Hijery ny anatiny

Toerana 19 000 Be Izao no Nofandrihana!

Toerana 19 000 Be Izao no Nofandrihana!

Nisy taratasy nalefan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Jolay 2013. Voalaza tao fa hisy fandaharana hatao ho an’ny misionera sy ny mpanompo manontolo andro manokana hafa, manompo any ivelan’ny taniny. Ampiana izy ireo mba ho afaka hamonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra sy fivoriambe iraisam-pirenena any amin’ny taniny, ny taona 2014 ka hatramin’ny fiandohan’ny taona 2015.

Sady afaka manatrika fivoriambe izy ireo amin’izay no afaka mamangy namana na fianakaviana. Voalazan’ilay taratasy fa handeha fiaramanidina izy ireo, ka ny fandaminana no hiantoka ny saran-dalany mandroso sy miverina.

Efa nisy fandaharana nitovy tamin’izany teo aloha, saingy hafa mihitsy ny tamin’io taona io. Nisy sampan-draharaha vaovao natsangana mantsy tany amin’ny foibe, mba hikarakara ny famandrihan-toerana amin’ny fiaramanidina. Ny Komitin’ny Fampianarana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana no miandraikitra an’ilay sampan-draharaha.

Tsy ela taorian’ny nandefasana an’ilay taratasy, dia nanomboka tonga tsikelikely tao amin’ilay sampan-draharaha ny fangatahana tapakila. Lasa be dia be izany fangatahana izany tamin’ny Janoary 2014. Mpanompo manontolo andro manokana avy any amin’ny firenena maro eran-tany no namandrihana toerana tamin’ny fiaramanidina.

Tsy mora ny nanao an’izany. Nisy mpanompo manontolo andro avy any Reykjavík, any Islandy, ohatra, namandrihana toerana nankany Cochabamba, any Bolivia. Ny hafa indray avy any Nouméa, any Nouvelle-Calédonie, no nanketo Antananarivo, Madagasikara. Nisy koa avy any Ouagadougou, any Burkina Faso, no nankany Winnipeg, any Kanada. Nisy aza avy any Port Moresby, any Papouasie-Nouvelle-Guinée, ary nankany Seattle, any Etazonia.

Olona dimy no miasa ao amin’ilay sampan-draharaha, ary namandrika toerana 19 000 teo ho eo tamin’ny fiaramanidina izy ireo. Olona 4300 teo ho eo tany amin’ny tany 176 no nividianana sy nandefasana tapakila. Efa nisy vola nomen’ny fiangonana mba hanaovana an’izany.

Tena nahafaly an’ireo mpanompo manontolo andro ilay fandaharana. Hoy ny mpivady misionera iray: “Efa hiverina any amin’ny tany nanendrena anay any Azia Atsimoatsinanana izahay izao. Tena misaotra betsaka anareo nanampy anay, ka afaka nody kely tany an-tanindrazanay any Angletera izahay. Izay izahay vao mba tafaraka indray tamin’ny fianakavianay, tato anatin’ny dimy taona. Tsy ho afaka nankany mihitsy izahay, raha tsy nisy an’ilay fandaharana. Misaotra betsaka an’izay rehetra nandray anjara tamin’ilay izy.”

Nanoratra toy izao ny misionera iray manompo any Paragoay: “Misaotra betsaka anareo izahay mivady fa afaka nanatrika an’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany New Jersey, any Etazonia. Nieritreritra izahay tamin’ny fiandohan’ny taona 2011 hoe mba hitsidika ny foibe any Etazonia. Efa nanangom-bola hanaovana an’izany izahay. Nasaina nitsidika an’ireo fiangonana mampiasa tenin’ny tanana eto Paragoay anefa izahay, tamin’ny Jona 2011. Tsy maintsy nivezivezy be izahay tamin’ilay izy. Nieritreritra tsara àry izahay ka nanapa-kevitra hoe aleo tsy mankany Etazonia indray fa hividianana fiara hampiasaina amin’ny fanompoana ilay vola. Tanteraka ihany anefa ilay nofinofinay, satria nahazo fanasana hanatrika fivoriambe iraisam-pirenena izahay. Tsara fanahy sy be fitiavana i Jehovah ka tena mankasitraka azy izahay.”

Hoy koa ny mpivady iray any Malawi: “Manoratra kely fotsiny izahay mba hankasitraka anareo amin’ny fonay manontolo. Mino izahay fa niasa mafy ianareo sady nandany fotoana sy vola be, mba hikarakarana an’ireny famandrihan-toerana be dia be ireny. Mankasitraka anareo izahay. Ankasitrahanay koa ny fandaminan’i Jehovah satria malala-tanana. Nampiany izahay ka afaka namonjy fivoriambe iraisam-pirenena tany aminay, sady afaka nitsidika tapaka sy namana.”

Faly be koa ny mpiasa tao amin’ilay sampan-draharaha. Hoy i Mileivi: “Hafakely ilay hoe manampy ny misionera hiverina any amin’ny taniny mba hitsidika ny fianakaviany sy ny namany.” Hoy koa i Dorise: “Hitako tamin’iny hoe tena tia an’ireo ranadahy sy rahavavy manompo manontolo andro any an-tany hafa ny fandaminana.” Nilaza koa i Rodney, mpiandraikitra an’ilay sampan-draharaha, hoe: “Faly aho nandray anjara tamin’iny fandaharana iny.”

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany fa afaka nandray anjara tamin’io fandaharana io. Be fitiavana izy ireo ka nanao fanomezana ho an’ireo rahalahy sy anabaviny mahafoy tena sy miasa mafy any an-tany hafa.