York. Vaventibe ilay soratra satria mirefy 4,6 metatra ary tazana foana na andro na alina, efa 40 taona mahery izay. Maro amin’ny mponina any no mampiasa ny filazana ora sy mari-pana eo amin’io soratra io.

Mipetraka any Brooklyn i Eboni ary tazany avy ao an-tranony ilay soratra. Hoy izy: “Tsara erỳ ilay hoe mijery eo amin’ny varavarankely fotsiny dia mahita ny ora sy ny mari-pana, alohan’ny handehanana hiasa. Tsy tara mihitsy aho sady afaka mifidy akanjo mifanaraka amin’ny toetry ny andro.”

Mbola ho eo foana ve ilay famataranandro sy filazana mari-pana amin’ireo 40 taona ho avy? Sarotra inoana izany. Kasaina hafindra any New York avaratra mantsy ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka anjaran’izay ho tompon’ilay trano any aoriana any ny manapa-kevitra ny amin’izany.

Efa nisy soratra napetraky ny tompony taloha teo, 70 taona mahery lasa izay. Novan’ny Vavolombelon’i Jehovah ho amin’ilay paoziny amin’izao fotoana izao ilay izy, tamin’ny 1969, rehefa avy novidin’izy ireo ilay trano.

Mila kojakojaina tsy tapaka ilay soratra. Tovolahy maro hatramin’izay no nikarakara azy io ka nanamboatra izay tsy nety, na tamin’ny firy na tamin’ny firy.

Hoy ny lehilahy iray miasa alina: “Niantso tatỳ ny mpiandraikitra ny filazam-baovao amin’ny tele iray, indray alina. Tara 15 segondra, hono, ilay famantaranandro eo amin’ilay soratra. Tiany hamboarinay ilay izy satria tiany haseho amin’ny fandaharany tamin’io alina io. Tsy maintsy nanamboatra an’ilay izy ny teknisianina iray mbola te hatory, tsy ela taorian’izay.”

Namboarina imbetsaka ilay soratra mba hiasa tsara kokoa sy ho marina kokoa. Mifandimby miseho ny ora sy ny mari-pana amin’ny maridrefy Fahrenheit, fa nampiana ny mari-pana amin’ny maridrefy Celsius kosa izany tamin’ny 1985 tany ho any.

Nosoloana jiro vaovao mazava kokoa ireo jiro nampahazava an’ilay soratra, tamin’ny 2009. Tsara kokoa izy ireo, sady nihena 4 000 dolara isan-taona ny lany tamin’ny fikojakojana azy.