Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 100

Ilay Fanoharana Momba ny Farantsa Folo

Ilay Fanoharana Momba ny Farantsa Folo

LIOKA 19:11-28

  • ILAY FANOHARAN’I JESOSY MOMBA NY FARANTSA FOLO

Toa mbola tao amin’i Zakaiosy i Jesosy sy ny mpianany, na dia ho any Jerosalema aza. Nihevitra ny mpianatra fa hiorina tsy ho ela ny “fanjakan’Andriamanitra” ary i Jesosy no ho Mpanjaka. (Lioka 19:11) Diso hevitra izy ireo. Efa tsy azon’izy ireo koa hoe tsy maintsy ho faty i Jesosy. Nilaza fanoharana àry i Jesosy mba hahazoan’izy ireo fa mbola ho ela vao hiorina ilay Fanjakana.

Hoy i Jesosy: “Nisy andriandahy nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.” (Lioka 19:12) Maharitra ela ny dia toy izany. Mazava hoe i Jesosy ilay “andriandahy.” Nankany “an-tany lavitra” izy, izany hoe any an-danitra. Any ny Rainy no hanome azy fahefana hanjaka.

Niantso ny mpanompony folo ilay “andriandahy” talohan’ny hiaingany. Nanome azy ireo farantsa volafotsy iray avy izy, ary niteny hoe: “Manaova raharaham-barotra mandra-pahatongako.” (Lioka 19:13) Sarobidy be ny farantsa volafotsy, satria mikarama telo volana mahery ny mpamboly iray vao mahazo farantsa volafotsy iray.

Nety ho fantatry ny mpianatra fa toa an’ireo mpanompo folo tao amin’ilay fanoharana izy ireo. Efa nampitovin’i Jesosy tamin’ny mpijinja mantsy izy ireo. (Matio 9:35-38) Mazava ho azy fa tsy naniraka azy ireo hijinja ara-bakiteny izy. Tiany hitady mpianatra mba hahazo toerana ao amin’ilay Fanjakana kosa izy ireo. Mampiasa an’izay ananany mba hampitomboana ny isan’ireo handova an’ilay Fanjakana ireo mpianatra.

Hoy koa i Jesosy tao amin’ilay fanoharana: “Halan’ireo mpiray firenena taminy [ilay andriandahy]. Koa rehefa lasa izy, dia naniraka ambasadaoro ireo hilaza hoe: ‘Tsy tianay ny hanjakan’iny lehilahy iny aminay.’ ” (Lioka 19:14) Fantatry ny mpianatra fa nanohitra an’i Jesosy ny Jiosy ary nisy aza te hamono azy. Rehefa maty sy niakatra tany an-danitra i Jesosy, dia nasehon’ny ankamaroan’ny Jiosy ny fiheveran’izy ireo azy, ka nenjehin’izy ireo ny mpianany. Nahariharin’izy ireny fa tsy tiany ho Mpanjakany i Jesosy.—Jaona 19:15, 16; Asan’ny Apostoly 4:13-18; 5:40.

Ahoana no nampiasan’ireo mpanompo folo ny farantsa nomena azy, mandra-piverin’ilay ‘andriandahy nandray fahefana hanjaka’? Hoy i Jesosy: “Ary niverina izy, tatỳ aoriana, rehefa avy nandray fahefana hanjaka. Dia nampanantsoiny ireo mpanompo nomeny farantsa volafotsy, mba hahitany izay tombony azon’ireo tamin’ny raharaham-barotra. Tonga àry ny voalohany, ka nanao hoe: ‘Nahazoana tombony farantsa folo ny farantsanao anankiray, tompoko.’ Dia hoy izy taminy: ‘Tsara izany, ry mpanompo tsara! Mendri-pitokisana tamin’ny zavatra tena madinika ianao, ka aoka hanam-pahefana amin’ny tanàna folo.’ Tonga indray ny faharoa, ka nanao hoe: ‘Nahazoana farantsa dimy ny farantsanao anankiray, tompoko.’ Hoy koa izy tamin’io: ‘Aoka koa ianao hiandraikitra tanàna dimy.’ ”—Lioka 19:15-19.

Inona no vokany rehefa takatr’ireo mpianatra fa toy ireo mpanompo nampiasa tsara ny fananany mba hanaovana mpianatra maro kokoa izy ireo? Afaka matoky izy ireo fa ho faly i Jesosy, ary hamaly soa azy ireo noho ny fahazotoany. Mazava ho azy fa tsy mitovy ny zavatra iainan’ny mpianatr’i Jesosy rehetra sy izay azony atao ary ny fahaizany. Miezaka foana mba hanao mpianatra anefa izy ireo, ary mankasitraka sy mitahy azy ireo i Jesosy, izay efa nahazo “fahefana hanjaka.”—Matio 28:19, 20.

Mariho kosa ny tenin’i Jesosy rehefa namarana an’ilay fanoharana: “Fa tonga kosa ny [mpanompo] anankiray, ka nanao hoe: ‘Intỳ, tompoko, ny farantsanao izay notehiriziko tao anaty lamba. Natahotra anao mantsy aho, satria olona sarotsarotiny ianao, sady maka izay tsy napetrakao no mijinja izay tsy nafafinao.’ Dia hoy izy taminy: ‘Ny teninao ihany no itsarako anao, ry mpanompo ratsy! Fantatrao fa olona sarotsarotiny aho, sady maka izay tsy napetrako no mijinja izay tsy nafafiko. Koa nahoana no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako, mba handraisako azy mbamin’ny zanabola rehefa tonga aho?’ Ary hoy izy tamin’ireo nijoro teo anilany: ‘Alaivo ilay farantsa any aminy, ka omeo an’ilay manana farantsa folo.’ ”—Lioka 19:20-24.

Namoy izay nananany ilay mpanompo, satria tsy nampitombo ny harena tao amin’ny fanjakan’ny tompony. Takatr’ireo apostoly fa hanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. Angamba hitan’izy ireo avy tamin’ny teniny momba an’io mpanompo io fa raha tsy mazoto izy ireo, dia tsy hanana toerana ao amin’ilay Fanjakana.

Tsy maintsy ho nandrisika an’ireo mpianatra tsy mivadika mba hiezaka bebe kokoa ilay tenin’i Jesosy. Namarana ny teniny i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo fa izay manana dia homena bebe kokoa, ary izay tsy manana, na izay ananany aza halaina aminy.” Nilaza koa izy fa haripaka ny fahavalony, izay ‘tsy manaiky hanjakany.’ Nanohy ny diany ho any Jerosalema i Jesosy avy eo.—Lioka 19:26-28.