Nosoratan’i Matio 24:1-51

  • FAMANTARANA NY FANATREHAN’I KRISTY (1-51)

    • Ady, mosary, horohoron-tany (7)

    • Hotorina ny vaovao tsara (14)

    • Fahoriana lehibe (21, 22)

    • Famantarana ny Zanak’olona (30)

    • Fanoharana momba ny aviavy (32-34)

    • Ho toy ny tamin’ny andron’i Noa (37-39)

    • Miambena foana (42-44)

    • Ilay mpanompo mendri-pitokisana sy ilay mpanompo ratsy fanahy (45-51)

24  Tamin’i Jesosy niala tao amin’ny tempoly, dia nanatona azy ny mpianany mba hampiseho azy an’ireo trano tao amin’ny tempoly.  Dia hoy izy tamin’izy ireo: “Hitanareo ve ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy hisy vato havela hifanaingina mihitsy eo, fa harodana daholo.”+  Tamin’izy nipetrapetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, dia nanatona azy mitokana ny mpianany, ka niteny hoe: “Lazao aminay hoe rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana hoe efa manatrika*+ ianao ary efa akaiky ny faran’izao tontolo izao?”*+  Dia namaly azy ireo i Jesosy hoe: “Mitandrema sao hisy hamitaka anareo.+  Fa maro no hisandoka ny anarako, dia hiteny hoe: ‘Izaho no Kristy’, ka be dia be no ho voafitany.+  Haheno ady ianareo ary hisy hilaza aminareo koa hoe misy ady any an-toeran-kafa. Aza matahotra anefa, fa tsy maintsy hitranga izany, nefa mbola tsy ho tonga ny farany.+  “Fa hisy firenena hiady amin’ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin’ny fanjakana.+ Ary hisy mosary+ sy horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa.+  Izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana.*  “Dia henjehin’ny olona*+ ianareo ka hovonoiny ho faty.+ Ary ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.+ 10  Betsaka koa no hiala amin’ny finoana sy hamadika ny namany ary hifankahala. 11  Hisy mpaminany sandoka be dia be koa hipoitra ka hamitaka olona maro.+ 12  Ary hihalefy ny fitiavan’ny olona maro satria hihabetsaka ny mpandika lalàna. 13  Fa izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.+ 14  Ary hotorina maneran-tany* ity vaovao tsaran’ilay Fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra,+ vao ho tonga ny farany. 15  “Rehefa hitanareo mitsangana ao amin’ny toerana masina+ àry ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana, araka ny nolazain’i Daniela mpaminany—aoka ny mpamaky handinika tsara—, 16  dia mila mandositra any an-tendrombohitra izay any Jodia.+ 17  Izay any an-tampon-trano koa tsy tokony hidina haka ny fananany ao an-tranony, 18  ary izay any an-tsaha tsy tokony hiverina haka ny akanjony ivelany. 19  Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mampinono, amin’izany andro izany! 20  Mivavaha foana mba tsy ho amin’ny ririnina na amin’ny andro sabata ianareo no handositra. 21  Fa amin’izany fotoana izany, dia hisy fahoriana lehibe+ izay mbola tsy nisy hoatr’izany hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka hatramin’izao, sady tsy hisy intsony.+ 22  Raha tsy nohafohezina izany andro izany, dia tsy hisy olona* ho voavonjy. Noho ny olom-boafidy anefa, dia hohafohezina izany andro izany.+ 23  “Ary aza mino raha misy milaza aminareo hoe: ‘Atỳ Kristy!’,+ na hoe: ‘Arỳ izy!’+ 24  Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka+ ho avy, ka hanao famantarana lehibe sy fahagagana, satria tiany hofitahina+ hatramin’ny olom-boafidy, raha azony atao. 25  Efa mampitandrina anareo aho izao. 26  Koa aza mivoaka ny trano raha misy milaza aminareo hoe: ‘Any an-tany efitra izy.’ Aza mino koa raha misy milaza hoe: ‘Ao amin’ny efitra anatiny izy.’+ 27  Fa ho toy ny tselatra avy any atsinanana ka mazava hatrany andrefana ny fanatrehan’ny* Zanak’olona.+ 28  Any amin’izay misy ny faty no hiangonan’ny voromahery.+ 29  “Aorian’ilay fahoriana amin’izany andro izany avy hatrany, dia ho maizina ny masoandro,+ tsy hanome hazavana ny volana, ho latsaka avy any an-danitra ny kintana, ary hohozongozonina ny herin’ny lanitra.*+ 30  Avy eo dia hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona. Dia hikapo-tratra noho ny alahelo ny foko rehetra eto an-tany.+ Ho hitan’izy ireo ho avy eny amin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona,+ sady ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe.+ 31  Ary hotsofina mafy ny trompetra, dia hirahiny ny anjeliny ka hangonin’izy ireo avy any amin’ny vazan-tany efatra ny olom-boafidiny, avy any amin’ny faravodilanitra rehetra.+ 32  “Makà lesona avy amin’ity fanoharana momba ny aviavy ity: Raha vao mitsimoka ny rantsany ka manomboka misy raviny, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fahavaratra.+ 33  Hoatr’izany koa fa rehefa hitanareo izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky izy, efa eo am-baravarana.+ 34  Lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany. 35  Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona mihitsy.+ 36  “Tsy misy mahalala an’izany andro sy ora izany,+ na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.+ 37  Fa ho toy ny tamin’ny andron’i Noa ihany+ ny fanatrehan’ny* Zanak’olona.+ 38  Tamin’izany andro izany mantsy, tamin’ny mbola tsy tonga ny Safodrano, dia nihinana sy nisotro ny olona, ary nampaka-bady sy navoaka hampakarina, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara.+ 39  Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ilay Safodrano nifaoka azy rehetra.+ Ho toy izany koa amin’ny fanatrehan’ny Zanak’olona. 40  Hisy roa lahy any an-tsaha, ka ny iray hoentina ary ny iray havela. 41  Hisy roa vavy hanodina vato fikosoham-bary, ka ny iray hoentina ary ny iray havela.+ 42  Miambena foana àry ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.+ 43  “Tadidio izao: Raha fantatry ny tompon-trano hoe amin’ny fotoam-piambenana fahafiry* ny mpangalatra no ho tonga,+ dia ho niari-tory niambina izy ka tsy ho navelany hovakina ny tranony.+ 44  Miomàna+ koa àry ianareo satria amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona. 45  “Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina* izay notendren’ny tompony hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety?+ 46  Sambatra izany mpanompo izany rehefa tonga ny tompony ka mahita azy manao an’izany!+ 47  Lazaiko marina aminareo fa hotendreny hiandraikitra ny fananany rehetra izy. 48  “Fa raha miteny anakampo kosa ilay mpanompo ratsy fanahy hoe: ‘Mba ela koa izany tompoko izany!’,+ 49  ka manomboka mikapoka ny mpanompo hafa izy ary miara-mihinana sy misotro amin’ny mamo lava, 50  dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompony,+ 51  ka hanasazy azy faran’izay mafy ary handefa azy any amin’ny mpihatsaravelatsihy. Any izy no hitomany sy hihidy vazana.*+

Fanamarihana

Abt: “fanaintainan’ny vehivavy mihetsi-jaza.”
Abt: “hatolotry ny olona ho amin’ny fahoriana.”
Na: “manerana ny tany misy mponina.”
Abt: “nofo.”
Jereo F.T.
Mety ho ny masoandro sy ny volana ary ny kintana.
Jereo F.T.
Na: “amin’ny firy amin’ny alina.”
Na: “hendry.”
Izany hoe hihidy vazana satria ho tezitra sy hamoy fo.