Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Fitokanana Sampana

Fitokanana Sampana

NATAO ny asabotsy 24 Janoary 2015 ny fitokanana ny sampan’i Madagasikara. Hoy ny anabavy iray: “Tsy omby tratra ny hafaliako.” Faly izy sy ny vahiny hafa 583 nahita an’ilay trano fonenana vaovao misy efitra 19 sy ny trano fisakafoana nitarina ary ny lakozia nohavaozina. Nahazo birao maro kokoa ny sampan-draharahan’ny fanompoana sy ny kaonty ary ny fanorenana. Nahazo studio vaovao ny Sampan-draharahan’ny Feo sy Video sy ny ekipan’ny tenin’ny tanana. Lasa nisy koa ny Sampan’asa Momba ny Braille. Nihaino ny tantaran’ny fitoriana teto Madagasikara aloha ny vahiny. Avy eo izy ireo nankafy ny lahateny fitokanana nataon’i Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana.

Trano fonenana vaovao misy efitra 19 eto amin’ny sampan’i Madagasikara

Natao ny 14 Febroary 2015 ny fitokanana ny tranon’ny sampana vaovao tany Jakarta, any Indonezia. Nisy tondra-drano tany, saingy ritra ny rano talohan’ilay fitokanana ka faly ny rehetra. Rihana iray amin’ny tranobe iray misy rihana 41 izao no tranon’ny sampana, miampy rihana 12 amin’ny tranobe iray hafa. Ao amin’ny trano kelikely tsy lavitra eo no misy ny sampan-draharaha samihafa. I Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Nataony ny ampitson’iny, tao amin’ny kianja iray filalaovam-baolina, ilay lahateny hoe “Miezaha Foana Hanao ny Tsara.” Nisy 15 257 ny mpanatrika. Nalefa mivantana tany amin’ny toerana 41 ilay fandaharana ary 11 189 no nanaraka an’izany. Io no fivoriana be mpanatrika indrindra nataon’ny vahoakan’i Jehovah tany Indonezia. Hoy i Ronald Jacka, anisan’ny misionera voalohany tany: “Tamin’ny 1951 aho no tonga teto, ary 26 fotsiny ny mpitory eran’i Indonezia tamin’izany. Mihoatra ny 26 000 anefa izao no manatrika an’ity fandaharana manokana ity. Tena nitahy ny vahoakany eto Indonezia i Jehovah.”