Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 FANADINADINANA | BRETT SCHENCK

“Miaiky Aho fa Noforonin’Andriamanitra ny Zava-drehetra”

“Miaiky Aho fa Noforonin’Andriamanitra ny Zava-drehetra”

Mpanolo-tsaina momba ny tontolo iainana any Etazonia i Brett Schenck, saingy efa misotro ronono. Nandinika ny fifandraisan’ny zavamaniry sy ny biby ary ny tontolo iainana izy. Nahoana izy no mino fa misy ny Mpamorona? Nanontany azy momba ny asany sy ny finoany ny Mifohaza!

Lazao anay ny mombamomba anao.

Injeniera i Dada, ka tiany ny niresaka tamiko momba ny siansa sy matematika. Variana aho, tamin’ny mbola kely, nahita an’ireo biby sy zavamaniry teo amin’ny farihy teny akaikinay, tany New Paris, Etazonia. Izany no antony nianarako momba ny tontolo iainana, tao amin’ny Oniversiten’i Purdue.

Nahaliana anao ve ny fivavahana?

Ie. Nampirisihin’i Dada handalina ny finoana loteranina aho. Nianatra teny grika koine koa aho, satria anisan’ny fiteny nanoratana ny Baiboly izy io. Nahatonga ahy hanaja ny Baiboly izany.

Ahoana no fahitanao ny evolisiona (na fiovana miandalana)?

Nanaiky an’io fampianarana io ny fivavahako. Nino azy io koa ny mpiara-miasa tamiko, ka tsy nieritreritra ny hitsipaka azy io mihitsy aho. Nino an’Andriamanitra koa anefa aho. Nihevitra aho hoe samy azo atao ireo. Tsy nino anefa aho hoe avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, na dia nanaja azy io aza aho.

Inona no nahatonga anao hiova hevitra?

Tonga tao aminay i Steve sy Sandy, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nasehony ahy sy Debbie vadiko fa mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly, na dia tsy boky momba ny siansa aza. Izao, ohatra, no resahiny momba an’Andriamanitra: “Izy Ilay mipetraka any amin’ny avo, any ambonin’ity tany boribory ity.” (Isaia 40:22) Hoy koa izy io: “Ahantony eo amin’ny tsy misy ny tany.” (Joba 26:7) Nahaliana ahy ireo andininy ireo, satria nampiasa sary avy amin’ny zanabolana aho rehefa nianatra momba ny tontolo iainana.  Efa ela be no nanoratana an’ireo, tamin’ny mbola tsy nisy olona naka ny sarin’ny tany tamin’ny zanabolana. Nahalala faminaniana maro efa tanteraka aho, rehefa nianatra Baiboly niaraka tamin’izy mivady, ary nahita torohevitra mandaitra sy fanazavana nahafa-po ahy. Resy lahatra aho tamin’ny farany hoe avy amin’Andriamanitra ny Baiboly.

Nahoana ianao no niaiky hoe noforonin’Andriamanitra isika?

Nasehon’i Steve ahy, tatỳ aoriana, ny Genesisy 2:7 hoe: “Jehovah Andriamanitra namorona ny olona avy tamin’ny vovoky ny tany.” Voarakitra an-tsoratra ny fomba niforonan’ny olombelona voalohany fa tsy tombantombana fotsiny. Mifanaraka amin’ny siansa ve io zavatra resahin’ny Baiboly io? Nasain’i Steve nanao fikarohana aho, ary nanao tokoa.

Inona no nianaranao momba ny evolisiona?

Be dia be. Anisan’izany ilay hoe ahoana no nampisy ny karazan-javamananaina. Manana fo, havokavoka, maso, ary taova hafa mahavita tsara ny asany ny olona sy ny biby. Ahitana ‘milina’ bitika mahatalanjona koa ao anatin’ny sela. Ahoana no nampisy azy ireny? Milaza ireo mino ny evolisiona fa efa tao amin’ireo zavaboary tsara sy matanjaka indrindra izy ireny. Tsy mahavaly an’ilay fanontaniana anefa izany. Eken’ny mpahay siansa maro fa tsy mahavaly an’io fanontaniana io ny fampianarana momba ny evolisiona. Nitsotra tamiko ny lehilahy iray mpampianatra siansa momba ny biby, fa tsy misy inoany ny fampianarana momba ny evolisiona. Naleony anefa nangina sao ho very asa.

Manatanjaka ny finoanao ve ny fianarana momba ny tontolo iainana?

Ie. Mifampiankina ny zavamananaina rehetra, ary nandinika an’izany aho tamin’ny asako. Diniho, ohatra, ny voninkazo sy ny tantely. Natao hanintonana ny tantely ny loko, ny hanitra, ny mamimbony, ary ny firafitry ny felam-boninkazo. Tonga mitsentsitra mamimbony àry ireo tantely. Lasa feno vovobony koa ny volony, ary afindrany any amin’ny voninkazo hafa izany. Hita hoe natao hifanampy ny voninkazo sy ny tantely.

“Miaiky aho fa noforonin’Andriamanitra ny zava-drehetra matoa mora tafarina”

Mbola lehibe lavitra noho izany ny fifandraisana misy eo amin’ny zavaboary sy ny tontolo manodidina azy. Mety hahatratra an’arivony ny karazana biby, zavamaniry, bakteria, ary holatra, eo amin’ny faritra iray. Avy amin’ny zavamaniry no ahazoan’ny biby sakafo sy oksizenina. Miantehitra amin’ny biby koa anefa ny ankamaroan’ny zavamaniry misy felany. Tena be pitsiny ilay fifandraisana ary mety hitohy mandritra ny arivo taona, na dia mora maty aza ny zavamananaina. Mety hanimba ny tontolo iainana ny fandotoana. Miverina amin’ny laoniny anefa izany, rehefa tsy misy intsony ilay zavatra niteraka fandotoana. Miaiky aho fa noforonin’Andriamanitra ny zava-drehetra matoa mora tafarina.

Nahoana ianao no lasa Vavolombelon’i Jehovah?

Tena nampanahy ahy ny fanimban’ny olona ny tontolo iainana. Na afaka miverina amin’ny laoniny aza mantsy ny tontolo iainana, dia mety ho simba ihany. Nampianarin’ny Vavolombelona ahy avy tao amin’ny Baiboly, fa ‘handringana izay manimba ny tany’ Andriamanitra. (Apokalypsy 11:18) Faly aho nahalala izany. Tsapako, arakaraka ny nianarako Baiboly, fa azo antoka ilay fampanantenana.

Tiako ny miresaka amin’ny hafa ny zavatra inoako. Nisy mpahay siansa vitsivitsy nampianariko Baiboly. Naka fisotroan-dronono alohan’ny fotoana aho, tamin’izaho 55 taona, amin’izay mba manam-potoana kokoa hanampiana ny olona hahafantatra ny Mpamorona sy ny fikasany momba ny tany.