Hijery ny anatiny

Tia Namana Izahay ka Manampy Rehefa Misy Loza

Tia Namana Izahay ka Manampy Rehefa Misy Loza

Manampy ny mpiara-mivavaka aminy sy ny olon-kafa ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa misy loza mitranga. Ny fitiavana, izay amantarana ny tena Kristianina, no mahatonga azy ireo hanao izany.—Jaona 13:35.

Tantaraina eto ambany ny sasany amin’ny fanampiana natao teo antenatenan’ny 2011 ka hatreo antenatenan’ny 2012. Mikarakara an’izay ilain’ny olona eo amin’ny ara-panahy sy ara-pihetseham-po foana koa izahay fa tsy tantaraina eto izany. Manendry olona ho anisan’ny komitin’ny vonjy rano vaky ny biraon’ny sampanay, ka io komity io no tena mandamina ny fanampiana. Nitondra ny anjara birikiny foana koa ireo fiangonana eo an-toerana.

Japon

Japon: Nisy horohoron-tany sy tsunami tany amin’ny faritra avaratra tamin’ny 11 Martsa 2011, ary nisy vokany teo amin’ny olona ana hetsiny izany. Nalala-tanana ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ka nampiasa ny fahaizany sady tsy nitsitsy vola sy fananana mba hanampiana azy ireo hiarina. Jereo ilay video manazava hoe inona avy natao mba hanampiana ny tra-boina tany Japon.

Brezila: Olona an-jatony no maty noho ny tondra-drano sy tany nihotsaka. Nandefa an’ireto tany amin’ilay faritra niharan-doza àry ny Vavolombelon’i Jehovah: Sakafo azo tehirizina 42 taonina, tavoahangin-drano 20000, akanjo 10 taonina, fitaovana fanadiovana 5 taonina, ary fanafody sy zavatra hafa.

Congo (Brazzaville): Nipoaka ny trano fasiana baomba sy fitaovam-piadiana, ka Vavolombelon’i Jehovah 4 no namoy ny tranony ary simba koa ny tranon’ny Vavolombelona 28 hafa. Nizarana sakafo sy fitafiana ny olona niharan’ilay loza, ary nampiantrano fianakaviana tra-boina ny Vavolombelon’i Jehovah tany an-toerana.

Congo (Kinshasa): Nomena fanafody ny olona voan’ny kôlerà. Nizarana fitafiana ireo tra-boina noho ny tondra-drano. Notsaboina koa ny olona tany amin’ny toby. Nomena voa hambolena izy ireo ary nizarana fitafiana amin’ny taonina.

Venezoelà: Nisy tondra-drano sy tany nihotsaka tany Venezoelà, satria avy be loatra ny orana. Nanampy an’ireo Vavolombelon’i Jehovah 288 tratran’ilay voina àry ny komitin’ny vonjy rano vaky. Trano vaovao 50 mahery no naorina. Misondrotra be koa ny ranon’ny Farihy Valencia, ka atahorana iharan-doza ny olona mipetraka amin’ny trano sasany. Efa manampy azy ireo ny komitin’ny vonjy rano vaky.

Philippines

Philippines: Nisy faritra tratran’ny tondra-drano taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza. Nandefa sakafo sy fitafiana ho an’ireo tra-boina ny biraon’ny sampana. Nanampy tamin’ny fanadiovana koa ny Vavolombelon’i Jehovah tany an-toerana rehefa nihena ny rano.

Kanada: May ny ala tany Alberta ka nanome vola be dia be ho an’ny fiangonana Slave Lake ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ilay faritra, mba hanampiana azy ireo amin’ny fanadiovana. Mbola nisy ambiny antsasany mahery ilay vola ka nomen’ilay fiangonana hanampiana an’izay iharan-doza any an-tany hafa.

Côte d’Ivoire: Nomena entana sy trano ary fitsaboana ny olona sahirana, taloha sy nandritra ary taorian’ny ady.

Fidji: Nisy tondra-drano be tany satria avy be loatra ny orana. Fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah 192 no niharan’ilay loza. Tsy manana foto-pivelomana intsony ny ankamaroany satria potika ny toeram-pamboleny sy fiompiany. Nomena sakafo àry izy ireo.

