Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azonao Atao ve ny Tsy ho Antitra Mihitsy?

Azonao Atao ve ny Tsy ho Antitra Mihitsy?

Azonao Atao ve ny Tsy ho Antitra Mihitsy?

“Fito-polo taona no andron’ny taonanay, ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, ... mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.”—SALAMO 90:10.

ERITRERETO hoe tanora lalandava ianao. Eritrereto koa hoe salama tsara sy mahira-tsaina foana ianao. Tsara tokoa izany raha tanteraka. Mety hilaza anefa ianao fa tsy hisy mihitsy izany. Diniho àry ity zava-misy mahavariana ity: Misy karazana boloky velona zato taona, nefa mahalana vao misy totozy velona mihoatra ny telo taona. Noho izany fahasamihafana eo amin’ny androm-piainana izany, dia nanatsoaka hevitra ny manam-pahaizana sasany, fa tsy maintsy misy antony ny fahanterana. Ary raha misy antony mahatonga azy io, dia mety hisy fanafodiny koa.

Mitady izay fanafody mandaitra hiadiana amin’ny fahanterana àry ny olona. Manokana vola ho amin’izany ny orinasa mpamokatra fanafody. Miezaka mitady fomba tsy hampahantitra haingana koa ny olona teraka taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, ka efa mananika ny 60 taona.

Ny fandinihana momba ny fahanterana koa izao no tena imasoan’ny mpikaroka maro, toy ny mpikaroka momba ny fototarazo, ny molekiola ao amin’ny zavamananaina, ny fiainan’ny biby, ary ny fahanterana. Hoy i Steven Austad ao amin’ilay bokiny hoe Nahoana Isika no Mihantitra? (anglisy): “Tena faly ankehitriny ny mpikaroka momba ny fahanterana isaky ny miara-mivory. Efa kely sisa mantsy dia ho hitantsika ny tena antony mahatonga ny fahanterana sy ny fisehony.”

Maro ny antony lazaina fa mahatonga ny fahanterana. Voalaza, ohatra, fa mihasimba tsikelikely ny sela ao amin’ny vatana, ka izany no mahatonga ny olona hihantitra. Ny hafa milaza fa efa natao hihantitra mihitsy isika. Misy indray milaza fa samy marina ireo. Tena mazava amin’ny olona ve ny antony mahatonga ny fahanterana sy ny fisehony? Manana antony anantenana ve isika fa hisy fanafody mandaitra hiadiana amin’ny fahanterana?

[Tabilao/​Sary, pejy 2, 3]

(Jereo ny gazety)

TOKOTOKONY HO HALAVAN’NY FOTOANA HAHAVELOMANY

Tantely

90 andro

Totozy

3 taona

Alika

15 taona

Rajako

30 taona

Voay

50 taona

Elefanta

70 taona

Olona

80 taona

Boloky

100 taona

Sokatra lehibe

150 taona

Hazo séquoia

3,000 taona

Karazana hazo kesika

4,700 taona

[Sary, pejy 3]

Misy boloky velona 100 taona, nefa tsy velona afa-tsy 80 taona eo ho eo ny olombelona. Manontany àry ny mpikaroka hoe: “Inona no mahatonga ny fahanterana?”