Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hianatra Intsony ve Aho?

Tsy Hianatra Intsony ve Aho?

Toko 19

Tsy Hianatra Intsony ve Aho?

Araka ny hevitrao, kilasy fahafiry ianao no tokony hianatra farany? ․․․․․

Ahoana kosa ny hevitry ny ray aman-dreninao? ․․․․․

MITOVY hevitra angamba ianareo. Na izany aza, dia tsy te hianatra intsony ianao indraindray. Efa nisy nahazo anao ve ireto?

“Leo be aho indraindray, dia tsy te hiala teo am-pandriana. Nieritreritra aho hoe: ‘Zavatra tsy hilaiko akory no ianarana any!’ ”Rachel.

“Tena tsy te hianatra intsony mihitsy aho matetika! Tsy hitako tsinona izay ilana an’ilay izy. Aleoko miasa sitrany ahay vola!”Njaka.

‘Tsy te hianatra intsony aho, tamin’izaho teny amin’ny lise. Tsy ny fianarana no olana tamiko, fa ny ankizy. Tsy tian-dry zareo aho, dia tsy nana-namana mihitsy. Nisy hafa koa tsy nana-namana, nefa na ry zareo aza niavonavona tamiko!’—Ryan.

“Adiny efatra be izao aho no manao devoara isan’alina! Be loatra ilay izy sady tsy mety tapitra. Raha tsy devoara tsotra, dia fanadinana! Tsy vitako intsony fa te hiala aho.”Mirana.

“Tsy te hianatra intsony aho indraindray, fa leo be! Aiza ve koa... nisy saika hanapoaka baomba tany am-pianaranay. Efa inefatra no nisy nitady hamono tena. Ny iray aza maty mihitsy. Feno ankizy mahery setra koa any.”Kelly.

Ary ianao? Nahoana ianao no tsy te hianatra intsony?

․․․․․

Efa mieritreritra ny hiala angamba ianao. Efa tena tokony hiala ve anefa ianao, sa leo fotsiny?

Efa afaka miala sa te hiala fotsiny?

Araka ny hevitrao, kilasy fahafiry ny ankizy no afaka mijanona tsy mianatra intsony, ary kilasy fahafiry no mbola tsy mety?

․․․․․

Fantatrao ve fa misy lalàna momba ny fianarana any amin’ny tany maro, fa samy hafa fotsiny ilay izy? Tsy voatery mianatra ela be, ohatra, ny ankizy any amin’ny tany sasany, fa dimy na valo taona monja. Tsy maintsy mianatra folo taona kosa, fara fahakeliny, ny ankizy any an-tany hafa.

Ny hafa indray tsy voatery mankany am-pianarana, fa afaka mianatra any an-tranony. Mety ho taranja vitsivitsy no ataony any, na izy rehetra. Tsy hoe miala amin’ny fianarana ny ankizy toy izany, raha mamela azy hanao an’ilay izy ny ray aman-dreniny sady manampy azy.

Ahoana anefa raha mieritreritra ny tsy hianatra intsony ianao, na any am-pianarana io na any an-trano? Diniho aloha ireto fanontaniana ireto:

Fantatrao ve ny lalàna eto Madagasikara? Efa hitantsika fa tsy mitovy ny lalàna any amin’ny tany maro. Hatramin’ny kilasy fahafiry, fara fahakeliny, ny ankizy eto Madagasikara no tokony hianatra? Efa nahavita hatramin’io kilasy io ve ianao? Milaza ny Romanina 13:1 fa tokony “hanaiky ny manam-pahefana” isika. Lasa tsy mankatò azy ireo ianao, raha miala nefa tsy nahavita hatramin’ny farany.

Efa tratrako ve ny tanjoko? Inona no asa tianao hatao? Ary inona no fianarana eritreretinao fa hanampy anao hahazo an’ilay asa? Mbola tsy hainao ve? Mila fantatrao ireo. Raha tsy izany, dia toy ny mandeha lamasinina ianao, nefa tsy hainao ny toerana tianao haleha. Iaraho mameno amin’ny ray aman-dreninao àry ilay  efajoro ao amin’ny pejy 139. Hanampy anao hifantoka amin’ny fianarana izany. Ho hitanareo koa hoe mbola tokony hianatra firy taona ianao.—Ohabolana 21:5.

