Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nisy Namorona Ve?

Ny Fahaizan’ny Biby Iray Mihetsika ao Anaty Rano

Ny Fahaizan’ny Biby Iray Mihetsika ao Anaty Rano

● Biby an-dranomasina ny physalie. Miendrika lakolosy ny vatany ary rano ny 95 isan-jaton’izy io, na maherin’izany aza. Telo santimetatra latsaka ka hatramin’ny roa metatra ny savaivony. Ahoana no ihetsehan’io biby io? Ny hozatra ao aminy no mampifintina sy mampivelatra ny vatany, tsy misy hafa amin’ny elo mikombona sy mivelatra.

Diniho izao: Hitan’ireo mpandinika ny fihetsehan’ny gazy sy ny rano, fa hafakely ny fomba fihetsehan’ny physalie sasany, na dia tsy mahay milomano haingana aza izy. Isaky ny mifintina ny vatany dia misy rano mitambolimbolina miendrika faribolana, avoakany mafy be. Iny rano iny avy eo no mamoaka hery mankany amin’ilay biby ka manosika azy handroso. Tsy mitohy be anefa izany, satria isaky ny mifintina izy vao mamoaka hery. Hoy ny gazetiboky Mpahay Siansa Vaovao (anglisy): “Hoatran’ny tsotra ny fomba amoronany an’ilay rano mitambolimbolina, nefa tsy hay hazavaina amin’ny alalan’ny kajy.”

Mandinika ny fihetsehan’io biby io ny manam-pahaizana, mba hahafahany mamorona sambo mpisitrika mitsitsy angovo kokoa. Efa nisy manam-pahaizana nahavita sambo mpisitrika mirefy iray metatra mahery kely, izay mamoaka onja mitovitovy amin’ny an’ilay biby. Latsaka 30 isan-jato amin’ny angovo ilain’ny sambo mpisitrika mahazatra ny angovo lanin’io sambo vaovao io. Mety hilaina amin’ny fitsaboana fo koa ny fandinihana ny fihetsehan’io biby io. Mitambolimbolina mantsy ny paozin’ny ra rehefa mikoriana ao amin’ny ilany havia amin’ny fo. Raha vao miova ny paozin’ilay ra mitambolimbolina, dia efa famantarana mialoha izany hoe mitady harary fo ny olona iray.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona na fiovana miandalana ve ny fahaizan’io biby io, sa nisy namorona?

[Sary, pejy 13]

Mamoaka rano mitambolimbolina ny “physalie”, ary ny hery avy amin’izy io no manosika azy handroso

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Sary: © JUNIORS BILDARCHIV/age fotostock; kisary: Courtesy of Sean Colin