Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANONTANIANA 5

Tokony Hino Izay Lazain’ny Baiboly ve Ianao?

Tokony Hino Izay Lazain’ny Baiboly ve Ianao?

Efa diso hevitra momba ny olona iray ve ianao? Angamba ianao nandre olona nanaratsy azy, ka tsy dia azoazonao izy. Rehefa nahalala azy tsara anefa ianao, dia hitanao fa hay lainga fotsiny ilay izy. Misy manaratsy koa ny Baiboly, ka maro no lasa tsy mino azy io. Niova hevitra anefa izy ireo rehefa avy nandinika an’io boky io.

Tsy mino ny Baiboly ny olona maro nahita fianarana. Mazàna mantsy no misy milaza zavatra tsy marina momba azy io, ka lasa mihevitra izy ireo fa tsy mitombina na mifanohitra amin’ny siansa na diso tsotra izao ny zavatra lazain’izy io. Sao dia tsy izany kosa anefa no izy?

Gaga angamba ianao rehefa namaky an’ity bokikely ity fa hay tsy mifanohitra ny siansa sy ny Baiboly. Maro koa no nahatsapa izany. Hitany mantsy fa tsy avy ao amin’ny Baiboly akory ny zavatra ampianarin’ny fivavahana sasany. Misy milaza, ohatra, hoe tao anatin’ny enina andro misy 24 ora avy no namoronan’Andriamanitra an’izao rehetra izao. Diso anefa izany. Tsy mifanohitra amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa mihitsy ny zavatra resahin’ny Baiboly. *

Ary ahoana indray ny amin’ny namoronan’Andriamanitra ny zavamananaina? Tsy miresaka betsaka momba izany ny Baiboly. Afaka mikaroka momba azy ireny ny olona amin’izay. Lazainy kosa anefa hoe Andriamanitra no namorona ny zavamananaina rehetra, ary nataony “araka ny karazany avy” izy ireo. (Genesisy 1:11, 21, 24) Tsy eken’ny mpahay siansa sasany izany satria tsy araka ny tombantombany. Marina anefa ireo tenin’ny Baiboly ireo, rehefa jerena ny vokatry ny fikarohan’ny mpahay siansa hafa. Voamarika foana hatramin’izay fa vetivety ihany dia hita hoe tsy marina ny tombantombana. Eken’ny rehetra foana kosa ny zavatra efa voaporofo fa marina.

Maro anefa no tsy te hanadihady momba ny Baiboly satria diso fanantenana. Hitany fa mihatsaravelatsihy sy manao kolikoly ary mampirisika ny olona hiady ny fivavahana. Rariny ve anefa raha ny Baiboly no omen-tsiny amin’izany? Diniho izao: Maro ny mpahay siansa tsiravina satria misy olona mampijaly an’izay tsy mitovy firazanana aminy, ary ny fampianarana momba ny evolisiona no entiny hanamarinana ny zavatra ataony. Rariny ve amin’izay raha io fampianarana io no omen-tsiny? Tsy tsara kokoa ve aloha ny mamantatra an’ilay fampianarana sy mitady porofo mba hahalalana ny marina?

Mampirisika anao handinika ny Baiboly koa izahay. Ho faly ianao hahita fa tsy araka izay ampianarin’ny ankamaroan’ny fivavahana izay voalaza ao. Tsy mampirisika ny olona hiady izy io. Lazainy fa tsy tokony hankahala olona ny mpanompon’Andriamanitra, satria mampiady izany. (Isaia 2:2-4; Matio 5:43, 44; 26:52) Tsy tokony hanaraka an-jambany an’izay asain’ny fivavahana ataony koa izy ireo, na hino befahatany an’izay lazaina aminy. Tokony hanana porofo kosa izy vao mino zavatra iray, ary mila mampiasa ny sainy rehefa manompo an’Andriamanitra. (Romanina 12:1; Hebreo 11:1) Ampirisihin’ny Baiboly koa ianao hitady ny valin’ireo fanontaniana nanahiran-tsaina ny olona hatramin’izay.

Efa nieritreritra ve, ohatra, ianao hoe: ‘Raha misy Andriamanitra, nahoana no avelany hisy ny faharatsiana?’ Mamaly an’io fanontaniana io sy ny maro hafa ny Baiboly. * Ampirisihinay àry ianao mba hitady ny marina foana. Mahafa-po sy mahavariana ary marim-pototra ny fanazavan’ny Baiboly. Tsy kisendrasendra mihitsy izany. Hita kosa fa avy amin’Andriamanitra io boky io.

^ feh. 5 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.