Nosoratan’i Jaona 3:1-36

  • Jesosy sy Nikodemosy (1-21)

    • Hateraka indray (3-8)

    • Tia an’izao tontolo izao Andriamanitra (16)

  • Ny fanambarana farany nataon’i Jaona momba an’i Jesosy (22-30)

  • Ilay avy any ambony (31-36)

3  Nisy lehilahy iray anisan’ny Fariseo. Nikodemosy+ no anarany, ary mpitondra teo amin’ny Jiosy izy.  Tonga tao amin’i Jesosy izy rehefa alina,+ ka niteny taminy hoe: “Raby ô,+ fantatray fa mpampianatra nirahin’Andriamanitra ianao, satria tsy misy mahavita an’ireny famantarana+ nataonao ireny raha tsy ampian’Andriamanitra.”+  Dia hoy i Jesosy: “Lazaiko marimarina aminao fa tsy misy olona afaka mahita ny Fanjakan’Andriamanitra,+ raha tsy ateraka indray.”*+  Hoy i Nikodemosy: “Hataon’ny olona ahoana no hateraka indray rehefa antitra izy? Angaha moa izy afaka miditra ao an-kibon-dreniny indray mba hateraka?”  Dia hoy i Jesosy: “Lazaiko marimarina aminao fa tsy misy olona afaka miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, raha tsy ateraky ny rano+ sy ny fanahy.+  Izay nateraky ny nofo dia nofo, fa izay nateraky ny fanahy kosa dia fanahy.  Aza gaga raha nilaza taminao aho hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo.  Mitsoka any amin’izay tiany ny rivotra, ary henonao ny feony, nefa tsy fantatrao hoe avy aiza ilay izy, na ho aiza. Dia hoatr’izany koa izay rehetra ateraky ny fanahy.”+  Ary hoy i Nikodemosy: “Ahoana no hampety an’izany?” 10  Dia hoy i Jesosy: “Mpampianatra eo amin’ny Israely ve ianao, dia tsy mahafantatra an’izany? 11  Lazaiko marimarina aminao fa izay fantatray no teneninay ary izay efa hitanay no ambaranay, fa ianareo no tsy nandray an’izany. 12  Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no noresahiko taminareo nefa mbola tsy mino ihany ianareo, dia hino ve ianareo raha ny zavatra any an-danitra no resahiko aminareo? 13  Ankoatra izany, dia tsy nisy niakatra tany an-danitra+ afa-tsy ilay nidina avy tany,+ dia ny Zanak’olona. 14  Hoatran’ny nanandratan’i Mosesy an’ilay bibilava tany an-tany efitra+ koa no tsy maintsy anandratana ny Zanak’olona,+ 15  mba hahazo fiainana mandrakizay izay rehetra mino azy.+ 16  “Fa tena tia an’izao tontolo izao Andriamanitra ka nanome an’ilay Zanany lahitokana,+ mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hahazo fiainana mandrakizay.+ 17  Tsy ny hanameloka an’izao tontolo izao no nanirahan’Andriamanitra ny Zanany ho amin’izao tontolo izao, fa ny hamonjy an’izao tontolo izao amin’ny alalany.+ 18  Tsy homelohina* izay maneho finoana ny Zanaka.+ Efa voaheloka sahady kosa izay tsy maneho finoana azy, satria tsy naneho finoana ny anaran’ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra.+ 19  Izao no antony anamelohana ny olona: Tonga teo amin’izao tontolo izao ny mazava,+ saingy naleon’ny olona ny haizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny ataony. 20  Fa izay zatra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, sao hibaribary ny ataony. 21  Izay manao ny marina kosa manatona ny mazava+ mba haseho izay ataony, ka ho hita fa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izany.” 22  Taorian’izany dia nankany ambanivohitr’i Jodia i Jesosy sy ny mpianany. Nijanona elaela tany niaraka tamin’ny mpianany izy, sady nanao batisa.+ 23  I Jaona koa anefa nanao batisa tao Ainona tany akaikin’i Saleima, satria nisy rano be tao.+ Dia tonga foana ny olona ka natao batisa.+ 24  Mbola tsy nogadraina mantsy i Jaona tamin’izay.+ 25  Ary niady hevitra tamin’ny Jiosy anankiray momba ny fidiovana ny mpianatr’i Jaona. 26  Tonga teo amin’i Jaona àry izy ireo, ka niteny hoe: “Raby ô, hitanao moa ilay lehilahy noresahinao taminay iny, ilay niaraka taminao teny ampitan’ny Reniranon’i Jordana?+ Manao batisa izy izao, dia mankany aminy daholo ny olona.” 27  Dia hoy i Jaona: “Tsy misy mahazo na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. 28  Ianareo mihitsy no vavolombelona fa efa niteny aho hoe: ‘Tsy izaho no Kristy,+ fa nirahina hialoha azy fotsiny aho.’+ 29  Izay manana ny ampakarina no mpampakatra.+ Faly be anefa ny naman’ny mpampakatra rehefa mijoro eo akaikin’ny mpampakatra ka maheno azy miteny. Koa efa feno izao ny fifaliako. 30  Tsy maintsy mitombo ny asan’iny olona iny, fa ny ahy kosa tsy maintsy mihena.” 31  Ilay avy any ambony dia ambonin’ny+ hafa rehetra. Ilay avy eto an-tany kosa miresaka zavatra eto an-tany satria izy avy eto an-tany. Ilay avy any an-danitra dia ambonin’ny hafa rehetra.+ 32  Izay hitany sy henony no ambarany,+ nefa tsy misy manaiky an’izany.+ 33  Izay nanaiky ny fanambarany dia nanamafy* hoe marina Andriamanitra.+ 34  Fa ilay nirahin’Andriamanitra no milaza ny tenin’Andriamanitra.+ Tsy mba kahihitra* mantsy Izy rehefa manome ny fanahiny. 35  Tian’ny Ray ny Zanaka+ ka nomeny teo am-pelatanany ny zava-drehetra.+ 36  Izay maneho finoana ny Zanaka dia hahazo fiainana mandrakizay.+ Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahazo fiainana,+ fa ho tezitra aminy foana Andriamanitra.+

Fanamarihana

Na mety hoe “ateraka avy any ambony.”
Abt: “Tsy hotsaraina.”
Abt: “nanisy tombo-kase.”
Na: “Tsy mba manisy fetra.”