Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Italia

Ny bisikileta no be mpividy raha oharina amin’ny fiara, tamin’ny 2011. Nahoana? Satria angamba efa mihalafo ny vidim-piainana sy ny solika. Ny bisikileta koa mora ampiasaina sy tsy manahirana, sady tsy mandany vola be hoatran’ny fiara ny mikojakoja azy.

Armenia

Nisy tovolahy Vavolombelon’i Jehovah niisa 17 nogadrain’ny fanjakana, satria tsy nanaiky hanao fanompoana sivily iandraiketan’ny miaramila. Namoaka didy anefa ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona hoe natao tsinontsinona ny zon’ireo tovolahy ireo. Nasaina nandoa onitra ho azy 17 lahy àry ny fanjakana.

Japon

Ankizy maro, mampiasa tranonkala fifaneraserana ao amin’ny Internet, no voafetsin’ny olon-dratsy. Ny 63 isan-jaton’izy ireo no tsy mba nampitandreman’ny ray aman-dreniny akory. Raharaha 599 no niakatra fitsarana. Ny 74 isan-jaton’ireo voampanga no niaiky fa ny hametaveta ankizy tsy ampy taona no tena tanjony rehefa mampiasa Internet.

Chine

Tsy ny fiara vaovao rehetra no omen’ny fanjakana nomerao any amin’ireo tanàn-dehibe. Tsy be loatra amin’izay ny fiara mivezivezy ka tsy hitohana be ny fifamoivoizana. Fiara 240 000 isan-taona ihany, ohatra, no omena nomerao any Beijing. Tamin’ny Aogositra 2012 aza, dia olona 1 050 000 teo ho eo no nangataka nomerao nefa 19 926 ihany no nahazo, izany hoe 1 ao anatin’ny 53.