Hijery ny anatiny

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Amin’ny Teny Tagalog Natao Tany Roma: “Tena Fivoriam-pianakaviana”

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Amin’ny Teny Tagalog Natao Tany Roma: “Tena Fivoriam-pianakaviana”

Avy any Philippines ny Tagalog, nefa any amin’ny 10000 kilaometatra mahery no misy an’i Roma, any Italia. Tany Roma ny Vavolombelon’i Jehovah an’arivony miteny tagalog no nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 24-26 Jolay 2015. Tena niavaka ilay izy!

Tombanana ho 850000 mahery ny olona avy any Philippines mipetraka any Eoropa. Misy 60 eo ho eo àry ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy antoko-mpitory manao fivoriana amin’ny teny tagalog, any Eoropa. Mitory amin’ny olona avy any Philippines izy ireo.

Sambany anefa ireo fiangonana sy antoko-mpitory ireo no nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ny teny tagalog tany Roma. Naharitra telo andro ilay izy. Nisy 3239 ny mpanatrika, ary tena faly izy ireo fa ny Rahalahy Mark Sanderson no nanao ny lahateny farany isan’andro. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary efa nanompo tany Philippines.

“Nanohina ny foko ilay izy”

Mitovy ve ny manatrika fivoriambe atao amin’ny fitenin-drazanao sy ny atao amin’ny fiteny hafa hainao? Hoy i Eva, reny mitaiza irery ny zanany: “Mahay teny anglisy kely ihany aho. Tonga dia nanohina ny foko anefa ny fampianarana ao amin’ny Baiboly, satria natao tamin’ny teny tagalog ilay fivoriambe.” Tsy any Italia anefa no mipetraka izy sy ny zanany roa fa any Espaina. Mba hitsitsiana vola hamonjena an’ilay fivoriambe àry, dia nanapa-kevitra izy ireo fa indray mandeha isam-bolana ihany no hisakafo any amin’ny hotely, fa tsy isan-kerinandro hoatran’ny fanaony. Hoy i Eva: “Tsy maty antoka izahay satria azoko tsara daholo ny zava-drehetra tany amin’ilay fivoriambe!”

Mipetraka any Alemaina kosa i Jasmin. Nangataka andro tsy hiasana izy mba hanatrehana an’ilay fivoriambe. Hoy izy: “Efa hiainga mihitsy anefa aho no nilazana hoe tsy mahazo mandeha satria misy asa tsy maintsy vitaina. Niezaka ny ho tony aho, ary nivavaka tamin’i Jehovah. Nohatoniko ny lehibenay, ary nifampiresaka izahay ka azonay nalamina ny fandaharam-potoana mba hahafahako hanatrika ilay fivoriambe. Tena nahafinaritra ny niaraka tamin’ireo anadahy sy rahavavy avy any Philippines mipetraka atỳ Eoropa!”

Olona maro avy any Philippines no malahelo ny tanindrazany. Malahelo an’ireo namany nifindra monina nankany Eoropa koa izy ireo. Faly be àry ireo mpinamana rehefa nifankahita tao amin’ilay fivoriambe, satria lasa mpirahalahy sy mpirahavavy koa izy ireo izao. (Matio 12:48-50) Hoy i Fabrice: “Faly be aho fa nifankahita tamin’ny olona efa fantatro taloha!” Hoy koa ny anabavy iray, rehefa vita ilay fivoriambe: “Tena fivoriam-pianakaviana ilay izy!”