Hijery ny anatiny

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana Nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana Nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah

Vao haingana izay ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana tany Brezila, Costa Rica, Hong-Kong, Irlandy, Israely, Nouvelle-Zélande, ary Soeda. Tany Soeda no natao ny voalohany, tamin’ny Jolay 2012, ary tany Costa Rica sy Nouvelle-Zélande ny telo farany, tamin’ny Janoary 2013.

Nisy lahateny ara-baiboly sy fampisehoana ary tantara an-tsehatra tamin’izy ireny, toy ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra telo andro fanaonay isan-taona ihany.

Maro ny vahiny avy any an-tany hafa nasaina nanatrika an’ireny fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana ireny. Efa nisy fandaharana mialoha natao mba hahafahan’izy ireo handehandeha hitsidika an’ilay tany, aloha sy aorian’ny fivoriambe.

Hoy ny lehilahy iray nasaina nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Brezila: “Tena mahavariana ny fitiavan’ireo rahalahy sy ny fikarakarany. Hoatran’ny hoe nahazo havana tampotampoka teo aho.”

Hoy koa ny lehilahy iray nasaina nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana tany Hong-Kong: “Tena nampihetsi-po ahy ny nahita olona maro faly be sy latsa-dranomaso rehefa navoaka ireo boky ara-baiboly vaovao, ka namihina azy ireny teny an-tratrany ireo olona miteny mandarin.”

Manao fivoriamben’ny vondrom-paritra isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ka an-tapitrisany ny mpanatrika.

Mifankatia sy falifaly ary mihavana izahay ka tena mahatsapa an’izany izay manatrika fivoriambe. Vao mainka izany miharihary amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana sy fivoriambe iraisam-pirenena. Faly erỳ ny rehetra mifamihina, mifampiresaka, miara-misakafo, mifanolotra fanomezana, mifanome adiresy, ary miara-maka sary mandritra ny fiatoana.

Afaka manatrika ny fivoriambe rehetra ataonay daholo na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza.