Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FITORIANA SY FAMPIANARANA MANERAN-TANY

Oseania

Oseania
  • TANY 29

  • MPONINA 40 208 390

  • MPITORY 97 583

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 64 675

Afafy aloha

Mahalana ny mpitory vao tonga any amin’ireo nosin’i Mikronezia. Nanao fandaharana hankanesana tany àry ny mpitory maromaro avy ao amin’ny Nosy Marshall, ary nijanona tany tapa-bolana. Nandeha sambo niala avy tao amin’ny Nosy Majuro izy ireo, dia tonga tao amin’ny Nosy Wotje sy Ormed.

Nanomana fonosan’entana maromaro izy ireo talohan’ny hiaingana, amin’izay afaka mitory amin’ny olona faran’izay betsaka. Nisy gazety efatra sy bokikely roa ny fonosan’entana tsirairay. Nametrahan’izy ireo fonosan’entana iray avy ny olona liana, satria mbola tsy hainy hoe rahoviana indray izy ireo vao ho tafaverina any. Nampirisihiny ireny olona ireny mba hizara an’ireo gazety amin’ny havany sy ny namany. Bokikely 531 sy gazety 756 ary boky 7 no voapetrak’ireo mpitory nandritra ny tapa-bolana.

“Misaotra anao tsy nanadino anay”

Nitory tany amin’ny Nosy Karkar ny mpitory enina avy any Papouasie-Nouvelle-Guinée, tamin’ny Febroary 2014, ary nijanona tany folo andro. Betsaka ny olona liana, ka boky sy gazety 1 064 no voapetraka. Hoy ny anabavy iray atao hoe Relvie: “Vizana mihitsy izahay niteny, tamin’ilay andro voalohany, satria mbola nitory foana izahay hatramin’ny 3.00 tolakandro. Efa lany ny rano nentinay tao anaty tavoahangy, ary maina be koa ny molotray. Nisy fotoana aho nitory tamin’izay ankizivavy izay. Saika hamaky andinin-teny aho fa tsy nahavita, satria nangetaheta loatra. Soa ihany aho fa nomeny rano.”

Nivory ny fokonolona tao amin’ny tanàna iray, ny alina talohan’ny hialan’izy ireo tao, ary nanatrika teo koa ny mpitondra fivavahana. Hoy ihany i Relvie: “Tadidiko ilay i Stefana tsy maintsy niaro ny fahamarinana teo anoloan’ny Fitsarana Avo Jiosy. Hoatran’azy mihitsy ny fahatsapako ny tenako. Ny tsy nampitovy azy fotsiny, ny anay tsy masiaka ny olona nihaino anay.” Nitsangana ilay tompon’andraikitra amin’ny sekoly alahady rehefa avy niteny izy enina. Hoy izy tamin’ilay nenitoany, izay anisan’ireo mpitory: “Hoatran’ilay vehivavy samaritanina mihitsy ianao. Notantarainy tamin’ny fianakaviany mantsy ny zavatra tsara noresahin’i Jesosy taminy. Misaotra anao tsy nanadino anay.”

Mbola kely loatra hoe e?

Kiribati: Teariki sy Tueti

Vao fito taona i Teariki, ary mipetraka any amin’ny Nosy Tarawa, anisan’ny Nosy Kiribati. Nitory niaraka tamin’i Tueti rainy izy indray maraina. Nisy tovovavy sy tovolahy folo teo ho eo tao amin’ny trano iray nidiran’izy ireo. Rehefa vita ny fitorian’ny dadan’i Teariki, dia hoy ny iray tamin’izy ireo: “Samy mitondra ny zanakareo mitory daholo ianareo. Fa maninona ry zareo no entinareo? Mbola kely loatra ireo, ka tsy tokony hoentina mitory teny hoatr’izao.”

Hoy i Tueti: “Tianareo ho hita ve raha mahay mitory io zanako io na tsia? Aleo ianareo mihitsy no hitsara fa izaho hivoaka any an-tokotany.” “Ie, mety izany!”, hoy izy rehetra.

Nony lasa i Tueti, dia hoy i Teariki tamin’izy ireo: “Fantatrareo ve ny anaran’Andriamanitra?”

“Ie. Jesosy!”, hoy ny iray. “Andriamanitra ka”, hoy ny iray hafa. Mbola nisy niteny koa hoe: “Tompo.”

Hoy i Teariki: “Aleo hovakintsika izay lazain’ny Baiboly, ato amin’ny Isaia 42:5.” Hoy izy rehefa avy namaky an’ilay andininy: “Iza no resahin’io andinin-teny io?”

“Andriamanitra”, hoy ny tovovavy iray. Niteny indray i Teariki hoe: “Ie. Io ilay tena Andriamanitra. Inona no lazain’ilay tena Andriamanitra eo amin’ny andininy fahavalo? Hoy izy hoe: ‘Izaho no Jehovah! Izany no anarako. Koa ny voninahitro tsy homeko ny hafa.’ Hitanareo eo ve ny anaran’Andriamanitra?”

Namaly izy rehetra hoe: “Jehovah.”

Hitan’i Teariki hoe nihaino tsara izy rehetra, ka hoy indray izy: “Inona ny soa azontsika raha mampiasa an’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah isika? Aleo hojerentsika indray ny Asan’ny Apostoly 2:21. Izao no voalaza eo: ‘Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.’ Inona àry ny soa azontsika raha mampiasa ny anarany isika?”

Nisy tovovavy iray namaly hoe: “Ho voavonjy.”

Tamin’izay ny dadan’i Teariki no niverina tao an-trano, ary nanontany hoe: “Ahoana no fahitanareo ny ankizy ao aminay? Mahavita mitory ve ry zareo? Mety ve raha mitondra azy ireo mitory izahay?” Niaiky izy rehetra hoe tena mahay mitory ry zareo, ka tsara raha mandeha koa. Hoy ihany i Tueti: “Afaka mitory ny fahamarinana hoatran’i Teariki koa ianareo, raha mianatra Baiboly.”

Nananika ny avo ny vaovao tsara

Miasa ao amin’ny biraon’ny fandikan-teny mitokana any Port-Vila, any Vanuatu i Jean-Pierre. Nandeha fiaramanidina nankany amin’ny tanàna niaviany izy, tamin’ny Novambra 2013, mba hanatrika fivoriamben’ny faritra. Vao nidina an’ilay fiaramanidina izy, dia nitangorona teo aminy ny olona. Avy any amin’ny faritra atsimon’ilay nosy izy ireo, ary nangataka boky ara-baiboly. Voapetraka daholo ny ankamaroan’ny gazety tany aminy. Mba tonga nangataka gazety koa ny mpitondra fivavahana iray sady niteny hoe: “Mosarena ara-panahy izahay. Tongava any an-tanànanay mba hamaly ny fanontanianay.” Niainga vao maraina be i Jean-Pierre ny ampitson’ny fivoriambe, ary nandeha an-tongotra niakatra tendrombohitra iray avo be. Tonga tany an-tampony ihany izy nony farany. Nisy tanàna mitokana tao, ary faly erỳ ny olona nandray azy. Avy eo i Jean-Pierre niresaka ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 38 hoe “Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?” Nasainy nanaraka ny andinin-teny tao amin’ny Baiboliny ny olona teo. Nisy 30 teo ho eo ry zareo. Naharitra adiny fito latsaka kely ilay resaka. Mosarena tokoa ry zareo! Hoy ny lehilahy iray efa 70 taona: “Izay vao azoko tsara ny momba ny maty. Mbola tsy nahita fanazavana mazava be hoatr’izany mihitsy aho!”

Natory tao amin’ilay pasitera i Jean-Pierre, ny alin’io. Vao nifoha izy ny ampitso dia efa nahita an’ilay pasitera namaky ny gazetintsika. Nanontany azy i Jean-Pierre hoe inona no novakiny tao. “Momba ny Fanjakan’Andriamanitra”, hoy izy faly erỳ. Niaiky izy fa tsy tao am-pon’ny Fariseo tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy mitombina mihitsy, hoy izy, ilay fampianaran’ny fivavahany hoe ao am-pon’ny olona ny Fanjakan’Andriamanitra. (Lioka 17:21) Mbola nanampy an’ireo olona liana ihany i Jean-Pierre rehefa tonga tany Port-Vila, fa ataony an-telefaonina izany. Nisy rahalahy telo avy amin’ny fiangonana teo akaiky teo nanolo-tena handamina Fahatsiarovana tany, ka nisy 109 ny mpanatrika!

Vanuatu