Mety hanoro hevitra anao momba izany ny mpampianatra na ny olon-kafa. Ny ray aman-dreninao anefa no tokony hanapa-kevitra. (Ohabolana 1:8; Kolosianina 3:20) Rehefa avy nifanaraka ianareo hoe inona no fianarana hataonao, dia tokony hovitainao hatramin’ny farany izany. Tsy mety raha miala alohan’izay ianao.

Inona no antony hialako? Raha mieritreritra ianao hoe antony tsara no hialanao, dia diniho aloha sao mamitaka ny tenanao ianao. Mitranga mantsy izany indraindray.—Jeremia 17:9; Jakoba 1:22.

Tena manana antony tsara hialana ve ianao? Inona avy izany?

․․․․․

Ary inona kosa ny antony tsy dia mety?

․․․․․

Nanoratra angamba ianao hoe te hiasa mba hanampiana fianakaviana, na te hanampy olona hianatra momba an’Andriamanitra. Mety ho antony tsara izany. Antony tsy dia mety kosa ny hoe te hitsoaka fanadinana na tsy te hanao devoara. Ahoana àry no hahalalanao, sao antony tsy dia mety tokoa no mahatonga anao te hiala?

Jereo indray izay nosoratanao, ary omeo naoty 1 ka hatramin’ny 5. Asio 1 eo akaikin’izay antony tsy dia lehibe, asio 2 eo amin’izay lehibe kokoa, ary toy izany hatrany. Izay tena marina soratana. Ho diso fanantenana ianao raha antony tsy dia lehibe no hialanao.

Nahoana no tsy mety ny miala?

Raha miala amin’ny fianarana ianao, dia toy ny hoe mitsambikina avy eny ambony lamasinina nefa mbola tsy tonga. Mety tsy hahafinaritra ny ao anatin’ilay lamasinina sady ratsy toetra ny mpandeha. Raha mitsambikina avy eny anefa ianao, dia tsy ho tonga any amin’izay halehanao ary mety haratra be. Raha miala amin’ny fianarana àry ianao, dia mety hahita olana ary tsy ho tratranao ny tanjonao.

Olana ho hitanao izao: Mety ho sarotra aminao ny hahita asa, ary na hahita aza ianao, dia mety ho kely karama raha oharina amin’ny olona tsy niala tamin’ny fianarana. Tsy maintsy hiasa be àry ianao vao hahazo izay tena ilainao eo amin’ny fiainana. Ho mafy kokoa noho ny tamin’ianao nianatra ny hahazo anao.

Olana any aoriana: Hitan’ny mpikaroka fa mora marary, mety higadra, ary mangataka fanampiana amin’olona foana ny ankizy miala amin’ny fianarana.

Marina fa mety hitranga aminao ihany ireo, na dia nahavita fianarana aza ianao. Tsy aleo ve anefa tsy miala, amin’izay tsy mijaly tsy amin’antony?

Soa azo raha tsy miala

Tsy afa-panadinana angamba ianao na nisy nahasosotra anao tany am-pianarana, ka te hiala ianao. Kivy be ianao, ka tsy raharahainao na hisy olana aza any aoriana. Aza maika anefa. Tsy niala tamin’ny fianarana ireo tanora voalaza terỳ aloha ka nandray soa. Diniho ange ny tenin’izy ireo e!

‘Nianatra niaritra aho. Nianarako koa hoe raha te ho faly aho rehefa manao zavatra, dia mila ataoko izay hahatonga an’ilay izy hahafinaritra. Lasa nahay zavatra aho rehefa tsy niala tamin’ny fianarana. Hilaiko ilay izy rehefa hiasa aho.’—Rachel.

“Izao aho vao mahita hoe raha miezaka mafy aho, dia ho tratrako ny tanjoko. Mianatra any amin’ny lise teknika aho, ary tena ilaiko izany satria manampy ahy ho lasa mpanamboatra milina fanaovam-pirinty. Io tsinona no asa tiako hatao.”—Njaka.

