Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TheCrimsonMonkey/E+ via Getty Images

Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra mba Hamahana ny Olana Momba ny Tontolo Iainana?

Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra mba Hamahana ny Olana Momba ny Tontolo Iainana?

 “Miteraka olana be dia be ho an’ny olona, ho an’ny tanàna, ary ho an’ny zavamaniry sy ny biby ny fikorontanana eo amin’ny resaka toetrandro. Vao mainka mihamahery ny rivo-doza noho ny fiovaovan’ny toetrandro, dia lasa manapotika trano sy manimba ny fiveloman’ny olona maneran-tany. Lasa mamay be koa ny any anaty ranomasina, dia be dia be ny zavamananaina atahorana ho faty.”​—Inger Andersen, sekretera jeneraly lefitry ny Firenena Mikambana sy mpitantana ny Fandaharan’asan’ny ONU Momba ny Tontolo Iainana, 25 Jolay 2023.

 Ho vitan’ny fitondram-panjakana ve ny hiara-miasa mba hamahana an’ireo olana maneran-tany ireo? Hahita vahaolana maharitra ve ry zareo?

 Milaza ny Baiboly hoe misy fitondram-panjakana iray afaka mamaha ny olana rehetra momba ny tontolo iainana, sady tena hanao an’izany. Resahina ao hoe “hanangana fanjakana iray ilay Andriamanitry ny lanitra.” Hitondra ny tany manontolo io fanjakana io, dia hamaha ny olana rehetra maneran-tany. (Daniela 2:44) “Tsy hanisy ratsy an’iza na iza” sady “tsy hanimba na inona na inona” eto an-tany ny olona, rehefa mitondra io fanjakana io.​—Isaia 11:9.