Ohabolana 17:1-28

  • Aza mamaly ratsy ny soa atao aminao (13)

  • Mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana (14)

  • Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana (17)

  • “Fanafody tena mandaitra ny fo falifaly” (22)

  • Mahafehy ny vavany ny olona mahay mandinika (27)

17  Aleo sombi-mofo maina hohanina ao amin’izay misy fihavanana,*+Toy izay trano misy fety* be nefa misy fifamaliana.+   Ny mpanompo lalin-tsaina no hifehy ny zanaka manala baraka.Hahazo anjara lova koa izy, hoatran’ny zanaky ny tompony ihany.   Natao ho an’ny volafotsy ny vilany fanadiovana metaly, ary ho an’ny volamena ny fatana fandrendrehana,+Fa i Jehovah kosa no mpandinika ny fo.+   Mihaino fosafosa ny ratsy fanahy,Ary mihaino fanaratsiana ny mpamitaka.+   Izay manesoeso ny mahantra dia manao tsinontsinona ny Mpanao azy,+Ary izay faly amin’ny fahavoazan’ny hafa dia tsy maintsy ho voasazy.+   Satroboninahitry ny be taona ny zafikeliny,Ary voninahitry ny zanakalahy* ny rainy.*   Tsy mendrika ny hilaza ny marina* ny tsisy saina,+ Ary vao mainka tsy mendrika ny handainga ny mpitondra.*+   Amin’ny tompony, dia toy ny vatosoa* ny fanomezana,+Ka na aiza na aiza alehany, dia lasa mety daholo izay ataony.+   Izay mamela* fahadisoana dia mitady fitiavana,+Fa izay mbola miresadresaka an’ilay fahadisoana kosa mampisaraka ny mpinamana be.+ 10  Ny teny henjana atao indray mandeha amin’ny mahira-tsaina dia mandaitra kokoa+Noho ny kapoka injato amin’ny tsisy saina.+ 11  Tsy mitady afa-tsy ny hikomy ny olon-dratsy,Nefa hisy olona tsy misy antra hirahina hanasazy azy.+ 12  Aleo mifanena amin’ny orsa very zanaka,Toy izay mifanena amin’ny olona tsisy saina mampiseho ny hadalany.+ 13  Izay mamaly ratsy ny soa natao taminy,Dia tsy hialan’ny ratsy koa ny ao an-tranony.+ 14  Hoatran’ny mamaky fefiloha* izay mila ady,Koa mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.+ 15  Samy maharikoriko an’i Jehovah,Na izay manafaka madiodio ny ratsy fanahy, na izay manameloka ny olo-marina.+ 16  Inona moa ny soa azon’ny tsisy saina raha afaka mahazo fahendrena izy,Nefa izy aza tsy te* hahazo an’izany akory?*+ 17  Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana,+Sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.+ 18  Mifandray tanana amin’ny olona ny tsy ampy saina,*Ka manaiky eo imason’ny namany hoe hiantoka olona mindram-bola.+ 19  Tia manao fahadisoana izay tia ady,+ Ary mitady loza izay manangana vavahady avo.+ 20  Tsy hahomby* izay manana fo fetsifetsy,+Ary hahita loza izay mamitapitaka. 21  Halahelo ny ray miteraka zaza tsisy saina,Ary tsy ho faly mihitsy ny rain’ny zaza tsy ampy saina.+ 22  Fanafody tena mandaitra* ny fo falifaly,+Fa mandany hery* kosa ny hakiviana.+ 23  Mandray kolikoly mangingina* ny ratsy fanahyMba hamadihana ny rariny.+ 24  Mifantoka amin’ny fahendrena foana ny mason’ny mahira-tsaina,Fa ny mason’ny tsisy saina kosa mandehandeha hatrany amin’ny faran’ny tany.+ 25  Manao izay hampalahelo ny rainy ny zanaka tsisy saina,Sady mankarary ny fon’ny* reny niteraka azy.+ 26  Tsy tsara ny manasazy* olo-marina,Ary tsy mety ny mamely olona manan-kaja amin’ny karavasy. 27  Mahafehy ny vavany ny olona manam-pahalalana,+Ary ho tony foana ny olona mahay mandinika.+ 28  Na ny adala aza rehefa mangina, dia hoheverina hoe hendry,Ary hoheverina hoe mahay mandinika izay manakombona ny vavany.

Fanamarihana

Abt: “sorona.”
Na: “fiadanana; fahanginana.”
Na: “zanaka.”
Na: “ray aman-dreniny.”
Na: “olona ambony.”
Na: “hilaza zavatra tsara.”
Na: “vato ahazoana fankasitrahana.”
Abt: “manarona.”
Na: “tohodrano.” Abt: “mamela rano hivoaka.”
Abt: “tsy manana fo.”
Na: “Nefa izy aza tsy misaina akory?”
Abt: “tsy misy fo.”
Na: “Tsy hahita soa.”
Na: “manasitrana.”
Na: “mahamaina taolana.”
Abt: “avy eo an-tratra.”
Abt: “mangidy amin’ny.”
Na: “mampandoa sazy.”