Ho An’ny Filipianina 2:1-30

  • Manetre tena (1-4)

  • Nanetry tena i Kristy, dia avy eo nasandratra (5-11)

  • Miezaha foana mba ho voavonjy (12-18)

    • Mamirapiratra hoatran’ny hazavana (15)

  • Tiany hirahina i Timoty sy Epafrodito (19-30)

2  Raha afaka mampahery àry ianareo izay tafaray amin’i Kristy, raha afaka mampionona noho ny fitiavana, ary raha afaka mifampiahy sy maneho fitiavana ary mangoraka,  dia ataovy izay hahafaly be ahy, ka miezaha hiray saina, hifankatia, hiray hina* tanteraka, ary hitovy hevitra.+  Aza tia ady*+ na mirehareha,+ fa manetre tena ka hevero hoe ambony noho ianareo ny hafa.+  Ary aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny,+ fa izay hahasoa ny hafa koa.+  Miezaha foana hanana an’izao toe-tsaina nananan’i Kristy Jesosy izao:+  Na dia fanahy hoatran’Andriamanitra aza izy,+ dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra.+  Nafoiny kosa ny zava-drehetra, dia lasa hoatran’ny mpanompo+ izy ary lasa olombelona.*+  Ary tsy izay ihany, fa rehefa lasa olombelona* izy, dia nanetry tena ary nankatò ka nanaiky ho faty mihitsy aza,+ izany hoe ho faty teo amin’ny hazo fijaliana.*+  Izany mihitsy no nahatonga an’Andriamanitra hanandratra azy ho amin’ny toerana ambony kokoa,+ sady hanome azy amin-katsaram-panahy anarana ambony kokoa noho ny anarana hafa rehetra.+ 10  Amin’izay dia handohalika amin’ny anaran’i Jesosy ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra na ny eto an-tany na ny any ambanin’ny tany,+ 11  ary hanaiky daholo ny lela rehetra fa i Jesosy Kristy no Tompo,+ ho voninahitr’Andriamanitra Ray. 12  Efa nankatò foana ianareo, ry malala, tsy tamin’izaho teo aminareo ihany, fa vao mainka aza amin’izao izaho tsy eo aminareo izao. Noho izany, dia miezaha foana mba ho voavonjy, sady matahotra sy mangovitra ihany. 13  Andriamanitra mantsy no manatanjaka anareo, araka izay mahafinaritra azy, ka mahatonga anareo hanana faniriana sy hery hanaovana zavatra. 14  Na inona na inona ataonareo, dia aza mba mimenomenona+ na miady hevitra.+ 15  Amin’izay ianareo dia tsy hisy hokianina sady tsy hanan-tsiny, ary ho zanak’Andriamanitra+ tsy misy tsiny eo anivon’ny taranaka maditra sy ratsy fanahy.+ Mamirapiratra eo anivon’izany taranaka izany ianareo, hoatran’ny hazavana eo amin’izao tontolo izao,+ 16  sady mifikitra mafy amin’ny tenin’ny fiainana.+ Manana antony hifaliana àry aho amin’ny andron’i Kristy, satria fantatro fa tsy very maina fotsiny ny hazakazaka na ny asa mafy nataoko. 17  Faly anefa aho ary miara-mifaly aminareo rehetra, na dia atao hoatran’ny fanatitra zava-pisotro+ aza, ka araraka eo amin’ny sorona+ sy ny fanompoana masina* ataonareo noho ny finoanareo. 18  Mifalia koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko. 19  Manantena aho izao, raha sitrapon’i Jesosy Tompo, hoe haniraka an’i Timoty+ ho any aminareo tsy ho ela. Amin’izay dia hahazo fampaherezana aho rehefa maheno vaovao momba anareo. 20  Fa izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra aminy, izay tena hikarakara anareo. 21  Ny hafa rehetra mantsy samy mitady izay hahasoa ny tenany fotsiny, fa tsy izay tian’i Jesosy Kristy. 22  Fantatrareo tsara anefa ny lazan’i Timoty. Fa hoatran’ny zanaka+ miara-manompo amin’ny rainy izy, rehefa niara-nanompo tamiko mba hampandroso ny vaovao tsara. 23  Izy àry ilay antenaiko hirahina, raha vao hitako hoe inona no hitranga amiko. 24  Ary tena matoky aho fa ho avy any tsy ho ela koa, raha sitrapon’ny Tompo.+ 25  Hitako hoe ilaina anefa izao ny maniraka an’i Epafrodito ho any aminareo. Rahalahiko sy mpiara-miasa amiko ary miaramila tahaka ahy izy, ary nirahinareo hanompo ahy sy hikarakara an’izay ilaiko.+ 26  Tena te hahita anareo rehetra mantsy izy, ary kivy be satria efa henonareo hoe narary izy. 27  Narary saika maty tokoa izy, nefa namindra fo taminy Andriamanitra, ary tsy taminy ihany fa tamiko koa, mba tsy hisesisesy ny alaheloko. 28  Halefako any faran’izay haingana àry izy izao. Amin’izay dia ho faly indray ianareo rehefa mahita azy, ary izaho koa tsy dia hanahy be loatra. 29  Koa raiso tsara izy, hoatran’ny fanaonareo rehefa mandray ny mpanara-dia ny Tompo, sady raiso amim-pifaliana be, ary tiavo sy hajao foana ny olona hoatr’azy.+ 30  Efa saika maty mantsy izy noho izy nanao ny asan’i Kristy,* ka nanao vivery ny ainy mba hanampiana ahy, satria ianareo tsy eto dia tsy afaka manampy ahy.+

Fanamarihana

Na: “hiray fo.”
Na: “Aza tia miady hevitra.”
Abt: “lasa nitovy tamin’ny olombelona.”
Abt: “rehefa hita hoe hoatran’ny olombelona.”
Jereo F.T.
Na: “fanompoana ho an’ny besinimaro.”
Na mety hoe “ny asan’ny Tompo.”