Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Niisa 5 400 tapitrisa ny olona nanana finday eran-tany, teo am-piandohan’ny taona 2011.”—UN CHRONICLE, ETAZONIA.

“Olona 780 000 mahery no matin’ny loza”, tao anatin’ny folo taona lasa. “Efa ho ny 60 isan-jaton’ireo no matin’ny horohoron-tany.”—THE LANCET, GRANDE-BRETAGNE.

“Rosianina 800 000 teo ho eo no namono tena, tato anatin’ny 20 taona.”—ROSSIISKAYA GAZETA, ROSIA.

“Teo anelanelan’ny 1993 sy 2008, ... dia lasa avo roa heny mahery” ny vehivavy 15 taona ka hatramin’ny 49 taona nanao tokantranomaso, any Philippines. Tsy azo atao mantsy ny misara-panambadiana any.—THE PHILIPPINE STAR, PHILIPPINES.

“Ny 79,2 isan-jaton’ny mponina any [amin’ny Repoblikan’i] Géorgie no mitondra faisana noho ny setro-tsigaran’ny hafa.” “Ny 87,7 isan-jaton’ny ankizy no tratran’izany” ao Tbilissi renivohitra.—TABULA, GÉORGIE.

Mitsabo Tena any Azia

Mihamaro izao ny marary mandeha mitsabo tena any an-tany hafa. Matetika mantsy no mora lavitra ny saram-pitsaboana any ivelany. Milaza ny Business World fa iray tapitrisa isan-taona ny “marary mitsabo tena” ho tonga any Philippines, hatramin’ny 2015, ary toy izany koa ny ho tonga any Korea Atsimo hatramin’ny 2020. Fandehanan’ny olona koa any Inde, Malezia, Singapour, ary Tailandy. Maro ny Tandrefana tonga any mba hitsabo taolana sy fo ary ny toy izany. Misy Sinoa mpanankarena koa izao tonga any, satria “te hitovy amin’ny olo-malaza.” Entiny mihitsy ny sarin’izy ireny, ary manatona dokotera mpandidy mahay manatsara bika aman’endrika izy.

Aza Manenjika Bitro Roa

Lasa tsy maintsy manao asa sarotra roa na maromaro indray miaraka izao ny mpiasa noho ny fandrosoana, sady voatery mamaly fanontaniana eo no ho eo. Hoy anefa i Clifford Nass, talen’ny sampana momba ny fifandraisana sy fampitan-kevitra, ao amin’ny Oniversiten’i Stanford, any Etazonia: “Tsy vita tsara ny asa raha manao asa maromaro indray miaraka ny mpiasa.” Voalaza fa matetika no miady saina sy mora variana amin-javatra tsy misy dikany ary tsy mieritreritra tsara ny mpiasa manenjika bitro roa, ka ny zava-dehibe indray no tsy vitany. Hoy koa i Nass: “Rehefa manao zavatra iray ianao, dia iny aloha ifantohana mandritra ny 20 minitra. Manampy anao hifantoka sy hieritreritra tsara izany.”