Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA VOALOHANY

“Ny Very Hotadiaviko”

“Ny Very Hotadiaviko”

Tafasaraka tsikelikely amin’ny namany ny ondry iray, raha iny izy mbola miraoka ahitra eny an-tsaha iny. Tsy hitany intsony ny namany sy ny mpiandry azy avy eo, ka very tanteraka izy. Efa mihamaizina ny andro. Very any amin’ny lohasaha feno biby masiaka izy, nefa tsy misy afaka miaro azy. Rehefa ela ny ela, dia mahare feon’olona fantany izy. Iny ilay mpiandry azy fa mihazakazaka manatona azy. Trotroiny izy avy eo, ary ataony ao anatin’ny akanjo ivelany ka entiny mody.

MATETIKA i Jehovah no mampitovy ny tenany amin’ny mpiandry ondry toy izany. Manome toky antsika izy ao amin’ny Teniny hoe: “Izaho mihitsy no hitady ny ondriko sy hikarakara azy.”—Ezekiela 34:11, 12.

“Izaho no hikarakara ny ondriko”

Ireo olona tia sy manompo an’i Jehovah no ondriny. Hoy ny Baiboly: “Aoka isika hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany. Aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah Mpanao antsika. Fa izy no Andriamanitsika, ary isika no olona karakarainy eo an-kijanany, sy ondry tarihiny.” (Salamo 95:6, 7) Toy ny ondry ara-bakiteny mankatò ny mpiandry azy, dia mankatò an’i Jehovah koa ny mpanompony. Mety hisy tsy hanao an’izany anefa indraindray, fa mety ho “very” na ‘hania’ na ho tafasaraka amin’ny namany. (Ezekiela 34:12; Matio 15:24; 1 Petera 2:25) Na izany aza, dia manantena foana i Jehovah fa mbola hiverina izy ireny.

Tsapanao ve hoe mbola Mpiandry anao i Jehovah? Ahoana no ampisehoan’i Jehovah fa mbola Mpiandry izy ankehitriny? Andao isika handinika fomba telo ampisehoany an’izany.

Manome sakafo ara-panahy antsika izy. Hoy i Jehovah: ‘Eny amin’ny tanimbilona tsara no hiandrasako ny ondriko. Eny izy ireo no handry ao amin’ny toeram-ponenana tsara. Eny amin’ny kijana feno ahi-maitso izy ireo no hiraoka ahitra.’ (Ezekiela 34:14) Omen’i Jehovah sakafo ara-panahy mamelombelona amin’ny fotoana mety foana isika. Tadidinao ve, ohatra, hoe nisy lahatsoratra na lahateny na video namaly ny vavaka nataonao? Tsy ekenao àry ve fa tena mikarakara anao i Jehovah?

Miaro sy manohana antsika izy. Nampanantena i Jehovah hoe: “Izay nania haveriko, ny tapaka hasiako fehy lamba ary ny osa hohatanjahiko.” (Ezekiela 34:16) Manatanjaka an’ireo malemy na trotraky ny adin-tsaina i Jehovah. Mamehy ny ratran’ny ondriny koa izy ka manampy azy ireo ho salama indray, eny fa na dia ny mpiray finoana aminy ihany aza no nandratra azy. Averiny ho ao am-bala ireo nania sy mety hahatsiaro tena ho tsy mendrika.

Mahatsiaro ho manana andraikitra amintsika izy. Hoy izy: ‘Ary hovonjeko avy any amin’ny toerana rehetra niparitahany izy ireo. Ny very hotadiaviko.’ (Ezekiela 34:12, 16) Tsy mihevitra ny ondry nania ho tsy misy antenaina intsony i Jehovah. Lasa mihitsy aza izy mitady an’izay ondry fantany hoe tsy eo, ary faly be izy rehefa mahita azy indray. (Matio 18:12-14) Hoy mantsy izy: “Izaho no hikarakara ny ondriko.” (Ezekiela 34:15) Anisan’izany ondriny izany ianao.

Tsy mihevitra ny ondry nania ho tsy misy antenaina intsony i Jehovah. Faly be izy rehefa mahita azy indray

“Itondray andro vaovao toy ny tamin’ny fahiny izahay”

Mitady anao sy manasa anao hiverina aminy i Jehovah satria tiany ho sambatra ianao. Mampanantena izy fa hitahy ny ondriny. (Ezekiela 34:26) Tsy fampanantenana poakaty akory izany. Na ianao aza mantsy efa nahita ny fahamarinan’izany.

Tsarovy ny fiainanao fony ianao nahalala voalohany an’i Jehovah. Inona, ohatra, no tsapanao raha vao nahalala hoe hisy paradisa eto an-tany sy hoe tsy mahalala na inona na inona ny maty? Tadidinao ve ny fiarahana nahafinaritra tamin’ireo Kristianina namanao, rehefa fivoriambe? Ary inona no tsapanao rehefa nahita olona tena liana teny am-pitoriana? Tsy tena faly sy afa-po ve ianao rehefa niverina nody?

Afaka mahita fifaliana toy izany indray ianao. Nivavaka toy izao, ohatra, ny mpanompon’i Jehovah fahiny: “Ampodio ho aminao izahay, Jehovah ô, dia hody avy hatrany. Itondray andro vaovao toy ny tamin’ny fahiny izahay.” (Fitomaniana 5:21) Namaly ny vavak’izy ireo i Jehovah, ka nahita fifaliana indray izy ireo rehefa tafaverina mba hanompo azy. (Nehemia 8:17) Izany koa no hataon’i Jehovah ho anao.

Mora tenenina ny hoe hiverina amin’i Jehovah, fa tsy mora tanterahina. Inona no mety hahasarotra ny hoe miverina, ary ahoana no handresenao an’izany? Andao hodinihintsika ireo.