“Tsy niala tamin’ny fianarana aho, dia lasa nahay tsara namaky teny sy nanoratra, sady nahay nanazava ny hevitro. Nianarako koa fa mahasoa ny mihaino ny hevitry ny olona. Ilaiko daholo ireo rehefa mitory ny vaovao tsara aho.”—Ryan.

‘Lasa nihanahay namaha olana aho, na olana tao am-pianarana ilay izy na olana hafa. Nanampy ahy hihamatotra izany.’—Mirana.

“Fantatro fa tsy maintsy hisy olana rehefa hiasa aho. Nanampy ahy ho vonona amin’izany ny fianarana. Lasa niaiky koa aho hoe marina ny fivavahako. Tsy maintsy nandinika aho tsinona hoe marina ve sa tsia ilay izy, satria nisy olana nifandray tamin’izay foana tany am-pianarana.”—Kelly.

Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Aleo ny fiafaran’ny raharaha toy izay ny fiandohany. Aleo olona manam-paharetana toy izay olona mihevi-tena ho ambony.” (Mpitoriteny 7:8) Aza miala amin’ny fianarana àry, fa manàna faharetana. Aza kivy na misy aza ny olana. Ho hitanao fa ho tsara ny fiafaran’ilay izy, satria handray soa ianao.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Tsy tianao ve ny mpampianatra anao?

ANDININ-TENY MAHASOA

‘Hahantra izay rehetra maimaika.’—Ohabolana 21:5.

SOSO-KEVITRA

Raha tena tsy zakanao ny fiainana any am-pianaranareo, dia mitadiava olona na fianarana afaka mampianatra anao haingana kokoa. Ho vitanao vetivety amin’izay ny fianaranao.

FANTATRAO VE... ?

Ny ankizy mpingitrika no tena mora miala amin’ny fianarana.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Raha misy taranja tsy haiko, dia tsy hiala amin’ny fianarana aho, fa izao no hataoko: ․․․․․

Izao no hataoko raha vizana foana aho, ka lasa tsy te hianatra intsony: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana no tena ilaina ny mianatra mamaky teny sy manoratra ary manao kajy?

● Afaka mandray soa sahady amin’izay ianaranao ianao, raha manana tanjona mora tratrarina rehefa mianatra. Nahoana?

● Nahoana no tokony ho efa fantapantatrao hoe inona no asa tianao hatao any aoriana any?

[Teny notsongaina, pejy 140]

‘‘Tsy maintsy hisy foana ny olana, ary manampy anao handamina izany ny fianarana. Mianatra manazava ny hevitrao, ohatra, ianao any. Tena hilainao izany any aoriana any, ohatra hoe any am-piasana.’’—Riana

[Efajoro, pejy 139]

 Fanampiana Hisaintsaina

Inona no fianarana hataoko?

Mila mianatra ianao raha te hahita asa hamelomanao ny tenanao sy ny fianakavianao. (2 Tesalonianina 3:10, 12) Efa fantatrao ve hoe inona no asa tianao hatao, ary inona no fianarana tokony hataonao mba hahazoanao an’ilay asa? Raha tsy hainao izany, dia ho very fotoana hianatra zavatra tsy hampiasainao akory ianao. Valio àry ireto fanontaniana ireto:

Inona no zavatra haiko? (Ohatra: Mahay mifandray amin’olona ve ianao? Tia manao asa tanana ve ianao, na manamboatra zavatra, na mahay mamaha olana?) ․․․․․

Inona avy no asa azoko ampiasana ny zavatra haiko? ․․․․․

Inona avy no asa azo atao etỳ aminay? ․․․․․

Mora hahitana asa ve ny fianarana ataoko? ․․․․․

Inona avy no fianarana mila ataoko, mba ho mora kokoa amiko ny hahita an’ilay asa tiako hatao? ․․․․․

Tandremo anefa sao mody mianatra foana, satria tsy te hanao ny andraikitry ny olon-dehibe na tsy te hiasa. Toy ny mpandeha mijanona mandrakizay ao anaty lamasinina ianao, raha manao izany. Aza hadinoina fa natao hampiasaina ny zavatra ianarana. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 69 Jereo ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, Toko 38.

[Sary, pejy 138, 139]

Raha miala amin’ny fianarana ianao, dia toy ny hoe mitsambikina avy eny ambony lamasinina nefa mbola tsy tonga akory