Ghana: Nomena sakafo sy voa ambolena ary trano vaovao ireo olona tratran’ny tondra-drano tany amin’ny faritra atsinanana.

Etazonia: Vavolombelon’i Jehovah maromaro no niharam-pahavoazana noho ny fandalovan’ny rambondanitra: Trano 66 no simba ary 12 no rava tanteraka. Nisy vola àry natokana hanampiana an’ireo niharan-doza, na dia manana fiantohana aza ny ankamaroany.

Arzantina: Nampian’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpiara-mivavaka aminy any atsimo, satria simban’ny lavenona avy amin’ny volkano ny tranon’izy ireo.

Mozambika: Nizarana sakafo ireo olona 1000 mahery tratran’ny hain-tany.

Nizeria: Niharan’ny lozam-piarakodia ny Vavolombelon’i Jehovah 20 mahery nandeha bisy. Nomena vola fanampiana izy ireo. Miady koa ny antokom-pivavahana any avaratra ka maro ny Vavolombelon’i Jehovah lasa tsy manan-trano. Nomena fanampiana koa izy ireo.

Bénin: Nomena fanafody, fitafiana, lay aro moka, rano madio, ary trano ireo tra-boina noho ny tondra-drano.

Repoblika Dominikanina

Repoblika Dominikanina: Nanome fitaovana sady nanampy tamin’ny fanamboarana an’ireo trano simba ny fiangonana tany an-toerana, rehefa lasa ny rivo-doza Irene.

Etiopia: Faritra roa no tratran’ny hain-tany ary faritra iray hafa no tratran’ny tondra-drano, ka nomena vola ny olona niharan-doza.

Kenya: Nomena vola fanampiana ny olona tratran’ny hain-tany.

Malawi: Nomena fanampiana ny olona tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana atao hoe Dzaleka.

Népal: Simba be ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah iray satria nisy tany nihotsaka. Nanamboarana trano vonjimaika izy ary nanampy azy ny fiangonana tany an-toerana.

Papouasie-Nouvelle-Guinée: Trano valo an’ny Vavolombelon’i Jehovah no nisy nandoro. Nisy fandaharana natao mba hanamboarana an’ireo trano ireo.

Romania: Nisy Vavolombelon’i Jehovah namoy ny tranony noho ny tondra-drano. Nampiana izy ireo mba hanamboarana ny tranony.

Mali: Kely ny vokatra noho ny hain-tany ka nanome vola fanampiana an’ireo tsy ampy sakafo ny Vavolombelon’i Jehovah tany Sénégal.

Sierra Leone: Rotidrotiky ny ady ny faritra sasany. Nanome fanafody sy nitsabo an’ireo Vavolombelon’i Jehovah mipetraka any àry ireo dokotera Vavolombelona avy any Frantsa.

Tailandy: Nandravarava faritany maro ny tondra-drano. Nisy ekipa maromaro àry nanamboatra sy nanadio trano 100 sy Efitrano Fanjakana 6.

Repoblika Tseky: Nanimba trano maro tany amin’ny Repoblika Tseky ny tondra-drano, ka nitondra fanampiana vonjy rano vaky ny Vavolombelon’i Jehovah tany Slovakia.

Sri Lanka: Vita ny ankamaroan’ny zavatra natao mba hanampiana an’ireo olona tratran’ny tsunami.

Soudan: Voatery niala tany amin’ny taniny ny Vavolombelon’i Jehovah satria nisy ady. Nandefasana sakafo, fitafiana, kiraro, ary horonana plastika izy ireo.

Tanzania: Fianakaviana 14 no namoy ny fananany satria nisy tondra-drano be. Nanome akanjo sy kojakoja ao an-tokantrano àry ny fiangonana tany an-toerana. Trano iray namboarina no efa vita.

Zimbabwe: Nisy mosary tany amin’ny faritra iray noho ny hain-tany. Nomena sakafo sy vola àry ireo tsy manan-kohanina.

Burundi: Notsaboina sy nomena fanampiana hafa ny mpitsoa-ponenana.