Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ampio ny Zanakao mba Hankatò

Ampio ny Zanakao mba Hankatò

OLANA

Tokony hovonoina ny finday aorian’ny amin’ny sivy alina, araka ny fitsipika ao an-trano, nefa indroa ny zanakao vavy, tamin’ity herinandro ity, no tratranao nandefa SMS taorian’ny misasakalina. Tsy maintsy mody alohan’ny amin’ny valo alina koa ny zanakao lahy nefa taorian’ny amin’ny sivy izy vao nody omaly.

Marina fa tsy mety ny nataon’ny zanakao. Fantaro anefa aloha hoe nahoana izy no tsy nankatò. Mety hampahery anao ny mahalala fa na dia hoatran’ny hoe manohitra anao aza izy, dia tsy voatery ho izany.

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Tsy mazava tsara ny fitsipika. Misy tanora tsy mankatò satria tiany ho hita raha mitana ny teniny ny ray aman-dreniny, ka hanasazy azy tokoa raha mandika fitsipika izy. Tsy voatery ho lasa mpikomy anefa ny tanora toy izany. Alaim-panahy tsy hankatò ny ankizy rehefa miovaova ny ray aman-dreny eo amin’ny fampiharany sazy, na tsy mazava tsara ny fitsipika omeny.

Hentitra loatra. Misy ray aman-dreny te hifehy ny zanany ka manome fitsipika be dia be. Tezitra izy ireo raha vao tsy mankatò ilay zaza, ka ampiany indray ireo fitsipika. Vao mainka anefa izany miteraka olana matetika. Hoy ny boky Fivoaran’ny Fifandraisan’ny Ray Aman-dreny sy ny Zanaka (anglisy): “Arakaraka ny hiezahanao hifehy ny zanakao no hanoherany anao. Toy ny manosotra dibera amin’ny mofo izany, nefa mafy be ilay dibera. Hanapotika an’ilay mofo fotsiny izany, ary tsy vahaolana mihitsy ny manosotra mafy kokoa an’ilay dibera.”

Mahasoa ny fifehezana voalanjalanja tsara. Midika hoe mampianatra ny hoe “mifehy” fa tsy mitovy amin’ny hoe “manasazy”, izay midika hoe manao izay hahatsapana ho mijaly. Ahoana àry no hanampianao ny zanakao hankatò ny fitsipika omenao?

 INONA NO AZONAO ATAO?

Ataovy mazava tsara ny fitsipika. Tokony ho fantatry ny tanora tsara hoe inona no tokony hataony ary inona no ho vokany raha tsy mankatò izy.—Toro lalan’ny Baiboly: Galatianina 6:7.

Soso-kevitra: Ataovy lisitra ny fitsipika ao an-trano. Eritrereto avy eo hoe: ‘Be loatra ve izy ireo? Sa vitsy loatra? Sao dia efa misy tsy ilaina intsony? Sa efa misy tokony hahitsy satria efa mahay mandray andraikitra kokoa ny zanako?’

Aza miovaova. Mety ho very hevitra ny ankizy raha fahadisoana mitovy ihany no nataony, nefa tsy nosazina izy tamin’ny herinandro lasa fa nosazina kosa tamin’ity herinandro ity.—Toro lalan’ny Baiboly: Matio 5:37.

Soso-kevitra: Ataovy mifanaraka amin’ilay fahadisoana ny sazy. Raha tsy manaja ny ora fodiana, ohatra, izy, dia mety ho azo aroso aloha kokoa ny ora fodiany.

Aza hentitra loatra. Tokony hilefitra ianao indraindray, ka hanome fahafahana ny zanakao rehefa mendrika an’izany izy.—Toro lalan’ny Baiboly: Filipianina 4:5.

Soso-kevitra: Iaraho midinika amin’ny zanakao ny fitsipika hapetraka. Mety ho izy mihitsy no asainao milaza ny sazy hampiharina aminy raha tsy mankatò izy. Mora kokoa amin’ny tanora ny mankatò fitsipika raha anisan’ny nametraka izany izy.

Ampio izy hanana toetra tsara. Tsy ny hankatoavan’ny zanakao fotsiny no tanjonao fa ny hanampy azy hahay hisaina koa, izany hoe hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy. (Jereo ilay efajoro hoe “Ampio Izy ho Tsara Toetra.”)—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Petera 3:16.

Soso-kevitra: Mitadiava fanampiana ao amin’ny Baiboly. Ao no misy ny ‘fananarana’ tsara indrindra, “izay mahatonga ny olona ho lalin-tsaina.” Mahatonga ny ‘tanora fanahy ho malina’ koa ny fahendrena ao amin’izy io, sady manampy ny ‘zatovo hanana fahalalana sy fahaiza-misaina.’—Ohabolana 1:1-4.